Ejipta: Fanentanana “Mitenena”

Raha miomana fatratra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin'ny taona 2011 i Ejipta dia misy andian'olona ao amin'ny tontolon'ny bilaogy manao fanentanana mampirisika ny olona hino fa afaka manova izy ireo ary afaka miteny amin'ny alalan'ny latsa-bato hataony.
Izay no antony nahatonga ny fanentanana “Mitenena”, nanomboka azy i  Ghada Abdel AalSherif Abdel AzizMarianne Ngui HannaEnas LotfyHany George ary ny talen'izy ireo Amr Salama tamin'ny fanaovana horonan-tsary mihetsika ho fanohanana ity fanentanana ity, avy eo hanao fanentanana ao amin'ny Facebook mialoha ny hanaparitahana azy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy.
Bothayna, anankiray amin'ireo mpanatanteraka ity fanentanana ity no manoratra ao amin'ny bilaoginy:

الحملة التي يقوم بها مجموعة من المدونين تطالب بأن يكون لك صوت .. لا يهم لمن ستتوجه بتأييدك وأي تيار سياسي تتبع ولكنها تدعو أن تمتلك الحق ‏في قول رأيك وأن تبادر باستخراج بطاقة انتخابية قبل انتهاء يناير من هذا العام .. وهي حملة تستحق كل تقدير واحترام من القائمين عليها وتستحق أن تتوقف لحظة وتتسائل : لماذا استهين بصوتي ..

Ity fanentanana ity, natomboky ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy, mangataka anao hiteny, dia tsy mijery antoko politika hofidianao akory. Miantso anao izy hampiasa ny zonao. Miantso anao izy handeha hanamboatra kara-pifidianana mialohan'ny faran'ny volana janoary. Mendrika ny hajaina ity fanentanana ity miaraka amin'ireo olona miasa ao aminy. Mampiertreritra anao koa izy na dia iray minitra monja aza hanontany tena: Nahoana moa aho no hanambany ny feoko?
One of the logos used for the campaign, done by Egyptian blogger Tantawi.Iray amin'ny faneva entina manentana nataon'i Tantawi.

Ehssan manoratra ao amin'ny bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Raha samy haka fahazoan-dalana hifindra monina ihany, aleoko manamboatra kara-pifidianana”:

ولأنه نقسى تكون 2010 بداية فى كل حاجة ومش زى اللى قبلها أجسام مبتورة ناقصها دايما حاجة ، حسيت أن الإنتخابات اللى هتبقى بعد سنة فرصة فى إيد كل واحد أنه يعمل حاجة بدل ما يقضيها تنظير وفزلكة و يرمى كل الخيبة اللى أحنا فيها على شماعة البلد الزفت اللى مش هتنفع وهتبقى الصومال قريب ……. يمكن لو حطينا أمل كبير قوى على الانتخابات نبقى غلطانين لأنه هى مش العصا السحرية اللى هتقلب مصر لسندريلا لكن بدل ما تقضل البلد زى ماهى فى دايرة الشكوى يبقى نبقى عملنا حاجة ممكن نمسح بيه التراب اللى غطى البلد وخنقها ، زى ما كل واحد بيقكر قى تأشيرة يسيب بيها البلد ويهرب من المجارى دى طيب مش قى سكته يطلع بطاقة إنتخابية ويكتب إسم مرشح شايف فيه أنه يقدر يعمل حاجة ..

Satria manofy aho fa ny taona 2010 dia ho fanombohana vaovao, ary tsy hitovy amin'ny taon-dasa rehetra izay misy zavatra tsy ampy foana; matoky aho fa ny fifidianana amin'ny herintaona dia tena ho vintana tsara ho antsika hanaovana zavatra tsara, toy izay hitomany ny zavatra ratsy hiainantsika ankehitriny. Tsy mila mametraka fitokisana betsaka amin'ny fifidianana ho avy isika, satria tsy hazo kely mpanao fahagagana akory izany ka hanova an'i Ejipta ho lasa Mpanjakavavy. Kanefa raha samy hamela ny firenena ho amin'ny toeran amisy azy ankehitriny ihany, sady hitsikera foana…dia afaka manao zavatra tsara isika hanadiovana ny vovoka mandrakotra antsika sady manempotra ny firenentsika. Raha samy mieritreritra ny hifindra monina ihany, hitsoaka ny zava-misy…dia miangavy izahay, aleo manamboatra kara-pifidianana, ary mifidy izay olona eritreretinao fa hanao zavatra tsara.

