Bolgaria: Adihevitra momba ny Islamo

Nisy olona 40 nanatrika adihevitra mitondra ny lohateny hoe “Islamo heverina ho mampatahotra – lamaody indray ve?” izay notontosaina tao amin'ny “Trano mena” Ivo ho an'ny kolontsaina sy ny adihevitra tao an-drenivohitr'i Bolgaria, Sofia tamin'ny 26 febroary teo. Anisan'ny mpandray anajra fitenenana tamin'izany i Saleh Breh, mpahay haisaina (psychologue) ao amin'ny anjerimanontolon'i Damasy, Vladimir Chukov, manampahaizana manokana momba ny Islam, ary i Nidal Hlayf, mpianatra amin'ny fitantanana lahatsary.

Manodidina ny 1 tapitrisa ny Miozolomana monina any Bolgaria (izay manana mponina 8 tapitrisa). Maro amin'ny mponina no manana hevitra momba ny Islam, satria efa an-taonjatony no nisy miozolomana tany amin'ity firenena ity. Saingy misy ny antoko politika izay miteraka olana eo amin'ny Kristiana sy ny Miozolomana: Mihamatanjaka sy mihasahisahy manko ny nasionalisma tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, ary maro amin'ny mponina no mihevitra fa mampididoza ity Islamo ity. Izay no mahazava-dehibe ho an'ny fiaraha-monina ny adihevitra tahaka izay notontosaina tany Sofia itony (BUL). Itony manko no fanararaotra raha mety hampidi-doza ho an'i Eoropa tokoa ny Islam. Anisan'ny nanatrika tamin'ity adihevitra ity ihany koa ny mpikambana ao amin'ny Antoko Hetsika Nasionaly Boligara(BNM); Nilaza moa ny BNM, fa mampidi-doza ny Islam sady fitaovana entina miaro ny tombotsoa Tiorka. (Ato misy rohy avy amin'ny lahatsoratr'i Vladimir Chukov momba ny “Maodelim-poko Boligara.”

Ao amin'ny adihevitra hita ao amin'ny Muslims and American Cinema (http://muslim-cinema.blogspot.com), no hamahanam-bolongana amin'ny fiteny Boligara ny endrika ametrahana izany hoe Miozolomana izany amin'ny sarimihetsika, notarihin'i Hlayf Nidal, izay nanoratra these ahazoana mari-pahaizana dokotôrà amin'ny fitantanana sarimihetsika ao Sofia io. Indrato ary ny asongadina avy amin'ilay lahatsoratra (BUL):

[…] Saiky Boligara avokoa ny ankamaroan'ny mpanatrika, misy ny antitra fa maro ihany koa ny tanora […]

Nasongadin'ny Profesora Chukov fa misy karazany roa ny lalam-pifindra-monina – ny Anglo-Saxon somary malaladalaka kokoa amin'ny fomba fijeriny, sy ny Frantsay – izay somary mihenjakenjana kokoa manoloana ireo sokajin'olona vitsy an'isa na minorités. […] Ny tena nahatalanjona anay dia ny nahitana fa mamela ny hananganana antoko miozolomana ny any Danimarka [jereo izany lahatsoratra momba izany ao amin'ny bolongana Islam in Europe]. […]

[Nadikan'i Ruslan ] namelabelatra tetikasa misy ny ny lisitry ny bolongana any amin'ny tontolo Arabo sy Islamika manerantany, izay miaty ny vaovaon'ny fandrarana mila resahina tahaka ny fitsarana ireo mpanohitra politika any Ejipta [jereo nylahatsoratry ny GV raha te-hahalala bebe kokoa], mpamaham-bolongana ampidirina amponja [ohatra ny fanentanana ny fitakiana nanafahana an'i Kareem (Free Kareem) sy Bashir El Hazem (Free Bashir El Hazem), […], bolongan'ny vehivavy avy amin'ny faritra “proche orient” izay mitolona mba hahazoana zo bebe kokoa [ohatra, www.feministcollective.com]. Ny tanjona ao anatin'izany dia ny entina hampisehoana amin'ny olona fa […] tsy tontolo tsy miova (na tsy mivoatra) tsy akory ny tontolo arabo, fa liana ihany koa amin'izay mitranga ao aminy sy mitranga manerana izao tontolo izao, indrindra moa fa avy amin'ireo taranaka vaovao . […]

Miresaka momba ny fahazaran-dratsy (stereotypes) hita amin'ny sarimihetsika indray i Nidal Hlayf. […] Efa lalimpaka loatra ny [fampanazarana] ny fifanoherana ny tontolo arabo amin'ny tontolo tandrefana ka sarotra ny manala ireo fahazaran-dratsy ireo […]. […] Momba ny adihevitra hoe nahoana moa no tsy miova mihitsy ny fijerin'ny olona ny miozolomana sy ny Arabo[…]. Voalohany, mbola maharary dia maharary ny ratra nampifanditra ny tandrefana sy ny Islam, na ara-kolontsaina na ara-miaramila; faharoa, mbola taranaky ny Eoropeana voanjo (mpanjanaka) ihany no fijerin'ny tatsinanana an'i Etazonia; fahatelo, hatramin'ny faran'ny taonjato faha-19 dia nitombo dia nitombo ny asa misionera tany amin'ny tontolo arabo.

Dr. Saleh Brik avy amin'ny Anjerimanontolon'i Damasy no miresaka ny fahasarotana hanaiky fivavahana “Hafa” noho ny tsy fahalalana azy io. [Ohatra iray amin'izany ny fandraran'i Soisa ny fananganana minarets]: […] tsy ny minarets no tena zava-dehibe indrindra amin'ny fivavahana ho an'ny Miozolomana ary tsy io no olana fototra amin'ny fiaraha-monina Miozolomana.

Maya Tsenova, mpahay resaka Arabo ao amin'ny Ivotoerana ho an'ny teny sy kolontsaina tatsinanana, nanampy fa “matahotra ny zavatra tsy fantany ny olona” sy ny hoe “Efa tafahoana imbetsaka tamin'ny Miozolomana ny tandrefana mialoha ny nihaonany tamin'ny Islamo.” Ny lehilahy tsy mahalala an inoa na inona no fahavalontsika sy ny hafa, hoy ny lazain'ny ohabolana Arabo.

Indreto misy filazan-kevitra tamin'ny bolongako (BUL) momba ity fotoana ity. Mpamaky iray noniresaka momba ny Islamisma sy ny fampihorohoroana any amin'ny firenen'i Balkan hafa:

Manodidina antsika [eto Bolgaria], tsara kokoa ny tsy manadino izay nitranga tany Bosnia sy Kosovo, izay halatahaka amin'izany hevitra izany eto Balkans.

Zava-dehibe ho an'i Bolgaria ny toe-draharaha any Kosovo satria maro ny olona no matahotra fa mety hitranga any Bolgaria ihany koa izay nitranga tany sy tany Bosnia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.