Shina: rafi-pisoratan'ny vohikala anarana

Araka ny navoakan'ny gazety Sohu IT tamin'ny 22 febroary dia namoaka filazana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny fampahalalam-baovao (MIIT) ka mangataka ny hanamafisana ny rafitra isoratana anarana (amin'ny famoahana vohikala) sy ho fanamarihana izany, na ilay lazaina hoe Lisitra fotsin'ny Aterineto Shinoa.

Ny fepetra takiana farany indray dia ny hahatongavan'ny webmaster tenany any amin'ny Ivotoeran'ny Soratra Fototra Aterineto [Internet Data Center (IDC)] tenany mihitsy mba halaina sary sy hanao dikantsary ny taratasy ilaina rehetra any amin'ity Ivotoerana ity. Hanamarina ny votoatin'ny vohikala, ny ifandraisana amin'ilay webmaster ary ny vaovao avoakan'ny vohikala avy eo ny Ivotoerana mialoha ny hisoratana any amin'ny sampan-draharaham-paritry ny fisoratana anarana ao amin'ny Minisitera MIIT.

Vaovao farany: Mitaraina amin'ny fombafomba tahaka ireny hoe maka sary jiolahy ireny ny mpiserasera:

460iXp

Ny taratasy ilaina ho fisoratana anarana dia :

- Orinasa / Fikambanana / antsipirian'ny fisoratana DANWEI (raha vohikalan'orinasa ilay izy) + ny atontan-taratasy ahafantarana ny momba ilay webmaster
– Atontan-taratasy ahafantarana ny momba ilay webmaster (raha vohikalan'olo-tsotra kosa ilay izy)
– Ny andinindininy ahafahana mifandray ka tafiditra ao ny laharan'ny finday, ny laharan'ny any am-piasana, adiresy imailaka, adiresy fonenana

- Ny anaran'ny vohikala, sombin'adiresy aterineto (nom de domaine=ampio aho hanazava ity!), votoatin'ny vohikala, fahazoandalana hamoaka ny votoaty sasany (toy ny vaovao izany)
– Fampahafantarana ny tenimiafina any amin'ny Ivotoerana IDC: anarana fampiasa, tenimiafina fidirana, ny toerana misy ny server ampiasaina, adiresy IP-n'ny vohikala

Eto ambany eto ny tabilaon'izany fomba fisoratana anarana izany:
Img270368545
Oiwan Lam

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.