Iran: Manohana ilay mpianatra voafonja ireo lehilahy any Hijab

Lehilahy Iraniana anjatony no nitafy akanjom-behivavy tany Hijab mba hanohanana an'i Majid Tavakoli, mpianatra mafana fo nosamborina tamin'ny 7 Desambra, ary nampiseho ny firaisankinan'izy ireo amin'ireo vehivavy. Ireo manampahefana dia nilaza fa nanao fitafim-behivavy i Mr. Tavakoli mba handosirany ny manampahefana taorian'ny fanambarany tany Teheran tamin'ny andron'ny mpianatra.
Na eo aza izany, ireo mafana fo mpiaro ny zon'olombelona any Iran dia namoaka filazana fijorona vavolombelona ary milaza: “Ireo sary rehetra navoakan'ny media-m-panjakana dia sary namboarina daholo ary mampibaribary ny fampiasan'izy ireo hevitra ratsy anoherana ireo mpianatra sy ireo mafana fo any Iran.”
Lehilahy Iraniana anjatony amin'izao no manao fitafim-behivavy ao amin'ny filazalazana ny momba ny tena ao amin'ny FaceBook-n'izy ireo. Ity misy video YouTube manohana an'i Majid izay ahitàna ny sary sasantsasany (manomboka eo amin'ny 42 segondra eo).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.