Sudan: Safidy stratejika ve ny maha-iray tsy mivaky?

Amin'ny teny Arabo, ilay  Sodane mpitoraka blaogy Ayman Hajj dia mifanakalo hevitra momba ny politikan'ny fireneny sy ny hoe nahoana ny maro amin'ny vahoaka Sodane no tsy mino intsony ny maha-iray tsy mivaky.

Ny asan'ny governemanta Sodane sy ny Hetsi-bahoaka [Popular Movment] tany atsimon'i Sodana, hoy ilay mpitoraka blaogy, dia toa sangy ratsy no fijery azy:

لماذا يظل الشعور متزايدا بأن الحكومة السودانية وشريكها في الحكم الحركة الشعبية لايقومان بشئ غير اداء مسرحية باهتة الملامح امام اعين الشعب السوداني.
Nahoana no mitombo ny fahatsapàna fa hoe ny governemanta Sodane sy ny Hetsi-bahoaka, mpiara-miombona antoka aminy amin'ny fitantànana, dia tsy manao zavatra hafa afa-tsy ny milalao sarimaizina, eo imason'ny vahoaka Sodane?

Ny fihetsiketsehana toy izany, hoy i Hajj manoratra, dia manohintohina ny maha-iray tsy mivaky an'i Sodana:

الشئ الذي لم اعد اشك فيه أن الاثنين شبه متفقين علي تقسيم السودان بحدوده الحالية الي دولتين ولايعدو الحديث عن جعل الوحدة خيارا جاذبا مجرد ذر للرماد في العيون فطيلة السنوات الماضية لم يقم احد منهما بعمل يقودنا الي ذلك فقط يتخاصمون ويتصالحون ويقوم البعض منهم بالشتم والسب والبعض الاخر بالتهدئة والمغازلة وتكون المحصلة الاخيرة ان لاشئ يجعلنا نؤمن بأنهما يحاولون ايجاد شئ ما يجعل الوحدة امرا جاذبا.
Ny tsy asiako fisalasalàna dia ny fiombonan-tsain'ireo roa ireo hamaky an'i Sodana ao anatin'izao efa toerana misy azy izao ho firenena roa. Zava-poana ny firesahana ny maha-iray tsy mivaky ho tahaka ny zava-manintona. Nandritra ireo taona nifandimby teo aloha, tsy nisy mihitsy nandray andraikitra hahatongavana amin'izany – maha-iray tsy mivaky. Niady izy ireo ary namorona. Ny ankilany manozona sy manompa ny andaniny ary ny andaniny miezaka mandamindamina ny toe-draharaha ka manohy manao ny fombafombam-panambadiana ihany. Ny vokatra farany dia tsy misy ahafahan'izy ireo manome toky antsika fa hoe niezaka nanao zavatra mba hampanjary ny maha-iray tsy mivaky ho zava-mahasarika ry zareo ireo.

Am-pitanisàna zava-bita vao haingana, manamarika ny mpitoraka blaogy fa:

اخيرا الاسبوع الماضي تخرج الحركة الشعبية في مسيرة يتم قمعها بواسطة الحكومة ويعتقل فيها بعض القادة الذين يصرحون علي اجهزة الاعلام بأن الحكومة دكتاتورية وقمعية وينسون انهم شركاء اصيلين فيها، ثم تأني الحكومة لتعلن بأنها اتفقت مع شريكها علي مجموعة من القوانين الداعمة لأتفاقية السلام والخيار الديمقراطي ثم يتصافحون وتطبع الحركة قبلة علي خد شريكها وكأن شئ لم يحدث.
Fehiny, ny Hetsi-bahoaka [Popular Movement] dia nikarakara, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, famoriam-bahoaka izay nosakanan'ny governemanta. Mpitarika maro no voasambotra. Izy ireo dia isan'ireo nanao fanehoan-kevitra tamin'ny fahitalavitra nilaza fa ny governemanta dia mpanao didy jadona, raha adinon'izy ireo kosa fa ry zareo ireo koa dia tsy hafa fa mpiara-miombona antoka ao amin'io governemanta io. Nihodinan'ny governemanta ny resaka ka nolazainy fa niarahany sy ireo mpiara-miombona antoka aminy nanaiky ny lalàna maromaro manohana ny fifanarahana ho amin'ny fandriam-pahalemana sy ny fanohizana ny làlana demaokratika. Dia nifandray tànana ry zareo ary ny Hetsika dia nanoroka ny takolaky ny governemanta toy ireny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga ireny akory.

Ho famarànana, hoy izy:

اخيرا بهذه الافاعيل يدفعون المواطن يوما بعد اخر بالكفر بالوحدة التي هي في الحقيقة خيار استراتيجي بنسبة له لما يصورونه له بعدم امكانية التعايش المشترك تحت مسميات الاختلافات العرقية والدينية والاقتصادية.
Fehiny, ny fanao toy izany no mahatery ny vahoaka tsy hino intsony ny maha-iray tsy mivaky, izay raha araka ny tena iainana azy  dia tena safidy stratejika mihitsy. Tsy mino azy io intsony ry zareo satria efa nomena sary ho toy ny zavatra tsy azo ampiarahana amin'ny fahasamihafàna ara-poko, ara-pivavahana sy ara-toekarena izy io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.