Anankiray amin'ireo mpanorina ny fanentanana, Sherif AbdElAziz no manazava ny antony nahatonga azy hikarakara ity fanentanana ity, sy ny niatombohan'ny hevitra:

اشتغلنا كثير في حملات حقوق من كل نوع واشتغلنا علي الثقافة السائدة وحاولنا نغير فيها ، بس لما يجي وقت الانتخاب مبقاش ينفع الفرجة من بعيد ولا النقد بتاع الكسلانين …المرة دي …لازم انزل الشارع واروح المقر الانتخابي واقول رايي ايه في اي انتخابات جاية ومش كدة كمان ، انا لازم اخد معايا اكبر عدد ممكن واقنع ناس كثيرة قوي  المرة دي بالذات –واحنا لسة شباب – مبقاش ينفع استني الانقاذ من السماء ولا ان الاجيال اللي جاية تصحي وتنام في اللي هيا فيه ..عشان كدة انا اخترت يكون ليا صوت ، وعشان كدة انا شاركت في الفيديو الرائع اللي اخرجه المخرج الصديق عمرو سلامة وعشان كدة لمينا بعضنا – شوية مدونين – ومن خاطرة بدأت عند غادة عبد العال صاحبة مدونة عاوز اتجوز ، تحولت الي فكرة، واخدنا الفكرة ورحنا بيها لعمرو وعمرو اقتنع وبلورها وجاب فكرة الفيديو بشكل جميل ومعبر وشاركت انا وكام مدون ومدونة في التمثيل داخل الفيديو بدون منصرف قرش واحد

Miasa mafy ho an'ny fanentanana manohana ny zon'olombelona izahay. Miasa koa ho an'ny fanentanana hanovana ny fomba amam-panao. Koa nahoana moa no tsy hiasa amin'ny fanentanana hifidy, tsy afaka mitazana fotsiny izahay na sanatria hitsikera fotsiny. Amin'ity indray mandeha ity, mila mandeha mifidy isika! Tsy hoe izay ihany –  fa hitarika olona faran'izay betsaka horesena lahatra hanaraka anay .
Amin'izao fotoana izao indrindra – dieny mbola tanora isika – tsy hiandry fahagagana , na koa hoe ny taranaka ho avy no hitsangana hanao fanovana tampoka. Izay no antony mahatonga ahy hisafidy ny hiteny. Izay no antony mahatonga ahy handray anjara amin'ny sary mihetsika mahafinaritra nataon'ny tale Amr Salama. Izay no antony nahatonga anay – mpitoraka biloagy maromaro – hitovy eritreritra amin'i Ghada AbdelAal, ka nanova izany eritreritra izany ho tena izy. Noraisinay ny hevitra ary nentina teo amain'i Amr, ka izy indray no nanova azy ho sary mihetsika izay manazava azy tsara sady mahafinaritra. Mandray anjara amin'io sary mihetsika io aho, miaraka amin'ny mpitoraka bilaogy am-perinasa, ary tsy misy karama na dia kely aza.

Mpitoraka bilaogy hafa, Azmiralda, no manoratra ny antony nahatonga azy hanohana ity fanentanana ity:

مش عايزه احس فى وقت من الاوقات ان انا كنت جزء و لو بسيط فى انى ضيعت فرصة ابنى او بنتى فى انه يعيش حياة احسن او مختلفة ، مش بيسمع تفس الكلام و بنفس الطريقة لبقية عمره و مفش حاجة بتحصل، ممكن زى ما بيتقال انه مفيش فايدة بس على الاقل عرفت انى عملت اللى عليا و بعدين ياااااا عااااااالم ما يمكن واحد من التمانين مليون تكون نيته كويسة حبتين و ربنا يكرمنا على ايده يعنى

Tsy tiako ny mieritreritra fa indray andro any dia izaho no anisan'ny fototra nahatonga ny zanako lahy sy ny zanako vavy tsy hanana fiainanan tsara. tsy tiako izy hihaino resabe mitovy amin'ny henoko ankehitriny mandritra ny androm-piainany, kanefa tsy mist zavatra vita akory eo. Eny fa na dia tsy hisy zava-bita aza, kanefa aho mahatsapa fa efa vitako ny adidiko. Tsy hanao na inona na inona ve ny mponina 80 tapitrisa? Tsy hitsangana ao andamosiny ve Andriamanitra?

