Fomba sy fanao isaky ny taombaovao manerantany an-dahatsary

Fireworks by <a href=

Afomanga saripikan'i Tormel

Samy manana ny fomba(n-drazana) ankalazany ny fahatongavan'ny taona vaovao ny mponina manerantany. Amin'ity alina ity, amin'ny alalan'ny lahatsary no itondranay anareo hitsidika ny karazam-pombafomba arahin'ny olona hahatsara ny anjarany, hahazoan-karena na antsipirian-javatra hafa tiany ho azo amin'ny taona ho avy.

Any Meksika, misy ny sasany izay mandrehitra labozia, emboka ary “mandro” miaraka amina raokandro hahatsara ny vintana sy harena amin'io taona mitsidika io. Amin'ity lahatsary manaraka ity no iresahan'ny mpivarotra ny kojakojam-panaka fanao isaky ny Taombaovao tahaka ny fangaron-dravina 7, ny fehezana Vintana tsara amin'ny Taombaovao miaraka amin'ny labozia, emboka manitra, vavaka sy rano voahasina ary nomarihin'izy ireo fa nidina ny varotra tamin'ity taona ity. Angamba handrehitra labozia ry zareo hahatongavan'ny vintana tsara rahalina.

Matetika no ara-pomban-drazana ny sakafo natokana ho amin'itony fotoana itony: Niainga tany Sandusky Ohio, misy ireo olona no manao ny fomba pretzel fanaon'ny Alemana ho enti-miatrika ny taombaovao. Ity manaraka ity ny fikarakarana azy aseho an-dahatsary:

Any Espaina indray, misy ny fanao mihinana voaloboka 12 atelina isaky ny maneno ny lakolosin'ny sasakalina. Ao amin'ity lahatsary ity no ahafahanao mijery ny fianakaviana vory manodidina ny latabatra, miaraka amin'ny voaloboka 12 efa voalahatry ny farango sy ny fitadiavan'izy ireo ny teknika tsara indrindra entina mitelina voaloboka isan-tsegondra:

Ity fianakaviana manaraka ity kosa indray manana teknika hafahafa kokoa, alahatr'izy ireo eo anoloany ny azy raha miandry ny feon-dakolosy 12 alefan'ny radio izy ireo:

Indro indray ny lahatsary avy any Perou mampisehonyfomba amerikana latina manodidina ny trano miaraka amin'ny valizy ho antoka fa ho maro ny dia (voyage) hataon'izy ireo amin'ny taona hodiavina:

Any Moldavia, Romania indray no misy ny tarazon'ny orsa amim-bozaka, dihy manambara ny fahaterahana sy ny fitsanganan-ko velon'ny vanim-potoana:

Joy of Ritual (Fifalian'ny Fomba) no namoaka tamin'ny bolongan-dahatsariny ny sasantsasany amin'ireo fomba manerantany ankafiziny fanao isaky ny taombaovao:

Ho an'ireo izay nankalaza ny Taombaovao halina moa dia miarahaba azy ireo nahatratra ny taona vaovao! Manao ahoana kosa ny fomban-drazanareo any amin'ny tontolo misy anareo? Mankalaza ny taombaovao amin'ny fomba manokana ve ianareo? Fa raha tsy tamin'ny alina dia oviana kosa? Andeha re isika hifampizara vaovao amin'ny alalan'ny fametrahanao hevitra!

Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.