Madagasikara: Fandrahonana vaovao mahazo ny Fiangonana Protestanta sy ny Fahalalahana miteny

Mbola voamariky ny fihetsiketseham-panoherana ihany ny fanombohan'ny taona teto Madagasikara ary dia mbola voaenjika sy sotasotaina koa ireo izay heverina ho akaiky ny fitondrana teo aloha nandritra ny nitondran'i Marc Ravalomanana, ka ao anatin'izany ny mpanao gazety maro sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara.

Hoy ny VOA:

“Security forces in Madagascar used tear gas to break up opposition marchers in the capital, Antananarivo, on Wednesday.

The protesters were marching to the presidential palace to deliver a letter to military-backed leader Andry Rajoelina. The letter asked Mr. Rajoelina if he still supports reconciliation as a way to end the country's political turmoil.”

Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso handravana ny fihetsiketsehana an-dalamben'ny mpanohitra tao an-drenivohitra, Antananarivo ny mpitandro ny filaminana tamin'ny alarobia.Handeha ho any amin'ny Lapan'Ambohitsorohitra hanatitra taratasy ho an'ny filoha tohanan'ny miaramila Andry Rajoelina ny mpanohitra. Manontany an'Atoa Rajoelina ny taratasy raha mbola manohana ny fampihavanana ho lalana hamaranana ny hotakotaka ara-politika mianjady amin'ny firenena izy.

Nosamborina ny mpanao gazety roa avy amin'ny Radio Fahazavana, Lôlô Ratsimba sy Didier Ravoahangiarison. Fampielezam-peo akaiky ny FJKM, Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara, izay manakaiky kokoa ny Presbyteriana ny Radio Fahazavana. Filoha Lefitry ny FJKM ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, Fifanakaikezana izay nampanahy ny sasany sy notsikerain'ny mpanohitra an-d Ravalomanana ho mandika ny fisarahan'ny fiangonana sy ny fanjakana izany.

Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny mpanao gazety hafa, Jaona Raoly. Voampanga ho mpiray tsikombakomba tamin'ny fiokoana miaramila nandamoka nandritra ny maraimben'ny 29 desambra kosa i Lôlô Ratsimba sy i Didier Ravoahangiarison. Mitantara ny fisamborana ny zorom-baovao antseraseran'ny Moov :

“Accusé de complicité avec les auteurs de la mutinerie au RAS (Régiment d'Appui et de Soutien), on reproche à Lôlô Ratsimba d'être le premier et le seul journaliste à avoir été présent à Ampahibe le 29 décembre au petit matin, c'est à dire au moment des faits. Le journaliste a nié jusqu'au bout son inculpation. « D'abord, j'étais arrivé à Ampahibe ce 29 décembre à 5h30 du matin et non à 4h. Ensuite, Si je me suis rendu sur les lieux, c'est parce qu'un auditeur de la radio Fahazavana qui habite aux alentours d'Ampahibe, m'a informé de l'existence de la mutinerie. (…) Quant à Didier Ravoahangiarison, qui n'est autre que le directeur de la radio Fahazavana, il est accusé de ne pas avoir prévenu les forces de l'ordre alors qu'il aurait été au courant de tout, bien avant les faits…”

“Voampanga ho mpiray tsikombakomba tamin'ireo nioko tao amin'ny RAS, ny nanakianana an'i Lolo Ratsimba dia ny nahatongavany voalohany ary izy irery no tonga tany Ampahibe ny maraimben'ny 29 Desambra, izany hoe nandritra ny vanim-potoana nisian'ny trangan-javatra. Nolavin'ny mpanao gazety hatramin'ny farany moa izany fiampangana izany. “Voalohany, tamin'ny 5 sy sasany no nahatongavako teny Ampahibe tamin'ny 29 desambra fa tsy tamin'ny 4 ora maraina. Faharoa, tonga teny aho noho ny antso nataona mpihainoiray izay monina eny amin'ny manodidina an'Ampahibe, izay nampahalala ahy ny fisian'ny fiokoanaI came there, because a listener of radio Fahazavana who lives in the surroundings of Ampahibe had informed me of the mutin.”…Raha ny amin'i Didier Ravoahangiarison, talen'ny radio Fahazavana, kosa indray, ny iampangan'ny fitondrana azy dia ny tsy nilazany tamin'ny mpitandro ny filaminana ny zavatra hiseho nefa efa fantany mialoha avokoa izany.”

