Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices ho an'ny fifaninanana fahalalàhana maneho hevitra

Misokatra androany (29 Desambra 2009) ny fisoratanana anarana ho an'ny fifaninanana Breaking Borders, fifaninanana vaovao noforonin'ny Google sy Global Voices mba hanomezam-boninahitra ireo tetik'asa malaza amin'ny tanterahin'ireo olon-tsotra na vondrona mampiseho herim-po, tanjaka ary fiketrehana amin'ny fampiasàna aterineto mba hampielezana ny fahalalàhana miteny. Tohanan'i Thomson Reuters ihany koa ilay fifaninanana.

Ny fifaninanana Breaking Borders dia mifototra amin'ny lanja navohitra tamin'ny Global Voices Manifesto, antontan-kevitra niarahana nanoratra tao amin'ny wiki tamin'ny 2004 mba hitanisàna ireo foto-kevitra toro-làlan'ny fikambanana sy fiaraha-monina izay hanjary hoe Global Voices no nahafantarana azy. Manomboka amin'ireto teny ireto izany Manifesto izany:

“Mino ny fahalalàhana miteny izahay: amin'ny fiarovana ny zo hiteny — ary ny zo hihaino. Mino ny fahafahan'izao tontolo izao hahazo ireo fitaovam-pitenenana izahay.

Hanatrarana an’ izany, izahay dia mikatsaka ny hahafahan'ny tsirairay izay te-hiteny mahazo ireo fitaovana hanaovana izany — ary hahafahan'ireo izay te-hihaino izany fitenenana izany mahazo ireo fitaovana hiainoana izany.”

Ny Fifaninanana Breaking Borders koa dia mameno ny asan'ny Global Voices Advocacy, izay natsangana tamin'ny Febroary 2007 hanintona ny fifantohan-tsaina amin'ireo hetsiky ataon'ny fikambanana  mifandraika amin'ny fahalalàhana maneho hevitra .

Misokatra ho an'ny olona rehetra maneran-tany ny Fifaninanana Breaking Borders. Hofidian'ireo mpitsàra manam-pahaizana amin'izany sehatra fahalalàhana maneho hevitra izany ireo mpandresy. Hisy lelavola $10 000 hatolotra ny mpandresy tsirairay isak'ireto fizaràna telo ireto:

1. Herim-po, atolotra an'izay mahery fo na vondrona nampiasa fitaovana tamin'ny aterineto mba hanapariahana ireo heviny malalaka na handrisihana fiovàna ara-politika

2. Teknolojia, atolotra an'izay olon-tsotra na vondrona namorona fitaovana lehibe mamela ny fanehoan-kevitra malalaka sy manitatra ny fahafahana mahazo vaovao

3. Politika, atolotra an'izay mpanao politika , mpikambana ao amin'ny governemanta na mpitarika Fikambanana tsy miankina izay nandray anjara mavitrika tamin'izany sehatra izany

Azo alefa ao amin'ny http://www.breakingborders.net ireo fisoratana anarana/fifidianana ho an'ny Fifaninanana Breaking Borders ka mifarana amin'ny 15 Febroary 2010.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.