Pologne: Ady amin'ny homamiadana amin'ny aterineto

Zazavavy kely miramirana 5 taona i Lenka ary i Paula kosa dia mpianatra momba ny haiendrika anatiny (“design interieur”) manatona ny faha-20 taonany. Tsy mieritreritra ianao hoe mety hanana zavatra iraisana izy roa ireo nefa dia misy izany. Samy manana homamiadana izy ireo ary samy manana blaogy hiresahan'izy ireo ny fiadiany amin'ity aretina ity. Ireo blaogy ireo dia ohatra tsara amin'ny fivoaran'ny tontolon'ny blaogy ankehitriny. Porofoin'izy ireo fa ny blaogy dia tsy voatery ho diary fotsiny ihany : fa mety ho lasa fitaovana matanjaka entina mifanerasera ihany koa.

Paula

Ao amin'ny iray amin'ireo lahatsoratra voalohany nosoratany dia mitantara ny fotoana nahalalany fa voan'ny aretina mahafaty izy:

Tahaka ny hoe nisy olona nikapoka tamin'ny lapoely ny tavako

Saingy tsapany ihany taty aoriana fa tsy hoe izay no izy ny filazana ny soritr'aretina:

Toy ny tselatr'afo; tselatr'afon'ny fanantenanana sy ny kiry hiady. Nisy nahatonga ahy hino fa na dia teo aza ny zava -nitranga dia mbola afaka ny ho ela velona aho ary afaka mandresy ny aretina rehetra ny vatako, na dia mahafaty aza izany.

PaulaPaula
PaulaPaula

Tranga tsy dia fahita loatra ity homamiadan'i Paula ity ary taoriana kely ny fandidiana azy dia naheno izy fa tsy dia misy fanafody mahazatra afaka manasitrana azy. ‘Sompatra ity fivontosana ity ary tsy vitanay ny mitsabo azy,’ hoy ireo dokotera Poloney niraviravy tànana. Soa ihany fa nahalala toeram-pitsaboana any Boston ny rahavavin'i Paula, izay efa nitsabo ary nahasitrana soa aman-tsara ny olona voan'ity homamiadana ity. Niresaka tamin'ilay hopitaly Amerikanina i Paula ka vetivety ihany dia nahazo fanasana hanao fitiliana. Faly ireo dokotera hanao ny fitsaboana, ny olana fotsiny anefa dia ny saram-pitsaboana, izay mahatratra $250 000. Fa tsy nampihemotra an'i Paula izany. Nampiasa ny blaoginy amin'izay izy hitadiavany fanampiana ara-bola. Ankasitrahana ny fahatsoram-pon'ireo mpamaky ny blaoginy sy ireo izay nanisy rohy mankany amin'ny blaoginy fa voahangona ihany ny vola nilaina ary dia lasa nanao ny fandidiana tany Etazonia i Paula tamin'ny volana Aogositra 2009.

Ankehitriny, mbola maro ka mila fitsaboana ny fivontosana ao anatin'ny havokavony, nefa mijery ny ho aviny amim-panantenana izy. Ao amina resadresaka ho amin'ny famoahana teny Poloney an'ny Newsweek no nanontanian'ilay mpanao gazety azy raha mbola matahotra ihany izy. Hoy izy:

Eny, nefa rehefa matahotra aho dia mieritreritra ny niverenako avy tany Boston. Miandry ahy eny amin'ny seranam-piaramanidina ireo namako. Faly daholo ry zareo, mientanentana sy mikopakopa-tànana. Porofo izany fa nizotra tsara ny zava-drehetra. Nanapa-kevitra aho fa hiaina noho izany dia ho velona aho.

Lenka

Mety ho tsy nanokatra ny blaoginy mihitsy i Paula raha noho ny tantaran'i Lenka sy ny blaogy nosokafan'ny ray aman-dreniny, izay nandrisika azy hanoratra mikasika ny homamiadana.

Tamin'ny volana Aprily lasa teo dia hita fa mitondra ny aretina homamiadan'ny ra i Lenka, taoriana kelin'ny nahatratrarany ny faha efa-taonany. Nanapa-kevitra ny hanokatra blaogy rehefa tsy afa-nilaza ny mahazo an'i Lenka tamin'ireo havana aman-tsakaizany i Ania sy Andy ray aman-dreniny. Tsapan'izy ireo avy eo fa làlam-panesorana ny fanaintainana ny fanoratana. Maro mpanaraka ny blaogin'i Lenka, izay mampahery sy manohana na ny zazavavy na ny ray aman-dreniny:

Andraso kely anie. Tokony hihatsara i Lena . Tsy maintsy!!!! Tsy misy safidy hafa ankoatran'izay, ary ianareo, ray aman-dreniny, meteza hatanjaka hatrany. Fianakaviana mahafinaritra ianareo!!

Manantena aho fa hibaliaka ny masoandro ho an'ity zazavavy kely ity sy ho anareo rehetra… Tsarovy mandrakariva ny mino sy manantena… Ohatran'ny anjely kely izy. Manantena aho fa ho salama izy. Hitondra azy am-bavaka aho. “Mino aho”.

Ny hafatra no nilazan'ny ray aman-dreniny ho mandrisika azy ireo hanoratra hatrany. Nihatsara ny fahasalaman'i Lenka tato ho ato ary miandry ny fahatsaran'ny toetr'andro izy mba hiarahany mivoaka amin'ny ray aman-dreniny hinanana “glace” efa nampanantenaina azy hatry ny ela.

Ny blaogin'i Lenka sy ny an'i Paula dia samy mandray anjara amin'ny fifaninanana Blaogy polonein'ny taona 2009 ary mankasitraka ireo mpamaky satria noho ny latsabaton'izy ireo dia samy tafakatra tamin'ny famaranana ry zareo.

Raha tianao ny hanohana an'i Paula na/sy i Lenka dia tsidiho ny bolongany ao amin'ny :
www.paulapruska.blogspot.com
www.dlalenki.blogspot.com

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.