Shina : Manetsika ny reny hitaky ny sivana

Nametraka fikambanana antsoina hoe Neny Mpitsara (Mama Jury) ny Fikambanan'ny media an-tserasera any Beijing tamin'ny 19 Janoary 2010 hanivana ny vaovao mamoha fady sy vetaveta an-tserasera. Ny tatitra nataon'ny Southern Weekend moa no nametraka fa avy tany amin'ny firenena tandrefana no niaingan'ny hevitra hikambanan'ny reny “hiaro” ny ankizy tsy hahita vetaveta. Nefa ny fikambanan'ny reny Shinoa dia natsangan'ny sampan'ny Antoko komonista shinoa fa tsy mba najoron'ny fikambanana mpiaro ny olompirenena (sivika) tsy miankina tahaka izay misy any amin'ny tany tandrefana.

Manontany ny maha-ara-dalàna ny “fomba fiaraha-miasan'ny fikambanan'ny reny sy ny fitondrana” i Yang Heng Jun:

第一,谁授权给你们来“评审”互联网内容的?第二,你认为自己未成年孩子不能看的内容就应该删除?网站就应该关闭?难道全中国人民都不能看?哪怕那内容是《宪法》保障我们看、《刑法》不禁止我们看的内容?

Voalohany, iza no nanome fahefana anareo “hanome naoty” izay hitanao ao amin'ny aterineto? Faharoa, eritreretinareo ve fa izay tsy antonona ny ankizy dia tokony kosehina? ka tokony hakatona izany ireny vohikala ireny? Tokony horarana amin'ny Shinoa iray manontolo ve izy ireny? Na dia arovan'ny “Lalampanorenantsika” sy tsy voararan'ny “Lalàna ady heloka bevava” aza izay votoatiny?

让我们进一步发挥所谓“孩子利益优先”的原则,既然你们用这个原则来治理整顿虚拟的互联网,那么我有理由质问你们:为什么不用这种方式对付更多孩子们生活其中的真实社会

Andao hapetratsika ny tsangakevitra hoe “ny mahasoa ny ankizy no voalohan-daharana”. Raha mandray izany tsangakevitra izany ianao, maninona raha ampiharina amin'ny fiainana andavanandro izay iainan'ny ankizy izany?

你 可以限制自己的孩子上互联网,但你不能以“儿童利益优先”的名义把互联网变成一个只适合你孩子的学习园地和迪斯尼乐园,那是违反《宪法》也违反人性的。……当我们把互联网和社会 变成只适合儿童的时候,儿童不但不会成长,而且,我们成人也会变成“儿童”……

Azonao raràna ny ankizy tsy hiserasera (aterineto), fa tsy azonao averina ho lasa akaninjaza na disneyland eo ambanin'ny tsangakevitra hoe “ny mahasoa ny ankizy no voalohan-daharana” kosa ny aterineto… mifanohitra amin'ny Lalampanorenana izany ary mifanohitra amin'ny mahaolona. Raha averinao “hifanaraka” ho an'ny ankizy ny aterineto, dia tsy hihalehibe ny ankizy, ary hivarina ho “ankizy” ny olondehibe….

Hu Yong niditra lalina kokoa tamin'ny hevitr'i Yang:

政府的这一举措明显是要“花季护航”全国人民,把自己摆在为人家长的位置上… “深入整治低俗”是一场无情的运动, 不知有多少网站在去冬今春的寒风中哀号,然而,妈妈们在运动中的出现不仅为之涂上了一层温情色彩,似乎也赋予其更多的正当性。这是因为,妈妈们竖起的大旗 是“保护未成年人”,占据了社会道德的制高点。

Mivandravandra fa mitady “hitantana” ny firenena iray manontolo ka mametraka ny tenany ho “raiamandreny” ny fitondrana… Nanjaka tokoa ny fanentanana hanohitra ny “zava-poana” ka maro ny vohikala niharan'ny fijaliana tanaty ririnina mamirifiry. Fa mety hahatsaratsara endrika ny fanentanana ny fisian'ny reny mitondra ny fanevan'ny “fiarovana ny ankizy” .

Maro amin'ny olona no miahiahy fa hiaka politika fihatsarambelatsihy hametrahana ny sivana amin'ny aterineto “ny mahasoa ny ankizy no voalohandaharana”. Tsy mba eny amin'ny ankolafin'ny ray aman-dreny sy ny zanakamanko ny fitondrana rehefa miatrika adihevitra tena izy, tahaka ny raharahan'ny ronono misy poizina melamine. Navoitran'i Chang Ping fa nosamborina tamin'ny volana novambra 2009 ilay ray , Zhao Lianhai, izay nanao fanadihadiana momba ity ronono voapoizina melamine ity. Tsapan'i Chang Ping  indray hoe nahoana moa ireto reny manohana ny sivana izay mitabataba ho tia ny zanany ireto no tsy hita nanohana an'i Zhao? Ary ny toa tena fanesoana, ilay filohan'ny filankevi-pitantanana manara-maso ny dion'ny sakafo (AQSIQ), Li Changchun, izay nametra-pialana noho ny raharaha ronono voapoizina iny dia notendrena ho filohalefitry ny ekipa miasa hanohitra ny vaovam-“betaveta” sy tsy manara-dalàna (an-tserasera).

Niara-nampiaka-peo tamin'i Chang Ping i Laotuzaizi ary nanolo-kevitra fa tokony hisokatra ho amin'ny fitarihan'ny “reny” ny governemanta:

何不将“妈妈评审团”改为“妈妈官员监督团”派下去,派到卫生部、质检总局、工商总局,让她们去像监管网民那样监管部长局长处长那些当官的,准管用。别不放心,老秦不跟你们争权夺利,“妈妈官员监督团”可由全国妇联代行管理。

“妈妈官员监督团”完全可以请些下岗女工、家庭妇女,还能解决不少就业问题。“妈妈官员监督团”比起成立国务院食品安全委员会要更省钱,更实用,更解决问题。一物降一物,官员怕民妇。

Maninona moa ny Neny Mpitsara (Mama Jury) raha ovaina hoe Neny ho amin'ny Fitondrana ny governemanta (Mama for Government Monitor). Andao ny reny no halefa any amin'ny minisiteran'ny fahasalamana, AQSIQ, ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny varotra sy ny orinasa. Avelao izy ireo no ho filohan'ny departemanta, ny birao tahaka ny itarihan'izy ireo ny mpiserasera. Tokony hahomby mihitsy izany. Aza matahotra, fa tsy hifaninana aminareo aho. Avelao ny reny ho eo ambany fanaraha-mason'ny firaisan'ny Fikambanam-behivavy manerana ny firenena. Afaka manofa mpiasa vavy na vady any amin'ny ekipan'ny Reny Mpitarika ianao. Ho voavaha ny ankamaroan'ny olana amin'ny tsy fananan'asa. Sady mora izany nomora tanterahina noho ny fananganana Vaomieram-panjakana  momba ny Fiarovana ara-tsakafo. Samy manana ny fahavalony voajanahary avokoa ny zava-miaina rehetra. Mazava loatra fa ny mampatahotra ny mpiasam-panjakana ambony Shinoa dia ny vehivavy tsotra.

Oiwan Lam

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.