Nesreen no manao fampitahana fohy ny fifidianana any Ejipta sy any Iran:

حين كُنا نُتابع أنتفاضة المُعارضة الإيرانية التي لم تهدأ حتى اللحظة، كنت أتعجب من فرط حماسهم و أندفاعهم و ثقتهم في “حسين موسوي” و حقه في الفوز، و أتحسر على أنتخاباتنا العقيمة التي لم تترك في النفس ذكرى و لا في الوطن أثراً و لا في التاريخ حرفاً، و كأنها لم تحدث من الأصل  يتلاشى بعض العجب حين أعلم أن نسبة عدد الناخبين المسجلين في إيران مُختلف عليه إما 59.6 مليونا أو 57 مليونا من إجمالي عدد السكان البالغ نحو سبعين مليون ليس هناك حتى داعٍ لوضع أرقام عدد الناخبين المسجلين في مصر و نسبته مقابل إجمالي عدد السكان

Gaga aho raha nanaraka ny fihoarana nataon'ny mpanohitra iraniana, miaraka amin'ny hafanam-pony sy ny finoany fa tokony ho mpandresy i Mir Hossein Mousavi; malahelo ny fifidianatsika ahi izay tsy mamela fahatsiarovana ho antsika akory, tsy misy dikany ho an'ny firenentsika, tsy mamela taratasy eo amin'ny tantarantsika. Ohatry ny hoe tsy nisy akory.
Anisan'ny mahagaga sy mahakivy ahy ny fahafantarako fa 59,6 na 57 tapitrisa no voasoratra anarana ao amin'ny lisitry ny mpifidy kanefa 70 tapitrisa no isan'ny mponina. Inoako fa tsy misy antony ny anaranan'ny mpifidy ao amin'ny lisitra raha ampitahaina amin'ny isan'ny mponina.

Amr Ezz EL Deen no manaitra ny mpamakiny fa mandeha ny fotoana ary antomotra ny daty:

>خلي بالك.. آخر ميعاد لاستخراج بطاقة انتخابية هو يوم 31 يناير 2010.. يعني فاضل شهر من دلوقتي.. شد حيلك وبلاش تكسل وتقول لسه بدري.. روح من دلوقتي وخد معاك اللي تقدر عليه من أصحابك وأهلك ومعارفك.. مصر تستاهل كل خير.. وجه دورنا عشان نغيرها بجد..

Aoka isika hitandrina fa amin'ny 31 janoary 2010 no fe-potoana farany hanaovana kara-pifidianana. Iray volana sisa tavela. Noho izany atsaharo ny hakamoana ary aoka tsy hiteny hoe mbola misy ny fotoana. Mandehana dieny izao, ary ento miaraka aminao izay namanao na akaiky anao farany betsaka indrindra. mendrika zavatra tsara i Ejipta. Anjarantsika ny manova!

Ahmad Shokeir manoratra milaza vaovao, sady mamehy hoe:

مقولة ماذا سيفعل صوتي وأنا أعلم أنه سيتم تزويره أو إغفاله ، مقولة أصبحت سخيفة ومملة وعفا عليها الزمن ولاتصلح مع شعوب تريد أن تعيش حياة حرة … إذا تنازلت عن حقك في التصويت وتركت صوتك فلا تحزن عندما يعبث به آخر ويستخدمه كما يحلو له ، إفعلها ياسيدي وإذهب وإعطي صوتك وعندما تعطي صوتك وغيرك كذلك سيتغير الشكل وسيصعُب الوضع على المزوّرين>

Ny filazana fa “Inona moa izay vatoko raha fantatro fa hisy hosoka ao?” dia mahamenatra sady tsy mivoatra ary tsy misy dikany ho an'ny firenena izay irina hiaina am-pahalalahana. Raha tsy mitaky ny zonao hifidy ianao sady tsy mandatsa-bato… dia mitomania raha olona hafa no hilalao izany amin'izay itiavany azy. Mandehana ary mandatsaha vato, raha manao izany ianao, dia manao ohatranao koa ny hafa. Amin'izay dia hiova daholo ny sary rehetra ary ho sarotra ny hisiloky ny vatonao.

Mpitoraka bilaogy hafa no mizara lahatsoratra toy izany koa tahaka an'i Mohamed [Ar], mpianatra mpitsabo, Esraa [Ar], Self [Ar], Cema [Ar], Shams EL Deen [Ar] syHisham [Ar]. Lamada [Ar] koa manoratra ny fahatsiarovany ny hala-bato tamin'ny fifidianana, miangavy ny mponina hitojo hatrany ary hamaly am-pahavitrihana ity fanentanana ity. Hitanao ato ny vaovao farany rehetra. Ary ny fanentanana ao amin'ny Facebook koa afaka jerenao eto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.