Madagasikara tamberina 2009 – fizarana voalohany -

Mby amin'ny fahataperany ity ny taona 2009. Taona nanjakana ary mbola anjakan'ny hotakotaka ho an'i Madagasikara. Ity lahatsoratra manaraka ity ny tapany voalohany (mitantara ny volana Janoary ka hatramin'ny Aprily) amin'ny fizarana roa manamarika ny taona 2009, raha tarafina avy amin'ireo olom-pirenena niaina tao anatin'ity savorovoro ity.

Janoary:

Raha nanomboka nanao fihetsiketseham-panoherana teny an-dalamben’ Antananarivo ny olona, maro kosa ny olona no taitra amin'ny mety hivadihan'ny krizy politika ho amin-javatra hafa mbola tsy nahazatra, raha nitranga nanerana ny firenena ny fahavakisana fonja:

Maminavina izay mety ho anton'ity tranga tsy mahazatra ity i Jentilisa (mg):

Heverina ho misy ny atidoha nikotrika ny raharaha ary olona ivelan'ny voafonja ny atidoha, satria tsy tokony hanana finday na fitaovan-tserasera hafa ireo voafonja ireo handosirana tao
anatin'ny indray alina. Tarataratra ho fitadiavana hanakorontanana ny firenena amin'ny alalan'ny tsy filaminana no tanjona na fanindriana ankolaka ny olona tsy hihetsika satria hanampy isa ireo olona natao hanakorontana fotsiny (A qui profite le crime?). Hisy raharaha ity volana Janoary sy ny tohiny ity izany koa!

Indrisy moa fa nivadika ho volana feno ra nandriaka ny volana Janoary tamin'ny nilazan'ny mpi-twit (mpisioka an-tserasera hoy aho) eto Madagasikara azy hoe Alatsinainy Mainty (Black Monday), ny andro nanjavonan'ny mpitandro ny filaminana sy ny nanjakan'ny fandrobana nanerana ny renivohitra, ka olona am-polony no tavela. Nanontany ny mpiserasera iray : (mg):

“Ny fanontaniana mipetraka sy tonga ho azy dia ny hoe inona moa no mahasamihafa ny zavatra potika amin'izao taona 2008 izao amin'izay zavatra potika tamin'ny taona 2002? … Ka inona ary no vaha-olana tsy hiverenan'ny fanapotehana intsony?”

basy2 mpikarama an'ady nitana basilava teto Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara

Febroary:

Ny 7 Febroary 7th izay nantsoina hoe “Sabotsy mena”, dia namoizana aina 80 raha kely indrindra, ary anisan'izany i  Ando Ratovonirina, mpaka sarin'i RTA 26 taona.

Ando Ratovonirina, reporter for RTA killed on Feb, 7th  (image from Foko-Madagascar)
Ando Ratovonirina, mpanangom-baovaon'i RTA voatifitra tamin'ny 7 Feb (sarin'ny Foko-Madagascar)

Vavolombelona nanatri-maso ka nanoratra izay hitany i (fr) Barijaona, iray amin'ny mpamaham-bolongana malagasy voalohany indrindra :

“J'étais persuadé que tout avait été négocié à l'avance, que la foule resterait gentiment à distance,
que seule une petite délégation entrerait à l'intérieur des grilles du palais et que c'est cette
délégation qui demanderait ensuite à la foule de se disperser.
J'étais trop loin pour savoir ce qui s'est passé dans la foule peu avant que le cordon de sécurité ne lâche. Si un responsable du mouvement a laissé entendre qu'on pouvait “y aller”, sa responsabilité est énorme.
Je ne peux parler que de ce que j'ai vu et entendu de mes propres yeux, mais ai trouvé étonnant que Andry Rajoelina et Monja Roindefo soient restés à l'écart des délégations négociant l'entrée dans les grilles du palais.”

“Nieritreritra mihitsy aho fa efa voalamina mialoha avokoa ny zava-drehetra, ary ho hendry hanaja ny elanelana (fetra) ny andian'olona, fa solontena vitsy ihany no hiditra anaty ny fefin'ny lapa ary avy eo ireo solontena ireo no hiteny amin'ny andian'olona hiparitaka avy eo. Lavitra loatra aho hahafantatra izay nitrnaga tao anaty olona tao mialoha ny hahavakisan'ny fefim-pilaminana. Raha misy tompon'andraikitra nandresy lahatra hoe “azo atao ny miditra” dia mavesatra ny miandry azy. Tsy afa-milaza ankoatra izay hitako sy reko aho, fa nahagaga ahy kosa raha tsy tao anatin'ny solontena hifampiraharaha tamin'ny fidirana ny vavahadin'ny lapa i Andry Rajoelina sy i Monja Roindefo.”

Tsara ny manamarika fa nampanantena ny hanaovana fanadihadiana tamin'ny antony fahafatesana maro nitranga tamin'ny 26 janoary sy ny 7 febroary ny FAT (fitondrana tetezamita) saingy tsy mbola nisy aloha hatramin'izao ny fehin-teny navoaka ampahibemaso, ka manampy izany ny fijoroana vavolombelona mifanohitra eo amin'ny andaniny sy ny ankilany.

