Tonizia : hetsika naoty fotsy hanoherana ny sivana

The Note Blanche campaign logoSary famantaran'ny Hetsika Naoty Fotsy

Tamin'ny zoma 25 desambra no namoahan'ny mpamaham-bolongana Toniziana ny fanentanana Naoty Fotsy hanoherana ny sivana izay miitatra dia miitatra tokoa any Tonizia amin'izao fotoana izao.

Tsy mifidy karazam-bohikala asiana intsony ny Sampan-draharahan'ny Aterineto Toniziana (ATI).

Saiky nandray anjara tamin'ity fanentanana naoty fotsy ity avokoa ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana Toniziana tahaka an'i Ounormal [ar], Metallistication [ar] izay tsy namoaka afa-tsy ny sary famantaran'ny hetsika Naoty fotsy misy soratra manao hoe Ho amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny famahanam-bolongana, tahaka izay nataon'i Chiheb.

Fa ny mpamaham-bolongana Patriote Tunisien [ar] kosa nisafidy hanome Naoty mainty ho an'ny bolongana Toniziana .

Lina Ben Mhenni

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.