Repoblika Dominikana: Natao veloma farany i Luis “Rahorohoro” Dias

Nanao veloma an'ilay mpitendry sy mpamoron-kira Luis “Rahorohoro” Días [es] ny Repoblika Dominikana, maty vokatry ny areti-po sy olana teo amin'ny voa tany Santo Domingo ny 08 desambra lasa teo izy, araka ny Agencia Efe [es]. Ho an'ny taranaka taty aoriana dia azo antoka fa tsy mahazatra azy ireo loatra ny anaran'i Muis Dias, indrindra any ivelan'i Repoblika Dominikana, izay toerana nahaterahany. Na izany aza dia nanatrika ny nampalaza azy ny tanora tamin'ny taona 70, famaritana tsotsotra ny fomba sy ny fihetseham-pon'ny vahoaka dominikana.

Photo by Reynaldo Brito. Used with permission. Saripikan'i Reynaldo Brito. Nahazoana alalana.

Avy amin'ny fahaizany manafangaro am-pahasahiana ireo karazan-kira samy hafa no nahazoany ny solon'anarana hoe “Rahorohoro”, toy ny rock sy ny mavesatra ary koa ny nentin-drazana dominikana, ireny rehetra ireny hitarafana hatrany ny mozikany mampihetsim-po. Ny angolany, mandrotika fanahy, no lasa nanamarika ny ady dy ny tolona tamin'ny taona 70, ka nampalaza azy eran-tany.

Ny hira Obrero, toma mi mano nohirain'ny mpanao mozika hafa toa an-dry Los Guaragua (Venezuela) sy ny Expresion Joven (Repoblika Dominikana) no noforonin'i Luis Dias tamin'ny taona 1974. Io taona io ihany dia nalefa tao amin'ny fihaonam-be “Siete Días Con El Pueblo [es]“ (Fito andro miaraka amin'ny vahoaka) tany Repoblika Dominika io hira io, ary nahitana mpanakanto maro avy any an-toerana sy avy any ivelany toa an-dry Mercedes Sosa, Lucecita Ben i Tez, Danny Riveran Silvio Rodriguez sy ireo mpampiaram-peo malaza Victor Manuel sy Ana Belen.

Taorian'ny taona 70 dia nifantoka kokoa tamin'ny gadona i Luis Dias. Tamin'ny taona 1983 dia namorona hira izy ary lasa famantarana ny fihetsiketsehana karnavala tany Repoblika Dominika io hira io: “Carnaval”, famoronana nalaza, fantatra koa tamin'ny fihiran'ny mpihira rodobe azy tao amin'ny hiran'i Shakira “Hips Don't Lie“.

Santionany amin'ny sangan'asany ny “Las vampiras”, noraisim-peo niaraka tamin'i Liberius nandritra ny fampisehoana iray tamin'ny taona 2006:

Lova navelany ny hira mifangaro eo amin'ny 700 eo, ny fankafizan'ny mpihira hafa azy toa an-dry Juan Luis Guerra sy Fernando Villalona, ny fanampiana nentiny teo amin'ny rock dominikana izay noheverina fa izy mihitsy no ray mpamorona azy.

Ilay mpitoraka bilaogy Pedro Genaro [es] no mamintina ny fihetseham-pon'ny vahoaka dominikana:

Parafraseando la canción de Liborio del propio Luis Días (Luis Díaz Portorreal), el Terror sigue vivo, seguirá vivo porque su legado es enorme y de una calidad incuestionable. Igual que él, estoy en negación…el Terror sigue Vivo!

Raha adika ara-bakinteny ilay hira hoe “Liborio” an'i Luis Dias dia tahaka ny mbola velona ihany i “La Terreur”, mbola velona foana izy noho ireo lova tsy hita pesipesenina navelany. Tahaka azy, dia mbola miahotra aho… Mbola velona i “La Terreur”!

Victor Manuel mampahatsiaro ny fisian'i Repoblika Dominika any anatin'ny hiran'i La Terreur:

Los isabelinos tuvieron la oportunidad en una ocasión de verle en persona, pero mas lejos llego una composición suya que hablaba de una belleza única en nuestras costas “La Ensenada”, en el tema Marola interpretado por Sergio Vargas.

Nanam-bitana ny mponina tao Villa Isabella nahita azy nanao fampisehoana , fa ny tena zava-dehibe tamin'ny hira noforoniny dia ny fahatsarana tsy manampaharoa ny tora-pasika dominikana “La Ensenada” tao amin'ny hirany Marola, nohirain'i Sergio Vargas.

otonielcolas mizara amintsika sary mihetsika mampihetsim-po an'i Jose Duluc (niaraka nihira tamin'i Dias tao amin'ny tarika mpanao rock Transporte Urbano [es]) nanome voninahitra farany ity namany miaraka amin'ny mozika:

Hitantsika koa ao amin'ny bilaogy Duarte 101 ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny Facebook sy Twitter any Dominika.

Rocio Diaz

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.