Iran: tolona iraniana tohanan'ny mpiserasera shinoa

CN4IranlogoHatramin'ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny fitondrana islamika tany Iran nandritra ny fankalazana ny Ashura, dia mpiserasera Shinoa ampolony ny niditra tao amin'ny valam-piaraha-monina Twitter #iranelection. Ary dia nampiany hashtag vaovao, #CN4Iran, izany sy vohikala vaovao hanohanana ny tolon'ny vahoaka Iraniana, mitondra ny anarana hoe CN4Iran.org. Niresaka tamin'ny iray amin'ireo mpiserasera nanangana izao hevitra izao ny Global Voices.

Taiza ary oviana no nanangananareo ny vohikalanareo ary inona no tanjona lehibe tratrariny?

Natsanganay tamin'ny 28 desambra 2009 ny vohikalanay ary ampiatranoan'ny Dreamhost.com (Etazonia). Ny tanjonay dia ny hanohananay ny vahoaka Iraniana mitolona ny hisian'ny fahalalahana sy ny demaokrasia, mianatra ny ataon'izy ireo ary mampiely ny traikefan'izy ireo ho an'ny vahgoaka Shinoa.

Azavao aminay azafady hoe iza avy ianareo no mandray anjara ao, ary misy fikambanana manohana anareo ve?

I CaoTaMaDe (solonanarana) no namorona, misy webmasters sy mpanolotena ato aminay. Azonao jerena ao amin'ny Cn4Iran ny antsipirian'ny zavatra tianareo ho fantatra. Hatramin'izao aloha dia TSY misy fikambanana manohana anay.

Manam-pifandraisana amin'ny mpiserasera Iraniana ve ianareo? Aiza ny loharanombaovaonareo ary iza no kandrenareo hampielezana ny vaovao?

Ny Iraniana vitsivitsy no arahinay [ao amin'ny Twitter]. Indray indray izahay no mandefa hafatra toy ny hoe: Manao ahoana ny fahasalamana? Misaotra anareo. Ny tena loharanombaovaonay moa dia ny mpampiasa Twitter famakianay ihany, tahaka ny @persian2english, @oxfordgirl, @oli2be, @tehranweekly. Manangom-baovao avy amin'ny media iraisam-pirenena ihany koa izahay CNN.com ohatra. Ny kendrenay hamaky ny vaovao aloha dia ny mpiserasera Shinoa ao amin'ny twitter.com voalohany, avy eo ny mpiserasera Shinoa mamaky ny vaovao avoakanay. Mba misy ihany koa indraindray ny mpamaky avy amin'ny lafivalon'ny tany, ary dia manome ny hevitra mivoaka avy amin'ny aterineto any Shina izahay (amin'ny alalan'ny fandikanay ny vaovao amin'ny teny Shinoa ho amin'ny teny Anglisy).

Mahita fitoviana eo amin'ny sivana Shinoa sy Iraniana ve ianareo? Manao ahoana ny fahazotoana miserasera?

Fantatray fa maro ny vohikala sakanan'ny fitondrana iraniana tsy hivoaka, izay mitovy amin'ny any Shina ihany. Mieritreritra koa aho fa misy fomba fanakanan-dry zareo vaovao amin'ny alalan'ny teny karohina ihany koa, tahaka ny Rindrim-ben'i Shina ihany (Great Firewall (GFW)). Maro izany ny toe-javatra iraisan'i Iran sy Shina e!

Momba ny fahazotoana miserasra indray, azoko heverina fa azoihafiana ihany. Na izany aza dia mihahenjana ny sivana apetraky ny fitondrana. Manantena izahay fa hamoaka ny heviny (Feony) manokana ny olona avy amin'ny sehatra samihafa, na dia somary mitabataba ihany aza, dia tsy maintsy heno izany. Manantena ihany koa izahay fa ho maro kokoa ny mpandray anjara, ny fiaraha-miasa any Shina, eny na manerantany aza no iresahana mba hahatrarana ny tanjona araka izay haingana indirndra. Twitter.com no nahamora ny fiarahana, fiatombohana sy safidy tsara izany.

Manao ahoana ny setriny avy amin'ny mpamaky?

Maro tokoa ny valinteny voarainay, tahaka ny fanampiana anay hanatsara kokoa ny sary fanohanana ny vahoaka Iraniana, sy ny fanampiana anay handika ny (vaovao) teny anglisy ho amin'ny teny Shinoa. Fa ny tena ahitana setriny betsaka dia ny RT ao amin'ny twitter.com.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.