Irak: Androm-pifidianana ao @ Twitter

Exclusive #iraq10 picture from polling station in #Baghdad: www.mict-international.org/1a.jpg

Sary tsy hitan'ny hafa tany #iraq10 tao anaty biraom-pifidianana ao #Baghdad: www.mict-international.org/1a.jpg

Fifidianana ny any Iràka ka heniky ny vaovao farany momba izany ny tontolon'ny Twitter hatry ny maraina.

Raha te-hanaraka ny vaovao farany, dia araho manokana ny @iraqelections fa “solontena 30 manerana an'i Iràka no hitatitra ny zavamisy tsikaritra mandritra ny fifidianana isan'ora manomboka amin'ny folo ora maraina araka izay hitan'izy ireo ao an-toerana.”

Mandrisika ny mpamaky @iraqelections mba:

Follow our coverage of #iraqelections on Sunday, live here on Twitter. 40 Iraqi journalists #tweeting regular election updates!

Araho ny fakam-baovaonay mandritra ny fifidianana eto Iràka amin'ny alahady, araho mivantana amin'ny Twitter eto. Mpanao gazety 40 no hisioka an-tserasera ny vaovao farany!

Mivaky toy izao ihany koa ny filazana hafa:

We're live – translations are on their way! Follows us for live tweets about the #iraqelection from inside #Iraq. Join the debate #iraq10

Mivantana ny anay – an-dalana ny fandikan-teny! Araho mivantana ny siokanay (Tweet moa no nadikako hoe sioka) momba ny fifidianana Irakiana jerena ato anatin'i Iràka. Midira amin'ny adihevitra #iraq10

Toy ny fahita amin'ny fifidianana manerana ny tany ihany ny vaovao farany avoakan'ny mpanara-maso, ankoatra ny maha-tranga amnokana an'i Iràka. Maro ny baomba nipoaka vao maraina ar be ihany koa araka ny tatitra ny gidragidra eo amin'ny ankolafy samihafa.

Ao amin'ny @iraqelections, nahafa-po tokoa ny asa vitan'ny mpitati-baovao tamin'ny alalan'ny filalaovana ny Twitter nampiasany ny fitaovan'ny valam-piarahamonina an-tserasera.

Tamin'ny vaovao farany no nitateran'i Laith:

ليث بغداد عشرات العوائل من منطقة الكرادة يحرمون من التصويت لعدم ورود اسمائهم في سجل الناخبين #iraq10 #iraqelection
Laith: Baghdad: Fianakaviana folo avy any amin'ny faritr'i AlKaradah no tsy nahazo nifidy satria tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana ny anaran'izy ireo

Avy any Sulaimaniya i Jamal no manoratra:

#SULAIMANIYA, Jamal: Voting stations are closed. Press is not allowed to enter and monitor the counting of votes. #iraq10

#Sulaimaniya, Jamal: Tapitra ny fifidianana. Tsy navela hiditra hijery ny fanisam-bato ny mpanao gazety. #iraq10

Toeran-kafa ao amin'ny tonotlon'ny Twitter i @iawia1 no nanamarika:

Today Iraq's having the most democratic election in the region.Hope it holds&be example4mideast #iranelection #iraqelection #iraq

Nanatontosa ny fifidianana tamin'ny fomba demaokratika indrindra eto amin'ny faritra i Iràka androany. Manantena fa hitohy izany ka ho ohatra ho an'i Proche Orient #iranelection #iraqelection #iraq

Tsara fijery ihany koa ilay Amerikana @jeffmeyerson:

Celebrate with freedom-loving Iraqis as today they make their case for democracy. #Iraq

Miara-mankalaza amin'ireo Irakiana mpandala fahafahana noho ny fizoran'izy ireo mankamin'ny demaokrasia. #iraq

Ary nanao famintinana ny fizotry ny androany i Miguel Marquez, solontenan'ny famoaham-baovao ABC:

#Iraq elex: 38 killed,73 injured. Nearly 40 explosions. Still the Iraqis turned out to vote. Looks like vote cnt will be higher outside BGD

Fifid:maty 38, maratra 73. Fipoahana manakaiky ny 40. Mbola nifidy ihany ny Irakiana. Tahaka ny ho be ny mpandray anjara ivelan'i BGD (Baghdad)

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.