Jeritodika RSF 2009: Maherin'ny 100 ireo mpitoraka blaogy sy “mazan-dohan'ny aterineto [cyber-dissidents]” nofonjàna

Ny ‘Reporters Without Borders’, na ‘Reporters sans frontières’  dia namoaka angom-baovao ho an'ny faran'ny taona 2009 tamin'ny 30 Desambra 2009. Mpitoraka blaogy 151 sy “mazan-dohan'ny aterineto  [cyber-dissidents]” no nosamborina, 61 no nanaovana herisetra ara-batana ary iray no maty tany am-ponja tamin'ny 2009. Raha ampitahaina amin'ny 2008, tafakatra hatramin'ny 155% ny tahan'ireo mpitoraka blaogy nosamborina. Namoaka ny tatitra fa mbola i Sina ihany no lohalaharana amin'ny sivana amin'ny aterineto tamin'ny 2009 ary hanao hetsika manohitra ny fahavalon'ny aterineto ny RSF amin'ny volana Martsa ho avy izao. Ity manaraka ity ny famintinana ny lahatsoratra momba ny mpitoraka blaogy sy ny “mazan-dohan'ny aterineto”:

Hatrany amin'ny fotoana nipoiran'ny aterineto, voalohany izao no tonga saina ny “Reporters Without Borders” ny momba an”‘ireo mpitoraka blaogy sy mazan-dohan'ny aterineto 100 mahery voasambotra maneran-tany noho ny famoahan'izy ireo ny heviny amin'ny aterineto. Miteny ho azy io tarehimarika io ,  indrindra indrindra ho an'ny fahamafisan'ny tsindry hazolena atao any amina firenena folo eo ho eo. Firenena maro no namadika ny fanehoan-kevitra amin'ny aterineto ho fandikan-dalàna, ka manafoana ny fanantenana ny tsy hisian'ny sivana amin'ny aterineto.

Ny aterineto no rosoko [avy amin'ny mpandika: ny teny hoe ‘rosoko‘ dia teny Tsimihety entina ilazana ny ‘hery nanosika‘] ho an'ireo fampielezan-kevitra demokratika tany Irana, Sina ary na taiza na taiza. Izany indrindra no antony nahatonga ireo manam-pahefana ao amin'ny governemanta tapa-kevitra ny hanasazy mafy ireo mpampiasa aterineto. Anisan'izany ny tranga iray nahazo ireo  mpitoraka blaogy  Azerbaijani roa, voasazy hihidy roa taona any am-ponja noho ny fanaovana horonan-tsary mananihany ny mpitarika ara-politika.

Na dia i Sina aza no mbola lohalaharana amin'ny fanivànana ny aterineto tamin'ny 2009, Irana, Tunizia, Thailand, Saudi Arabia, Vietnam ary Uzbekistan koa dia matetika no manakana ny fidirana amina vohikala sy blaogy ary manara-maso ny fanehoan-kevitra amin'ny aterineto. Eo ambany fanaraha-mason'ny fanjakàna tanteraka ny aterineto any Turkmen. Tamin'ity taona ity, ireo mpitoraka blaogy sy olom-pirenena tsotra maneho ny heviny amin'ny aterineto dia niharan'ny herisetra, fandrahonana na fisamborana noho ny fiakaran'ny ny lazan'ny tambazotra sosialy sy ireo vohikala azo andraisana anjara ho ambony dia ambony tokoa. Mbola any am-ponja ilay mpitoraka blaogy Egiptiana Kareem Amer, raha mbola manana 34 taona hanefàna ny saziny kosa i Zarganar, mpanao hatsikana Burmese malaza. Tafiditra ao amin'ireo 120 eo noho eo lasibatry ny politikan'ny aterineto koa ireo mpitarika miaro ny fahalalahana maneho hevitra toa an'i Hu Jia sy Liu Xiaobo  any Sina  ary Nguyen Trung sy  Dieu Cay any Vietnam. Tafiditra ao amin'ny lohahevitra mety hiteraka sivana, indrindra amin'ny aterineto ny krizy ara-bola. Tany Korea Atsimo, nisy mpitoraka blaogy iray nosamborina tsy fidiny noho ny fanehoan-kevitra momba ny toekarena mampivarahontsana any an-toerana. Eo amin'ny olom-pirenena enina eo any Thailand no nosamborina na norahonana noho ny fampifandraisana ny toe-pahasalaman'ny mpanjaka sy ny fitotongananan’ ny tsenam-bola any Bangkok fotsiny. Nampiharina ny sivana  tamin'ny haino aman-jerin'ny Dubai raha tonga ny fotoana ho azy ireo hitaterana momba ireo olan'ny firenena amin'ny fandoavan-trosa.

Tsy dia tara amin'izany ireo firenena demokratika. Firenena eoropeana maro no miketrika fomba vaovao hangejàna ny aterineto saronana amin'ny hoe  ady atao amin'ny fivarotana zaza tsy ampy taona sy ireo fisintonana [downloads] tsy manara-dalàna. Niteny Aostralia fa hametraka rafitra fanivànana, izay mametraka olana eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra. Ny fitsaràna any Turkey dia nampiakatra ny isan'ny vohikala, anisan'izany YouTube, voasakana tsy ho azo idirana noho ny fitsikeràna ny mpanangana ny repoblika, Mustafa Kemal Ataturk. “Nitombo avo roa heny isan-taona ny isan'ireo firenena tratran'ny sivana amin'ny aterineto  – fomba manorisory izay mampiseho ny fiakaran'ny fangejàna ireo media vaovao noho ireo mpampiasa aterineto an-tapitrisany mavitrika tokoa,” hoy Lucie Morillon, talen'ny “Internet and Freedoms Desk”. “Izany no antony hanaovan'ny ‘Reporters Without Borders’ hetsika fanentanana vaovao hanohitra ireo  Fahavalon'ny Aterineto amin'ny 12 Martsa.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.