Etiopia: miaro ny kaompaniam-pitaterana Etiopiana taorian'ny fianjeran'ny fiaramanidina ny mpitoraka bilaogy

Niolomay niaro ny kaompaniam-pitaterana an'habakabaka an'ny fanjakana Etiopiana ny mpitoraka biloagy taorian'ny nianjeran'ny fiaramanidina iray tany akaikin'i Beiruth, fiaramanidina nitondra olona 90 ka maty avokoa izy rehetra.

Owen Abroad nilaza fa “tena nalahelo” tamin'ny vaovao navoaka mikasika ny fitaterana an'habakabaka etiopiana Ethiopian Airlines izy, hoy izy:

Tena miavaka ny fiarovana ao amin'ny kaompaniam-pitaterana an'habakabaka etiopiana. Matihanina ny mpiasa, mahalala fomba sady tena mahomby. Handeha ho any Addis avy aty UK aho izao amin'ny zoma ho avy izao ary hiaraka amin'ny fiaramanidina an'ny kaompania etiopiana, ary na dia eo aza iny loza iny dia tsy andriko izay handehanako.

Miombon-kevitra ny mpaneho hevitra iray, ka nanoratra:

Efa mpandeha miaraka amin-dry zareo foana aho hatrizay ary tsy mbola nisy mihitsy ny fahatsiarovana ratsy. Tena tsara be ny azy ny fanoloana daty handehanana raha mihoatra amin'ny kaompania hafa.

Fanehoana tsy fahafaliana roa manoloana ny vaovao any UK

Vantany vao nolazaina tamin'ny vaovao ny fianjerana dia notenenina tao fa nisy Britanika 2, Kanadiana 1 ary Frantsay 1 tao anaty fiaramanidina. Izany hoe tsy notenenina / tsy noraharahiana ireo terantany hafa.

Ny faharoa: nametrahana fanontaniana tsy an-kiato ny tompon'andraikitry ny fiarovana mikasika ny fiarovana amin'ny fitaterana an'habakabaka aty Afrika, ary voatery mamaly fanontaniana marobe mikasika ny kalitaon'ny fiarovana an'ny fiaramanidina etiopiana (indrindra ny taonan'ny fiaramanidina). Ohatry ny tsy tsaroako hoe nametrahana fanontaniana tahaka izany ry zareo Frantsay taorian'ny nianjeran'ny fiaramanidina Air France tamin'ny herintaona.

Manoratra i Reuter mpifandray amin'i Barry Malone ao amin'ny Africa News Blog, mitondra ny lohanteny hoe “Tsy tokony hanaloka ny fandrosoana ny fianjeran'ny fiaramanidina etiopiana”:

Raha vao henoko ny vaovao mikasika ny fianjeran'ny fiaramanidina etiopiana tamin'ny maraina dia nalahelo be ny foko satria tantara ratsy ho an'i Etiopia indrayizay.

Tena zavatra tsy tantin'ny Etiopiana izany satria ity kaompaniam-pitaterana an'habakabaka ity no mba hany zavatra mahomby any an-toerana ankoatry ny kere sy ny ady.

Vao re ilay vaovao dia fantatro ny hamafin'ny fandrenesana izany teo amin'ireo mpiasan'ny kaompania. Tany amin'ny toerana nampiasaina ho foibe misy ny fanevan'ny kaompaniam-pitaterana an'habakabaka im-betsaka aho. Ny farany nadehanako tany, vao tamin'ny herinandro, dia nanao fanadihadihana tamin'ny CEO Girma Wake, nandao ilay toerana niaraka tamin'ny kafe etiopiana aho, fahatsiarovana tsara iny, ary tsapako fa mahalana aho no mahita olona tena tia sy mirehareha amin'ny asany sady ataony ho an'ny tanindrazany tahaka azy ireo.

Nazret.com manome vaovao farany rehetra mikasika ny fianjerana sy ny fivoaran'ny toe-draharaha.

Andrew Heavens

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.