Kroasia: Filoha vaovao – lalana vaovao

Nandray ny fahefana amin'ny mahafiloha fahatelo, misolo ny filoha teo aloha Stjepan Mesić nahavita ny fe-potoana fiasany indroa misesy, ny zoma tamin'ny herinandro lasa teo Atoa Ivo Josipović. Namoaka lahatsoratra lavalava mandrakitra ny famantarana ivelany entin'ny filoha vaovao sy ny karazan-tsakana atrehin’ i Kroasia ny BBC mba hahatafiditra azy ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana amin'ny 2011 na 2012. Saingy, andao aloha hojerena izay lazain'ny mpamaham-bolongana amin'izao fiovam-pitondrana goavana izao izay mifanandrify ihany koa amin'ny nialan'ny Praiminisitra Ivo Sanader tampoka sy nampivoaka azy tanteraka tamin'ny raharaha politika.

Funky Business raha nanoratra (HRV) ny fotoam-panombohan-draharaha:

Tena tiako tokoa ilay lanonam-pianianan'ny filoha vaovao androany. Tena mamelona ny kolontsaina, miaka-danja ary Eoropeana tokoa ny lanonana iray manontolo.

Ny lahatsoratra nialoha io, tamin'ny andro nivoahan'ny valim-pifidianana i  Funky Business no efa nanoratra (HRV):

Nifidy ny rariny i Kroasia, nifidy ny mazava, nifidy ny ampitso tsaratsara kokoa. Nifidy olona nandalim-pianarana, filoha Eoropeana i Kroasia. Nifidy tamim-pahendrena i Kroasia. Tonga ihany lahy!

Somary mailo kokoa ny hafa tahaka an'i fra gavun (fangaro frantsay) nanoratra hoe(HRV):

Faly aho halina fa tsy niantsambotsambotra. Faly fa tsy diso fanantenana, faly satria naharesy lahatra izy.

Mazava loatra fa misy ireo mpanadrohadro tahaka ny sasany amin’ itony fanehoan-kevitra itony (HRV), indrindra fa ity an'i Vidi pisme ove (jereo ity hira ity) ity:

Zava-bita iray ihany izany rehetra izany, fa tsy zavatra hafa…
Voavidy sy namidy avokoa isika rehetra…
mpandray anjara fotsiny ny mpanao politika, izay milalao ny tantara nosoratan'olona…
Tsy nifidy na inona na inona isika, raha tsy hoe te-hijery fampisehoana ianao na tsia,
Izay ihany…

Ary dia nataon'i Dosanjani somary lavalava kokoa izany:

Na dia mbola kely aza aho ka tsy nandray anjara tamin'izany, dia tadidiko ny fifidianana tamin'ny andron'ny Yogoslavia taloha raha notoloran'ny Antoko kandidà isika – amina singa-taratasy dimy na enina mba hahafahanao misafidy izay voafantina. Dia mitovy amin'izany ihany ny ankehitriny.

Goavana ny andraikitra miandry an'i Josipović satria miatrika fitotongana i Kroasia ary be ny tanjona tian'ny firenena hotratrarina mba haham-pikambana azy ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Izay no mahatonga ny Kroaty mbola tsy mazoto miady hevitra loatra fa hijery aloha raha afa-mampiakatra ny fitomboan-karena sy tsara tombina ny fitondrana vaovao.

Miquel Hudin

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.