Iran: Feon-kira Maitso hanohanana ny Hetsika Fanoherana

Mampiasa fomba maro enti-manohitra ny fanjakàna Iraniana ny Hetsika Maitso (Iraniana mpanohitra). Misy ireo mpitoraka blaogy Iraniana no manolo-kevitra hanovan'ny olona ny feon'ny findainy hanana ny fanenon’ ilay hira ‘Ey Iran’, antemam-bahoaka any Iran, mba hanehoan'izy ireo ny firaisan-kinany amin'ny hetsika fanoherana. Indro misy sombin'izany hira izany:

Oh Iran, ilay firenem-batosoa

Oh, ny taninao no loharanon-javakanto

Ho lavitry ny fisainan-dratsy anie ianao

Ho ela velona mandrakizay anie ianao

Eh ry fahavalo, raha vato ianao, izaho kosa fonjamby

Aoka ho soron'ny fahadiovan'ny tanindrazako ny aiko

Fa ny fitiavanao no iantsoana ahy

Tsy lavitra anao mihitsy ny eritreritro

Ho anao, oviana no hanan-danja ny ainay?

Rezza view dia manoratra [fa]:

Firaisan-kina sy fiaretana no lakilen'ny fandresentsika hatramin'izao. Hira mahafinaritra tsaroantsika rehetra ny Ey Iran oh firenem-batosoa. Andao isika hifidy ny feon'io hira io ho fanenon'ny findaintsika. Any ampianarana, birao, làlana sy anjerimanontolo hahenoantsika io hira tsy ankiato mba hamikirantsika bebe kokoa amin'ny fanatratrarana ny tanjontsika: Iran afaka.

Manoratra i [fa] Fermesk fa ny dingana manaraka ho an'ny Hetsika Maitso dia ny fampirisihana ny olona hanova ny feon'ny findainy ho ilay hira Ey Iran.

Mampatsiahy i Harfehesaby [fa] fa tamin'ny faran'ny ady teo amin'ny Iran sy Iraka dia nanomboka nandefa izany hira izany ny onjam-peo Iraniana, izay nampirisika olona maro handeha am-bava ady ka hiady. Manantena ity mpitoraka blaogy fa ho afaka eo ambany vahohon'ny mpanani-bohitra i Iran amin'ny 22 Bahman (11 Febroary), tsinjerin-taonan'ny Revolisiona Silamo.

Mpitoraka blaogy maro no nametraka ilay hira ho azo henoina ao amin'ny blaogin'izy ireo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.