Sary mihetsika: Antso vonjy ho an'i Perou Atsimo tratran'ny tondra-drano

rio urubamba rage by Carlos Jose Rey of Living in Peru, used with permissionfahatezeran'i rio urubamba avy amin'i Carlos Jose Rey ao amin'ny Living in Peru, nahazoana alàlana

Nahatonga ny mponina any Cusco sy ny manodidina azy any Perou hihetsika handefa sarimihetsika tamin'ny web ny trangam-pahamehana misy any aminy, miezaka izy ireo hanaitra ny fampahalalam-baovao rehetra hijery ny loza iainan'ireo mponina any an-toerana izay tsy manana trano fonenana, mitoka-monina sady tsy misy sakafo, tsy misy rano ary tsy misy herinaratra.

Oscarpucha nandefa sarimihetsika nalaina teny ambony fiarandalamby niverina avy any Machu Picchi: ity fiarandalamby nandehanana ity no farany niainga avy any Inca, talohan'ny orana, niakatra be ny rano ka tsy afaka nitondra nitondra olona maro niala ny tanànan'i Aguas Calientes, tao Machu Picchi sy tany Cusco. Ao amin'ny sary mihetsika no hahitanao ny fanonjan'ny reniranoka na dia ny olona mahay rano aza sahirana.

Multimediantonio, namoaka sarimihetsika lava nalefa tao amin'ny fahitalavitra an'ny faritra ao Cusco, mampiseho amintsika ny fahavoazana mihatra amin'ny trano vitsivitsy, izay tsy vitan'ny feno fotaka fotsiny, fa hatramin'ny menaka maloto no mandrakotra ny tany.

Avy any Urubamba, tanàna akaikin'i Cusco, Mamaderodriguin nandefa sary mihetsika mampiseho ny fohoaran'ny rano ary manazava fa simba noho izany ilay tora-pasika fitsangatsanganana vao notokanana vao haingana. Tafahitsoka ao amin'ny toerana fijerena baolina ny mponina nandritra izay fotoana izay, ary amin'izao fotoana izao dia misy sary mihetsika vao hatao, tsy misy trano lay atoriana, ary miaraka amin'ny oram-be nandritra ny andro maromaro sy ny orana amin'ny volana febroary mbola ho avy dia mila trana fialofana izy ireo. Azonao jerena ity sary mihetsika manaraka ity sy ireo hafa koa hahitanao ny fahavoazana tany Urubamba ao amin'ny YouTube.

Ao amin'ity sary mihetsika manaraka ity, Zenobia Valencia miresaka amin'i Mayten Sanchez any Cusco, miresaka ny halehiben'ny fahavoazana vokatry ny renirano manakaiky ny tanànan'i Huacarpay any Lucre. Ao amin'ny tanànany, trano nentin-drazana daholo ny ankamaroan'ny trano fa tsy misy trano biriky ary tombanany ho ny 98% ny trano no ho rava sy hirodana ato anatin'ny andro vitsivitsy. Ao amin'ny antsony mitady vonjy dia mangataka bodofotsy izy, sakafo mbola tsy lany daty, rano, fitaovana fidiovana sy trano lay. Ms Sanchez no manamarika fa izy mihitsy no handeha hanangona fanampiana ary hanatitra izany ao amin'ireo vondrona miahy ny mahaolona izay ahitana mpitsabo iray, mpitsabo mpanampy roa, jeoljista iray ary injeniera iray. nandefa sary koa izy, izay nasehon'i Mayten ao amin'ny bilaoginy, milaza ny fahavoazana goavana nateraky ny renirano.

Raha ho an'i Mayten, efa matihanina amin'ny fanaovana zavatra tahaka izao izy, ary ity sary mihetsika manaraka ity mampiseho ny fanampiana nataony tany Chincha, Pero, tamin'ny horohoron-tany tamin'ny taona 2007, nanampy nanarina ny fahavoazana izay tahaka ny hoe mpilatsaka an-tsitrapo, mpitsabo, mpitsabo mpanampy ary mpampianatra izay nanagana lakozia fandrahoana lasopy maromaro, sekoly vonjy maika, trano, namatsy entana ireo mpivarotra mila izany, fanampiana ara-pitsaboana sy ny mitovy aminy rehetra. ny sasany amin'ireny aza mbola am-perinasa ankehitriny ary mbola ampian'ireo fikambanan'ny mpilatsaka an-tsitrapo Mayten's House, mbola manolo-tanana an'i Chincha izy ireo, na dia efa tsy nilaza vaovao mikasika ny momba azy ireo intsony aza ny fampahalalam-baovao taorian'ny horohoron-tany. Araho ity sary mihetsika ity fa mampiseho ny tantaran'i Mayten's House:

Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.