Haiti: Manavotra ny velona, Mitady ny tsy hita

Ireto misy tambajotra sy tahirin-kevitra vitsivitsy eto amin'ny aterineto  izay netsehina tato anatin'ny  andro vitsivitsy hanampiana ireo fianakaviana avy any ivelan'ny faritra hitady ny havany sy handefasana mivantana ireo fanampiana vonjitaitra ho any amin'ireo niharam-boina, izay maro no mbola tototra any ambanin'ny tranon'izy ireo izay nirodana.

Ny Kômity iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena dia manana  angom-baovao lehibe tokoa mipetraka amin'ny aterineto momba ireo tsy hita na namana izany na havana.

Ireo fikambanana haino amanjerim-baovao lehibe toy ny New York Times sy CNN, ary koa ny Google, dia efa nametraka angom-baovao toy izany koa momba ireo olona tsy hita. Misy vohikala antsoina hoe Haiti Earthquake Support Center miketrika fitaovana iray ahafahan'ireo mpilatsaka an-tsitrapo manampy ny fampitoviana ireo tarehy mipoitra amin'ireo sary mandeha amin'ny vaovao sy ireo tarehin'ireo olona tsy hita.

Ilay vondrona ao amin'ny Facebook, EARTHQUAKE HAITI, izao dia efa manana mpikambana maherin'ny 150 000 sy  sary maherin'ny 4,000 navoakan'ireo fianakaviana mitady ny hava-malalany.

Ushahidi koa,  izay nahitàna fiantraikany lehibe tokoa nandritry ny olana ara-pifidianana tany Kenya,  dia miezaka manome vaovao isam-paritra momba ny olana, isan'izany ny tatitra maro momba ireo olona tsy hita, vaovao momba ireo tranobe nirodana, ary ny toetoetr'ireo làlana.

Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra #relativesinhaiti no ampiasain'ireo Haitiana any ampitan-dranomasina izay mbola miezaka ny mitady ireo fianakaviany tsy hita. Etsy an-kilany, #rescuemehaiti no ampiasaina ho an'ireo fitadiavana mivantana sy ezaka famonjena ho an'ireo adiresy voafaritra manodidina an'i Port-au-Prince izay fantatra fa mbola misy olona velona voatototra any ambanin'ireo trano nirodana ireo:

Christopher Frecynet mbola velona. Henon-dry zareo nihiakiaka izy. 64 Làlana Nord Alexis. Antsoy cousin Daphney 509-39046983

63 no mbola velona any an-tsena Carribean. nandefa sms ireo sisa velona mba hahafahantsika manampy. MIANGAVY, MBA AMPAHAFANTARO NY OLONA

Heloise Boyer dia voatototra ao ambanin'ny tranony #40 Làlana O, Turgeau.

MILA FANAMPIANA ! Mihiakiaka miantso ireo izay afaka hanampy azy ireo hivoaka ireo izay sisa velona  ao ambanin'ny Kolejy Canapé Vert…

Latitude: 18°31′25.74″N Longitude: 72°16′28.25″W #bresma #Haiti Mila sakafo sy rano maika ho an'ny olona 150 eo ho eo izahay,  IZAO DIENY IZAO

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.