Nisy namoaka tany amin'ny dinika ny taratasy nosoratan'ny mpitandrina Rasendrahasina, filohan'ny FJKM. Tao no nanoratan-d Rasendrahasina ny fanahiany fa manenjika ny fiangonana ny fitondrana Andry Rajoelina. Nanao sesintany vetivety ny tenany tany Etazonia ny Mpitandrina Rasendrahasina reheva voaongana Ravalomanana.

“People think I'm kind of his adviser. They took me as a kind of hostage,” he said. “I had to move from place to place (after my release). I didn't sleep at home. So we decided to get away from the country for awhile.”

“Mihevitra ny olona fa mpanolo-tsainany aho. Nataony toy ny takalon'aina aho,” hoy ny nambarany. “tsy maintsy nifindrafindra toerana aho (taorian'ny namotsorana ahy)” . Tsy natory tany an-trano intsony aho. Izany no nanapahanay hevitra hisintaka ny tanindrazana aloha.”

Efa niverina eto Madagasikara izy ankehitriny. Ary toy izao ny fivakin'ny taratasiny:

“The detention of the FJKM journalists follows a long series of actions taken against Radio Fahazavana by the HAT coup d’etat government, including the kidnapping and holding as a hostage of Mr. Ravohangiharison’s wife for about 48 hours on 25 June 2009 to get her husband to turn himself in to the gendarmerie for questioning. The HAT government recently prevented Lolo Ratsimba from returning to Madagascar from a meeting in Maputo and then from Johannesburg. Recently, on 21 December, the HAT minister of communications ordered Radio Fahazavana to take its news and call-in programs off the air for a month. (…)

A number of pastors have decided to speak out against injustice. On December 28, they held an ecumenical worship service calling for justice and denouncing human rights violations and persecution of the church. Several pastors who took part have been slandered in pro-HAT press and are on alert in case action is taken against them. This same group of pastors is planning to have a similar worship service tomorrow 9 January. Didier Ravohangiharison was to have testified about the persecution of Radio Fahazavana at this worship service.”

Tohin'ny fepetra fisotasotana ny Radio Fahazavana avy amin'ny fanonganam-panjakana nataon'ny FAT ihany ny fanagadrana ny mpanao gazetin'ny FJKM, ary ao anatin'izany ny fakana sy fitazonana an-keriny ny vadin'Atoa Ravohangiharison tao anatin'ny 48 ora tamin'ny 25 jona 2009 hanerena azy hanatona ny tobin'ny zandarimaria ho hadihadiana. Vao nanakana ny hitodihan'i Lolo Ratsimba tsy hody an-tanindrazana avy tany amin'ny fihaonan'i Maputo ary avy eo tany Johannesbourg moa ny fitondrana FAT. Ary vao tamin'ny 21 desambra teo indray ny minisitry ny serasera FAT no nampiantona ny vaovaon'ny Radio Fahazavana tsy hivoaka mandritra ny iray volana. (…)

Maro tamin'ny mpitondra fivavahana ary no nanapa-kevitra ny hihiaka manoloana ny tsy-rariny. Nanao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana izy ireo hitakiana ny rariny sy hanamelohana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fanenjehana ny fiangonana. Notsiratsirain'ny mpanao gazety mpanohana ny FAT ny ankamaroan'ireo mpitondra fivavahana ireo ary nampitandremany fa hisy fepetra horaisina ny amin'izy ireo. Efa nanomana fotoam-pivavahana mitovy tamin'ny teo aloha ihany moa ireo hetsiky ny mpitondra fivavahana ireo. Saiky hijoro vavolombelona amin'ny fisian'ny fanenjehana ny Radio Fahazavana moa Atoa Didier Ravohangiharison mandritra io fotoam-pivavahana io.

