Okraina: “Raha toa moa ka orinasam-panjakana ny Google…”

Manadrohadro ny asam-panjakana Okrainiana sy ny fahelany amin'ny asany amin'ny alalan'ny lahatsoratra etsy ambany (UKR; Nadikan'ny mpampiasa LJ grosman ho amin'ny teny rosiana ato izany) ny mpampiasa LJ (Live Journal) mipetraka any Lviv dali_bude raha manoratra hoe tahaka ny ahoana tokoa moa no hitranga amin'ny karoka Google raha toa ka orinasa tantanim-panjakana Okrainiana io Google io. Efa nahatratra 60 sahady moa ny fanehoan-kevitra ao amin'io lahatsoratra io, ary maro tamin'ny mpamaky no nahita ilay lahatsoratra hala-tahaka mampihomehy ho tena mampitokelaka tokoa, na dia mampatahotra sy mampalahelo aza – satria manakaiky ny marina tokoa ny voalaza.

Raha toa moa ka orinasam-panjakana ny Google…

- Dia tsy maintsy manao taratasy fangatahana manokana amin'ny karoka izay hatao, amina taratasy manokana fanaovana izany, isaky ny Talata sy ny Alakamisy manomboka amin'ny 9 ora ka hatramin'ny 11 ora maraina, any amin'ny tanàna nisoratanao anarana fa onenanao]. Fa amin'ny fanaovana izany ianao dia tsy maintsy milahatra aorian'olona 30.

- Dia tsy maintsy hita ao amin'ny taratasy fangatahana ataonao ny karoka tianao atao, tahaka izany koa ny daty nahaterahanao, ny adiresy isoratanao anarana, ny adiresin'ny fonenanao amin'izao fotoana izao, ny isan-janaka, ny laharan'ny karapanondro, ny laharan'ny pasipaoronao. Tsy maintsy ampiarahana amin'ny taratasy fangatahana ny saritapaka nalaina tao anatin'ny telovolana (mitovy amin'ny hita ao amin'ny pasipaoronao). Tsy maintsy atao dika telo mitovy amin'ny original ihany koa izany fangatahana izany.

- Dia tsy maintsy ampiarahana amin'ny taratasy fangatahana ihany koa ireto dosie manaraka ireto:

* Taratasy fanamarinana fa tsy mbola voaheloka ianao;
* Taratasy fanamarinana fa tsy ananan'ny Kaominina trosa ianao [dina], ary voamarina ihany koa fa tsy misy trosa intsony momba ny hetram-pampafanàna hatramin'ny 2002;
* Taratasim-pahasalaman-tsaina nomen'ny manampahaizana momba ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina sy nomen'ny psykiathra;
* [taratasy nanaovana fanompoam-pirenena];
* taratasy faneken'ny ray aman-dreny […] sy ny zanaka ampy taona, manamarina fa tsy manohitra ilay karoka ataonao amin'ny aterineto izy ireo; raha manan-janaka tsy ampy taona ianao dia ilaina ihany koa ny faneken'ny birao misahana azy ireo;
* fanapahan-kevitra avy amin'ny manampahaizana ao amin'ny minisiteran'ny atitany, manamarina fa tsy hitondra any amin'ny famoahana ny tsiambaratelom-panjakana ny karoka ataonao (dosie alaina isaky ny sabotsy fahatelon'ny volana isa tsy ankasan'ny taona manomboka amin'ny 4 ka hatramin'ny 4 ora sy sasany folakandro);
* taratasy nomen'ny sampandraharaham-paritra avy amin'ny vaomieram-pirenena mikasika ny fitondran-tena, manamarina fa tsy misy fanompana na fahavetavetana ao anatin'ny karoka izay atao (tsy ekena aloha ny dosie eo amin'ny toerana nisoratanao anarana, noho ny asa fanamboarana izay atao ao);
* taratasim-panamarinana avy amin'ny toera-pitsaboana manambara fa nahavita ny vakisiny rehetra tokony ho natao ianao ary tsy hitondra viriosy hampidi-doza ny karoka ataonao amin'ny aterineto;
* taratasy manamarina fa tsy miandry karoka hafa avy amin'ny [orinasam-panjakana] “Googl'” ianao amin'izao fotoana izao.

- Dia tsy maintsy efa nahaloa ireto sara manaraka ireto ihany koa ianao mialoha ny hametrahanao ny taratasy fangatahana nataonao:

* Ny sara-pikarohana (450 hryvnias) [tokotokony ho $56];
* ny saram-piantohana (8.50 hryvnias) [tokotokony ho $1];
* Adidim-pandraisana anjara tsy maintsy aloa hanatsarana ny ho avin'ny Googl’ (93.11 hryvnias [$11.63], ATAOVY MARINA NY VOLANAO AZAFADY FA TSY MAMERIMBOLA IZAHAY!);

- Ekena ny karoka ataonao rehefa avy manasonia ny Fifanarahana fanampiny ianao, izay hanekenao fa tsy hampiasa tolo-panaovana karoka hafa amin'ny aterineto ianao mandritra ny telo taona nanaovanao ny soniam-pifanarahana. Soniavina eo anatrehan'ny vaditanim-panjakana ny Fifanarahana (ny sara omena ny vaditanim-panjakana dia 150 hryvnias [$18.75]).

- Tsy tokony ho tonga mialoha ny 20 andro fiasana andavanandro ianao haka ny “Fanambarana nomen'ny Aterineto” (fiantso ofisialy ny valin'ny karoka), ary tsy maintsy milahatra toy ny besinimaro ianao amin'ny fakana izany. Horaisinao efa vita pirinty izany (pirinty efa ntaolo be ireny). Noho ny tsy fahampian'ny tetibolam-panjakana dia tsy atao pirinty ny sary nivoaka tao amin'ny karoka natao.

- Raha toa moa mbola tsy ilay nokarohina no hita ao dia miandry 20 andro indray aloha ianao, aorian'izay dia mananjò ianao hamerina indray ny fangatahana hanao karoka.

- Raha toa ianao manana vohikala manokana ary manolotra maimai-poana ny zavatra ataonao, dia , araka ny lalàna faha-666-66 nivoaka tamin'ny 38 Febroary 2010, noho ny fitsipi-panjakana misahana ny politikan'ny aterineto, ary hampiraisana sampan-draharaham-pikarohana sy hahamoramora kokoa ny fanovozam-baovao avy amin'ny aterineto ho an'ny vahoaka Okrainiana, dia tsy maintsy ataonao ny :

* mandefa araka izay haingana indrindra ny zavatra rehetra tianao ampitaina ao amin'ny vohikalanao any amin'ny “Googl’ Okrainiana” amin'ny diskety 3.5 pouce (ny diskety vokarin'ny orinasa tsy miankina “Disketa-Googl'” ihany no azo ekena, ary ny vidin'izany tsirairay dia 25 hryvnias [$3.10]);
* Rehefa voarainao ny taratasim-panekena, dia tsy maintsy fafanao ao anatin'ny dimy andro izay navoakanao rehetra tao amin'ny vohikalanao.

Veronica Khokhlova

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.