Haiti: Fisaonana sy fitiavana

Na dia eo aza ny fahasarotana iainan'ny vahoaka Haitiana hiverina amin'ny fiainana andavanandro taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 janoary lasa teo dia nahazo vahana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny andron'ny mpifankatia.

Alterpresse manazava ny fizotry ny fankalazana tamin'ity taona ity [Fr]:

Des milliers de personnes ont encore pris part à des activités religieuses ce 14 février, 3e jour spécial de recueillement, dans le cadre d’un mois de deuil qui prend fin le 17 février, pour les centaines de milliers de disparus du terrible séisme du 12 janvier.

Olona aman'arivony no namonjy fanompoam-pivavahana tamin'ny 14 febroary, andro fahatelo natao hivavahana, ato anatin'ny iray volan'ny fisaonana izay hifarana ny 17 febroary ho avy izao, hahatsiarovana ireo olona aman'aliny maro maty taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 janoary.

Haitipressnetwork mitantara ny hamafin'izany ho an'ireo namoy havan-tiana. Indro anankiray amin'izany, tovovavy iray namoy ny olon-tiany taorian'ny horohorontany ary mipetraka amin'ny trano lay miaraka amin'ny tra-boina ankehitriny [Fr]:

Guerdy Louis, une jeune fille de 19 ans vit un moment amer depuis le 12 janvier. Pourtant sa tristesse tant à augmenter ces derniers jours à l’approche de la fête de la Saint-Valentin, car son petit ami a succombé suite à des blessures subies lors du séisme.

Guerdy Louis, tovovavy 19 taona miaina ny mangidy indrindra hatramin'ny 12 janoary. Nihamafy izany alahelony izany tato ho ato arakaraky ny maha akaiky ny andron'ny mpifankatia, satria maty vokatry ny ratra nahazo azy tamin'ny horohorontany ny olon-tiany.

Ao amin'ity lahatsoratra ity ihany, fantatra fa ao amin'ny toerana misy ny tra-boina, eo amin'ireo tanora anelanelan'ny 20 hatramin'ny 30 taona dia 15% amin'izy ireo no namoy ny olon-tiany nandritra ny horohorontany.

Na izany aza, ny iray volan'ny fisaonana sy ny 3 andro nivavahana, dia tsy nahatakona tanteraka ny andron'ny mpifankatia tsy akory. Aspas Ayisyen mijoro vavolombelona ny amin'ny fijoroan'ireo akanga sisa nanamborana hankalaza ity fety ity ary namoaka sary trano lehibe iray mihaingo ho an'ny andron'ny mpifankatia any Petion Ville, sary nalain'i Liliane Pierre-Paul:

En dépit de la situation catastrophique régnant à Port-au-Prince et du grand désarroi de la population après le choc du 12 janvier 2010, les haïtiens toujours aussi magnanimes et altières célèbrent ce dimanche la saint-valentin.

Na dia eo aza ny toe-draharaham-pikorotanana any Port-au-Prince sy ny fikorotanantsainan'ny olona taorian'ny 12 janoary 2010 dia nankalaza ny andron'ny mpifankatia ireo Haitiana sady antra no toy ny tsy mivaky loha loatra tamin'ity alahadin'ny Saint-Valentin ity.

Alterpresse manamafy ny fahasamihafan'ny fihetseham-po, ary mampahatsiahy fa tsy nankalazain'ny rehetra ity fety ity talohan'iny loza iny:

La douleur ressentie pour la perte d’êtres chers n’a pas totalement effacé la traditionnelle fête de la Saint Valentin, célébrée par certaines catégories urbaines dans un partage de chocolats et de fleurs entres amoureux et amis.

Tsy nahafoana tanteraka ny fankalazana ny andron'ny mpifankatia ny fangirifiriana iainana vokatry ny famoizana olon-tiana, andron'ny mpifankatia izay ankalazain'ny sarangan'olona sasany amin'ny alalan'ny fanomezana sôkôla sy voninkazo eo amin'ireo mpifankatia sy mpinamana.

Tamin'ity taona ity, tany Haiti tahaka ny tany amin'ny toeran-kafa rehetra, dia fanararaotan'ny mpivarotra amoron-dalana sy any an-kafa ity andro ity[Fr]:

Des supermarchés et des magasins spécialisés ont promu des offres spéciales et certains d’entre eux sont restés ouverts au-delà des heures régulières pour satisfaire ou stimuler la demande.

Sur la place Saint Pierre de Pétionville, des vendeurs de fleurs n’ont pas cessé de proposer aux automobilistes et aux passants leurs bouquets de roses parfumées.

Nanao tolotra manokana ireo tranombarotra goavana sy magazay isankarazany ary nisokatra ankoatry ny ora fisokafany mahazatra aza ny sasany hanomezana fahafaham-po sy noho ny fangatahan'ny mpividy.

Eo amin'ny toerana Saint Pierre any Petion Ville dia tsy mijanona mivarotra raozy manim-pofona amin'ny mpitondra fiara sy ireo mpandalo ny mpivarotra voninkazo.

Amin'izao fotoana mikorontana izao dia sarotra ny maneho fitiavana sy fifandraisana eo amin'ny mpifanakatia, kanefa nanao fanadihadihana momba izany indrindra ny Haitipressenetwork ao amin'ity lahatsoratra ity ihany[Fr]:

Pour ce qui des relations intimes, notre enquête a révélé que certains couples font l’amour malgré la promiscuité qui règne dans les camps. En effet, 25 % des personnes interrogées ont affirmé avoir eu des relations sexuelles avec leur partenaire. Cependant 8, soit 40 % indiquent qu’ils ne peuvent pas y arriver alors que 10 % affirment qu’ils n’ont pu communiquer que par téléphone, sans se voir.

Ho an'ny fifandraisana miafina dia milaza ny fanadihadihana fa mbola misy manao firaisana ara-nofo ihany ny mpivady sasany na dia misy olona hafa aza miara-mipetraka aminy ao amin'ny trano lay. 25% amin'ny olona nanontaniana no milaza fa manao firaisana. 8 kosa, izany hoe 40% no milaza fa tsy mahavita ary 10% no milaza fa tsy afaka mifandray amin'ny vadiny afa-tsy amin'ny finday, ary tsy mifankahita tava.

Ilaina ny mifandray amin'ny olon-tiana araka ny notsipihan'ny Alterpresse ao amin'ny famintinana nataony mikasika ny andron'ny mpifankatia any Haiti [Fr]:

Des amis et conjoints ont échangé des messages de Saint-Valentin à travers des SMS sur les cellulaires. « L’événement (du 12 janvier) me rappelle qu’il faut toujours dire aux êtres chers combien nous les aimons », lit-on dans un SMS. « On ne sait jamais ce qui peut arriver demain et il peut être trop tard », ajoute-t-il en soulignant que « ton absence laisserait un vide dans ma vie ».

Mpinamana sy mpivady maro no nifandefa hafatra tamin'ny finday nandritra ny andron'ny mpifankatia. “Mampahatsiahy ahy ny zava-niseho (12 janoary) fa tsy maintsy ambara amin'ny olon-tianao ny fitiavanao azy”, araka ny novakiana tao amin'ny hafatra iray. “Tsy fantatra izay avoaky ny ampitso ary mety ho efa tara loatra”, hoy ihany izy ary notsipihany tsara fa “nametraka fahabangana lehibe teo amin'ny fiainako ny tsy maha eo anao.”

Tsidiho  ny Flickr photostream an'i liliane Pierre-Paul momba an'i Haiti.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.