Global Voices any Haiti: Ny Ekipanay any an-Toerana

Taorian'ny horohorontany ny 12 Janoary izay nanapotika ny faritra atsimon'i Haiti, namory andiana mpandikateny sy mpanoratra vitsivitsy ny Global Voices mba hanao fitateram-baovao amin'ny atsipiriany momba ny vonjy, fanampiana, ary ireo ezaka fanarenana isan-karazany. Iray amin'ireo olana lalovanay anefa dia ny fahavitsian'ny olom-pirenena Haitiana manome vaovao. Vitsy dia vitsy ireo Haitiana no mampiasa fitaovana amin'ny aterineto hizarana vaovao na hevitra amin'ny vahoaka. Nandritra ireo roa herinandro farany teo, ny Global Voices dia niankina indrindra tamin'ny haino aman-jery sosialy (valam-piarahamonina) mivantana sahanin'ireo mahavatra mi-tweet sy mitoraka blaogy manana herin'aratra sy aterineto. Novatsianay koa izany fitateram-baovao izany tamin'ny alalan'ny vaovaon'ireo blaogy sy hafatra amin'ny Twitter avy amin'ireo mpanome fanampiana avy any ivelany sy ireo Fikambanana Tsy Miankina eny an-toerana.

Izahay ato amin'ny Global Voices dia mino fa ilaina maika ny fanamafisana ny fomba fijerin'ireo Haitiana momba ny vonjy sy ny ezaka fanarenana. Làlana iray manan-danja amin'izany ny fampandrosoana ny fihetsiketsehan'ny haino aman-jery avy amin'ny olom-pirenena any Haiti, mba hahazoana alalana amina vaovao sy hevitra bebe kokoa izay mety hisy vokatra tsara eo amin'ny fahatsiarovan-tena, fahalinana, resaka ary fanapahan-kevitra ho an'ireo volana mbola ho avy.

Ho an'izany no nandefasan'i Global Voices ekipan'olon-droa any Port-au-Prince, mba hanampiana ny fanohanana ny fitateram-baovao amin'ny haino aman-jerin'ny olom-pirenena. Ny talen'ny Global Voices Georgia Popplewell sy ilay tompon'andraikitra taloha tao amin'ny teny Frantsay Alice Backer dia niatrika ny zava-nitranga tany an-toerana nandritra ireo enina andro farany teo, mifandray amin'ireo Haitiana amin'ny alalan'ny fitaovana amin'ny haino aman-jerin'ny olom-pirenena, ary mitady ireo hafa manana fahafahana handray anjara sy hanafana ny dindinika amin'ny aterineto, raha mahazo ireo loharano marina izy ireo.

Izy ireo dia samy mandefa fanampim-baovao matetika amin'ny alalan'ny blaogin'izy ireo manokana sy ny Twitter-ny: Georgia ao amin'ny Caribbean Free Radio sy @georgiap, Alice ao amin'ny Kiskeácity sy @kiskeacity. Mamoaka sary ao amin'ny Flickr-ny koa i Georgia. Ary hampiasa ny tatitra ataon'izy ireo izahay hamenoana ny fitateram-baovao ataon'ny Global Voices ao min'ny dinidinika mandeha amin'ny aterineto.

Manazava i Georgia raha manoratra ao amin'ny blaoginy andro vitsivitsy alohan'ny hiaingana ho any Haiti:

Raha jerena ny haben'ny fahasimbàna—sy ny haben'ny fandraisana anjaran'ireo Amerikana amin'ny vonjy sy ny ezaka fanarenana— dia manahy aho fa tsy hanjavona eny amin'ireo pejin'ireo haino aman-jery lehibe tahaka ireo tantara hafa iny horohorontany tany Haiti iny. Nefa ho karazana fitateram-baovao hafa ity, ary iray izay tsy dia mila loatra manasongadina ireo tantara any an-toerana.

Iray amin'ireo tanjona kendrenay indrindra noho izany ny fanasongadinana ny filàna fanandratam-peo any an-toerana sy ny fanondrotana ny fotoana anana'ireo fiaraha-monina voadonan'ny horohorontany mba hohenoina sy ho takatr'ireo miasa sy mitatitra momba ny ezaka fanarenana— vondrona izay ahitàna sampan-draharaha sy haino aman-jery haitiana ary koa mpandraharaha iraisam-pirenena. Tsy mieritreritra izahay fa ho mora izany: Saro-pantarina i Haiti ary tena goavana ny fahasimbàna any amin ‘ilay firenena.

Ny asan'ny Global Voices any Haiti dia tohanan'ireo mpanome fanampiana mahazatra anay sy vatsy ho an'ny vaovao momba ny fanampiana avy amin'ireo fanadihadiana. Mba tsidiho ny pejin'ny Global Voices momba ny horohorontany tany Haiti raha mila fanampim-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.