Marsa:
Nihalalina ny krizy na dia nihen-danja aza ny mpanohitra, ka nosoloin'ny andian-tafika ny toeran'izy ireo. Nanoratra tao amin'ny twitter-ny i Ariniana :

“I feel like in a war movie. I can't believe it's real. I am damn terrified.”

Tahaka ny miaina ao anatina tantara an'ady aho. Tsy mampino hoe tena misy izao. Tena mihorohoro aho.

Hain'i Tahina tsara ny nitantara ny tahotra sy ny tsy fifampitokisana nanjaka teo amin'ny tsirairay:

It’s no longer safe to talk politics in public areas (buses included) because you don’t know who’s listening to you and on which side they are. A simple rumour about you can harm you or your relatives.

Tsy mety intsony ny miresaka politika eny amin'ny toerana ifamezivezen'ny olona (anatin'izany ny fiara fitaterana) satria tsy fantatrao izay olona mihaino anao sy ny safidy politikany. Ny tsaho kely momba anao dia mety hisy fiantraikany aminao na ny fianakavianao.

Nandrombaka ny fahefana tamin'ny alalan'ny fanampian'ny tafika ny Ben'ny tanàna teo aloha izay efa filohan'ny tetezamita amin'izao fotoana izao Andry Rajoelina, tamin'ny 17 marsa. Tsy atao hahagaga raha nisara-kevitra ny olona momba ity fanonganam-panjakana ity sy ny fiantraikany. Madagate dia  afa-po tamin'ny nahafahana nanala an-dRavalomanana teo amin'ny fitondrana (fr):

Marc Ravalomanana, le petit laitier d’Imerikasinina, a été renié par ceux à qui il venait de remettre les pleins pouvoirs. Ils n’ont pas voulu vendre leur âme au diable. Les carottes sont cuites pour ce président qui a montré son véritable visage. A force de jouer avec le feu et les idoles, on se brûle. Ce fut vraiment le combat de la lumière et des ténèbres.

Nolavin'ireo vao nametrahany ny fahefana feno i Marc Ravalomanana, ilay mpivaro-dronono kelin’ Imerinkasinina. Tsy nanaiky hivarotra ny fanahiny tamin'ny devoly izy ireo. Efa vita ny amin'ilay filoha naneho ny tena endriny. May izy rehefa nikiry nilalao afo sy sampy. Tena adin'ny mazava sy ny maizina tokoa iny.

Nino i Hery fa tsy ho tafapetraka vetivety tsy akory ny fandriampahalemana eto Madagasikara, na misy aza ny fiovana (mg):

Tsy resy lahatra aho amin'ny hilaminan'ny politika ao Madagasikara ao anatin'ny 2 taona farafahakeliny raha mandray fitondrana ny TGV [..] Hafa ny mitolona, ary hafa ny mitondra firenena.

Aprily:

Nanana ny lazany teo amin'ny Aterineto teto Madagasikara ny lahatsarin'ilay mpanao fihetsiketsehana tokana nantsoina hoe Razily nisedra ny baomba mpandatsa-dranomason'ny mpitandro ny filaminana ary nataon'ny maro ho famantarana nenti-nanohitra ny famoretan'ny miaramila:

Ny fizarana faharoa amin'ity tamberina ity moa dia hanasongadina ny lahatsoratry ny mpamaham-bolongana nanomboka tamin'ny volana May ka hatramin'ny Desambra 2009. Fa mandra-pahatongan'izany dia vakio aloha ity fijoroana vavolombelona nataon'i Tahina ity mitantara ny fiantraikan'ny krizy amin'iny iray amin'ireo havany. Indro misy sombiny:

For two or three months, I had to find money to make ends meet. It was hard as hell. The saying “You look for today what you’ll eat today” started to had a full sense to me. I was living it. I went to a uncle of mine to borrow some money and promised him I’d give it back as soon as possible. And I really wanted to keep my words but two months later, my wife was robbed in a bus with a-month-worth salary in her bag. I was hopeless, the little that I thought would help us was taken away from us.

Nandritra ny roa na telo volana izay dia tsy maintsy nitady vola aho mba hahafaha-miafy. Mafy tokoa ny manjo ahy. Efa fantatro tsara ankehitriny ny dikan'ny fitenenana hoe “Ny hanina anio tadiavina anio”. NIaina izany aho. Nindram-bola tamin'ny dadatoako aho ary nampanantena azy fa averiko haingana araka izay tratra ny volany. Te-hanaja izay nampanantenaiko tokoa aho saingy roa volana taty aoriana dia voaendaka tao anaty fiara fitaterana ny vadiko ary lasa tamin'izany ihany koa ny karama iray volana. Kivy tanteraka aho. Ny kely mba nanananay indray ity no nalaina taminay.

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.