Sarimihetsika 3D Kolombiana mivoaka amin'ny aterineto

Taorian'ny herintaona niasana mafy, dia nahavita sarimihetsika fohy ireo orinasa Kolombianina roa ary maniry ny hizara azy maimaim-poana amin'izao tontolo izao amin'ny fampisehoana voalohany amin'ny aterineto.

Victeria sy Globuleo dia toy ny famerenana ny tantaran'i Romeo sy Juliet an-tsarimihetsika 3D , saingy ireo sakana amin'ny fiarahan'izy ireo mbola lehibe lavitra satria i Victeria dia otrikaretin'ny gripa ary i Globuleo dia sela fotsy: tantaram-pitiavana voarara sy tsy azo eritreretina.  Los Filmes Videocreation sy ny Vectorial Animation Studios, orinasa roa any Cali, any Colombia ary ekipan'ireo Kolombiana manan-talenta: mpampihetsika, mpanoratra ny tantara, mpihira, artista ary mpamokatra no nikambana mba hanao ity sarimihetsika fohy ity ary nalefa maimaim-poana mivantana amin'ny aterineto androany 4 Desambra.

Ity ny doka  amin'ity sarimihetsika fohy ity:

Nasandratra tamin'ny alalan'ny fitaovana fitoraham-bolongana kiritika Twitter ity sarimihetsika fohy ity ary afaka arahinao raha manampy @Victeria3D ao amin'ny kaontinao ianao. Efa misy takila ao amin'ny Facebook ihany koa izay hahafahanao maneho ny fanohananao.

Raha hijery ity sarimihetsika fohy ity amin'ny teny espaniola, dia mila mijery ny vohikala Victeria y Globuleo ary miditra ho mpikambana mba hahazonao code PIN izay anontaniana anao rehefa hiditra hijery ny fampisehoana voalohany eto amin'ny aterineto ianao.

Ao amin'ny Julian Eduardo Albornoz's blog at El País of Cali newspaper website, manoratra momba ity sarimihetsika ity izy:

Después de más de un año de trabajo, en el que participaron 4 animadores y más de 25 personas de apoyo en tareas adicionales como música, ilustración, voces, diseño de personajes o imagen real, entre otras, se obtuvo la versión de 8 minutos que estará disponible para todos aquellos que obtengan sus boletas gratis registrándose en www.victeriayglobuleo.com.

Dirección de Alexander Giraldo y Marcial Quiñones, Guión original de Alexander Giraldo.

Taorian'ny herintaona mahery niasana, izay nahitàna olona mihoatra ny 25 nanampy ireo mpampihetsikia 4 tamin'ny asa fanampiny toy ny feon-kira, ny sary, ireo feo, ny toetran'ireo mpandray anjara, sary tena izy, sy ny hafa koa, nahazo ny version 8 minitra izahay, izay hita maimaim-poana ho an'ireo izay nahazo ny tapakilany maimaim-poana tamin'ny fidirana ho mpikambana ao amin'ny www.victeriayglobuleo.com.

Notanterahin'i Alexander Giraldo sy Marcial Quiñones, lahatsoratra noforonin'i Alexander Giraldo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.