Ejipta: Ho an'i Djamila Bouhired indray ity

Marary ilay mpitari-tolona Alzeriana Djamila Bouhired, 75 taona, ary nangataka tamin'ny fireneny sy ireo mpiray tanindrazana aminy hanampy azy amin'ny fitsaboana. Nahatezitra ireo mpitoraka bilaogy Ejiptiana izany izay mihevitra azy ho olona manana ny mahaizy azy sy olo-malaza eo amin'ny tontolo Arabo.

Nanoratra tao amin'ny Egyptian Chronicles, Zeinobia no milaza fa tena hain'ny Arabo ny mamotika ny olo-malazany:

Nanoratra taratasy nisokatra ho an'ny filoha sy ny vahoaka Alzeriana i Djamila Bouhired mba hanampy azy amin'ny fitsaboana atao aminy. Ny mpitari-tolona Arabo tamin'ny taona 1960 izay nanamarika ny tolona natao hitadiavana fahaleovan-tena teo amin'ny tontolo Arabo no mangataka fanampiana amin'ny fanjakana Alzeriana!!! Mangataka ity Ramatoa ity ny hanampiana azy indrindra amin'ny hoe nanamarika ny fiandrianam-pirenena izy tamin'ny fandavany ny fanampiana avy tany amin'ny helodrano : (

Djamila's Mampahatsiaro ny zava-misy iainan'ireo bekotromaroholatra Ejiptiana i Zenoibia mijery ny zavatra manjo an'i Djamila:

Manana anadahy aty Ejipta izy, ireo bekotromaroholatra ejiptiana tamin'ny taona 1973 tany Suez, izay mahamenatra na dia mijery ny fisotroan-dronony aza, voatery izy ireo miasa tahaka ny mpamily mpanampy amin'ny fiara fitaterana ohatra. Niady tamin'ny Sharon nandritra ny herinandro maro izy ireo ho an'ny fiandrianam-pirenentsika!! Raha ny marina, manana anadahy sy rahavavy ao amin'ny tontolo Arabo izy, ireo izay tsy nieritreritra akory fa tonga dia nanolotra ny tenany ho an'ny fireneny, kanefa ny fireneny, mieritreritra elabe vao hanome azy ny tokony ho azony.

Raha samy hiady amin'ny resaka baolina kitra ihany dia maniry i Zenoiba:

Raha mba tsara izao ny fifandraisantsika dia irariako tokoa ny handefasana ny mpitsabo faran'izay mahay indrindra aty amintsika hitsabo an'i Djamila ary nasaintsika taty Le Caire izy, izay nandray azy tsara foana hatramin'izay.

Nawara Negm nandefa sary mihetsika roa ao amin'ny bilaoginy; ny voalohany hafatra avy amin'i Kommondos Team any Alzeria milaza fa tonga soa i Djamila ary mampanantena koa izy ireo fa hanampy azy amin'ny fitsaboana. Ny faharoa dia avy amin'ny olona Alzeriana iray manazava amin'izao tontolo izao hoe iza i Djamila Bouhired sy ny nanarian'ny tontolo Arabo azy!

Nawara milaza ny heviny:

اسفخص على دنيا كلها لما جميلة بو حريد تحتاج يوم تستلف عشان تاكل … مافيش حد فينا احسن لما ست الناس تعيش مش لاقية تاكل … هي جميلة دي جزائرية يا ناس؟ جميلة اللي كسفت رجالة العالم (ايام ما العالم كان فيه رجالة) تخص الجزائر بس؟ ما تخصش كل انسان عربي؟ هو لو النيل نشف تبقى مشكلة مصر والسودان بس؟ هو فيه اغنى من العرب؟ الله، بتروح فين الفلوس يا عم الامور انت وهو؟ بتتصرف على هيفا واخواتها اللي نافخين كل حتة فيهم عند بتاع الكاوتش لما شوية وح نلاقيهم طايرين في الهوا … يعني ايه؟ يعني ايه جميلة تضطر تستلف وللا حتى تضطر تطلب زيادة معاش؟ يعني ايه انا مش فاهمة يعني

Mahamenatra raha andry tahaka an'i Djamila Bouhired no mangataka hivelomana! Tompon'andraikitra amin'ny fiainany tsy zarizary isika rehetra! Ry vahoaka, tsy olonolom-poana i Djamila! Vehivavy nampahamenatra ny lehilahy izy nandritra ny fotoana nahabetsaka ny tena lehilahy teto amin'izao tontolo izao! Aferan'i Alzeria irery ve izany? Tsy olo-malaza Arabo reharehantsika ve izy? Aiza ny Arabo sy ny volany? Tsy mendrika azy ve ny volabe mihoatra noho ny an'ny mpihira malaza? Mirona mankany amin'ny farany izao tontolo izao raha vehivavy tahaka an'i Djamila no voatery hisambotra! Tena tsy azoko mihitsy!

Tarek Ez ElDen namoaka ny taratasy nosoratany ho an'ny filoha Bouteflika; taratasy milaza fa:

إن ما يتقاضاه المجاهدون لا يرقى إلى المبالغ الكبيرة التي يتقاضاها نواب البرلمان أو ما تحصلون عليه أنتم شخصيا (بوتفليقة) وكذا ما يحصل عليه محيطكم”، ودعت بوتفليقة إلى التوقف عما أسمته “الإهانة”، بإعادة النظر في “المنحة المتواضعة التي يحصل عليها المجاهدون ليعيشوا بكرامة ما تبقى لهم من أيام”.
“Raha ampitahaina amin'ny vola raisinao (M. Bouteflika) sy ny vola raisin'ireo solombavambahoaka dia ambany dia ambany ny fisotroan-dronon'ny be antitra.”
Mangataka ny filoha koa izy hampitsahatra ny “fanambaniana tsy an-kijanona” atao aminy ka “hijery ny fisotroan-drononon'ireo nitolona ho an'ny firenena – olona mendrika ny hiaina tsara mandritra ny andro kely sisa hiainany ao anaty fiandrianana izy ireo.”

Marwa Rakha

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.