Maraoka: Mitoraka blaogy momba ny fitorahana blaogy

Ireo Maraokana, toy ny mahazatra, dia mitoraka blaogy, fa amin'ity indray mitoraka ity kosa dia momba ny…fitorahana blaogy! Amin'ity taona ity, loka roa no hatolotra ao amin'ny tontolon'ny blaogy: ny andiany fahatelo amin'ny Fifaninana isan-tanona Blaogin'i Maraoka [Maroc Blog Awards], izay nisarika ny mason'ireo media tato anatin'ny taoana vitsy, ary ny fifaninanana vaovao Loka ho an'ny Blaogy Maraokana Tsara indrindra [Best of Morocco Blog Awards] (na BOMBies). Mbola eo an-dalam-pifidianana kosa ny Loka ho an'ny Balogin'i Maraoka ary mety ho amin'ny herinandro hafa no hotanterahana, raha mbola mitohy kosa ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an'ny BOMBies hatramin'ny 21 Janoary 2010.

“Ianao ve ilay BOMB?”

Ilay mpifaninana indroa voatendry The View from Fez dia manoratra momba ny BOMBies:

Efa nanomboka ny fifidianana ho an'ny Fifaninanana ho an'ny Blaogy Maraokana Mendrika indrindra.  Misy sokajy dimy izy ireo: ny Tsara amin'izy rehetra, ny Fitsidihana [travel], ny Vaovao, ny Kolontsaina, ary ny an'ny Tena Manokana.

Iza no mety hahazo ny loka voalohan'ny BOMBies? Ianao ve ilay BOMB?

Eatbees, Amerikanina mipetraka any Maraoka, manamarika ny firotsahany, ary miteny mikasika ny fitorahana blaogy ao amin'ny tany sy ny fanjakana:

Fony aho nanomboka tamin'ny 2006, dia zara raha nisy  ireo mpitoraka blaogy nanoratra momba an'i Maroka amin'ny teny Anglisy. Amin'izao dia lasa misy blaogy momba ny kolontsaina, ny blaogy miresaka Fitsidihana [travel] , ary ny an'ny Tena Manokana, ireo blaogy mitatitra vaovao sy politika — iarahan'ireo Marokanina sy ireo hafa tia an'ny Maroka.

The Good Life in Morocco sy The Elephant Cloud koa dia nitoraka blaogy momba ny fahatafidiran'izy ireo ao amin'ny BOMBie.

The logo of the Maroc Blog Awards (which reads "Maroc Blog Awards: an annual online event" in French and Arabic)

The logo of the Maroc Blog Awards (which reads “Maroc Blog Awards: an annual online event” in French and Arabic)

Ny Fifaninanana Blaogin'i Maraoka

Robin des Blogs no nibata ny fandresena tamin'ny taona lasa tamin'ny sokajy  “Blaogin'ny taona ” tamin'ny Fifaninanana Blaogin'i Maraoka.   Amin'ity taona ity, dia mbola voafantina indray izy; miresaka momba ity voninahitra lehibe ity , dia hoy izy[fr]:

Je suis reconnaissant à tous ceux et celles qui ont voté pour moi l’année dernière, et ceux qui ont l’intention de le faire cette année aussi. Ce témoignage d’amour est une fierté pour moi, car il s’agit d’abord d’amour et non de compétition, puisque ceux qui nous choisissent nous rendent une partie de ce qu’on a partagé avec eux, dans un geste de reconnaissance.

Mankasitraka ireo rehetra izay nifidy ahy tamin'ny taona lasa aho , ary ireo izay mbola mikasa ny hanao izany amin'ity taona ity ihany koa. Mampirehareha ahy izany porofom-pitiavana lehibe izany, satria mikasika ny fitiavana ity fa tsy fifaninanana akory, satria mamerina amintsika amim-pakasitrahana ny sasany amin'ireo zavatra nozaraintsika tamin'izy ireo  izay nifidy antsika.

Eljadida.com sy Blogipedia, etsy andanin'izany, dia mitoraka blaogy momba ny nahatafiditra azy ireo ao amin'ny Fifaninanana Blaogin'i Maraoka.

Ny mendrika no aoka handresy!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.