Nikarakara fotoam-pivavahana izay maro mpanatrika ny fiangonana omaly. Sary avy amin'ny vohikala pro-Ravalomanana Collectif GTT.

Antsahamanitra Religious ServiceFotoam-Pivavahana tao Antsahamanitra

Araka ny notaterin'i Avylavitra:

“Hita nanatrika ny fotoana teny Antsahamanitra androany ny mpanao politika toa an-dry Mamy Rakotoarivelo sy Rabetsitonta.
Marobe ny olona tonga nanatrika ny fotoana, ary saiky ireo mpomba ny filoha teo aloha Ravalomanana no nameno ny kianjan’Antsahamanitra “

Misy indray ny mieritreritra raha voasazy noho ny nifanakaikezany tamin'ny filoha teo aloha Ravalomanana ny fiangonana. Manana izany famakafakana izany ny Tananews:

“L’Eglise de Jesus Christ à Madagascar (FJKM) commence à payer cher sa trop grande « proximité » avec l’ancien Président Marc Ravalomanana. La FJKM a ainsi vu passer l’année 2009 avec son Président Lala Rasendrahasina molesté à Antanimena, ses églises cambriolées et dépouillées, ses prêtres menacés, des menaces et des rumeurs de fermetures de certaines églises, la censure de l’émission « Ampejika » sur la Radio Fahazavana, proche de la FJKM et enfin cerise sur le gâteau, l’assujettissement de la FJKM à l’impôt sur le bénéfice des sociétés (IBS) à 23%. La FJKM semble s’être faite beaucoup d’ennemis sous les années Marc Ravalomanana et semble payer cher sa (trop grande?) implication dans la politique nationale. La laïcité de l’État de nouveau à l’ordre du jour ?”

“Manomboka mifotitra amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny fifandraisany “akaiky” tamin'ny filoha teo aloha Ravalomanana. Nahita ny filohany voakasin-tanana nandritra iny taona 2009 iny ny FJKM, teo koa ny fiangonana voaroba sy vaky, ny mpitandrina nahazo fandrahonana, Fandrahonana sy siosion-dresaka hanakatonana ny fiangonana sasany, ny sivana nihatra tamin'ny fandaharana “Ampejika” ao amin'ny radio Fahazavana, akaiky ny FJKM, ary ambonin'izany rehetra izany ny fampandoavana hetra avy amin'ny tombombarotry ny tranombarotra 23% ny FJKM. Tahaka ny nahazo fahavalo maro ny FJKM nandritra ny fitondran'i Marc Ravalomanana ary dia novidiany lafo ny nidirany (lalina) tamin'ny politikam-pirenena. Mbola horesahina ihany ve ny mahalahika ny fanjakana? ”
FJKM service of January 09 2010 Fotoanan'ny FJKM 09 Janoary 2010 avy amin'ny http://collectif-gtt.org/

Tamin'iny 2009 iny moa dia niezaka ny hanelanelana an-d Ravalomanana sy Rajoelina ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. Maro ny fanelanelanana nahomby nataon'ny Fiombonana hatramin'ny 1980 noho ny nananany fahefana maoraly sy ara-pivavahana. Tamin'ity indray mitoraka ity kosa, na dia maro aza ny tapatapak'ahitra nifanaovana, dia lasa endrik'i Madagasikara voazarazara ity Fiombonana ity, nalemy sy nitongilana (Jereo ny resaky ny Mgr Razanakolona tao amin'ny Radio Vaticana).

Mialy Andriamananjara

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.