Frantsa: Andro tsy misy mpiavy

LA_JOURNEE_SANS_IMMIGRES_-_24H_SANS_NOUSMaro amin'ny mpanara-maso sy mpikatroka ny politika frantsay no miahiahy tetika hafahafa ao ambadiky ny adi-hevitra momba ny “identité nationale na fiavaham-pirenena” izay natsangan'ny filoha Nicolas Sarkozy sy ny Minisitry ny fifindra-monina, fampanazarana, fiavaham-pirenena ary ny fampandrosoana miray hina [Fr], Atoa Eric Besson. Nampiandraiketina tamin'ny prefe solontenan'ny fanjakana eny anivom-bahoaka ity fanatanterahana ity fanapahan-kevitra ity.

Namaly bontana ny mpanohitra miaraka amin-dramatoa Martine Aubry, mpitarika ny antsoko sosialista raha nilaza nandritra ny fihaonana tany Grenoble fa manao izay mahadikidiky an'i Frantsa ny filoha Nicolas Sarkozy raha mampifandrafy ny fiavaham-pirenena amin'ny fifindra-monina any amin'ny firenenkafa.

Ary ankoatra izany moa, mba inona ny dikan'io ho an'ny taranaka faharoa na fahatelon'ny mpiavy?

Tamin'ny nahatsiarovana ny ankivy amerikana lehibe nitranga tany Etazonia, andro iray nanaovan'ny mpifindra monina, na ara-dalàna na tsia, ary ny ankamaroany dia Latino-Amerikana tamin'ny 1 May 2006, no namoronana vondrona na “collectif” iray, antsoina amin'ny anarana hoe : La journée sans immigrés – 24 heures sans nous (Andro tsy misy mpiavy – 24 ora tsy misy antsika), izay kasaina hotontosaina amin'ny voalohan'ny marsa 2010. Misongadina ao amin'ny tranonkalany [fr] ny fanambarany, ary nitsangana tamina faritra 10 ihany koa ny vondrona Facebook. Ato sy ato avy ny misy ny bolongana sy ny dinika (forum).

Toy izao no fanombohan'ny fanambarana:

Nous, femmes et hommes, de toutes croyances, de tous bords politiques, et de toutes couleurs de peaux, immigrés, descendants d’immigrés, citoyens conscients de l’apport essentiel de l’immigration à notre pays, en avons assez des propos indignes tenus par certains responsables politiques visant à stigmatiser ou criminaliser les immigrés et leurs descendants. Rappelons qu’un immigré est celui qui est perçu comme tel par les autres au-delà même de ses origines. Nous voulons nous réapproprier et réhabiliter ce terme devenu péjoratif par la force de l’instrumentalisation politique.

Izahay, lehilahy sy vehivavy, avy amin'ny fivavahana samihafa, avy amin'ny ankolafy politika rehetra, samihafa volonkoditra, mpiavy, taranaka mpiavy, olom-pirenena mahatsapa ny anjara biriky entin'ny mpiavy amin'ny firenentsika, dia leon'ny teny tsy voahevitra ataon'ny tompon'andraikitra politika sasany izay mikendry hanasoketa ny mpiavy sy ny taranany ho mpanao heloka. Marihina fa ny mpiavy dia izay heverin'ny hafa ho izany ankoatra ny fiaviany aza. Noraisinay io voambolana lasa fanompana io ka nomenay hasina noho ny fampiasana azy ara-politika.

Nanazava nandritra ny resadresaka tao amin'ny TV, notsongaina ao amin'ny Le Blog de Rose Blanche, i Peggy Derder, filoha lefitry ny vondrona “Andro tsy misy mpiavy” [Fr]:

Notre collectif appelle les immigrés, descendants d'immigrés et citoyens conscients de l'apport essentiel de l'immigration à ne plus participer à la vie économique de la Cité pendant 24 heures. Ne pas travailler peut prendre plusieurs formes: faire grève, poser une journée de RTT ou de congé… On appelle également à ne pas consommer : ne pas aller au Mc Do, ne pas faire de shopping etc. Par cette absence, nous voulons marquer la nécessité de notre présence. En agissant sur le levier économique, on veut montrer que les immigrés sont une richesse au sens propre et figuré, des éléments moteurs de l'économie et de la société.

Miantso ny mpiavy, taranaka mpiavy ary ny olom-pirenena mahatsapa ny anjara biriky entin'ny fifindra-monina (avy any amin'ny firenen-kafa) izahay tsy handray anjara eo amin'ny sehatra ara-toe-karena eto amin'ny Firenena mandritra ny 24 ora. Mety hanana endrika maro izany tsy miasa izany : mitokona, maka andro RTT na congé… Antsoina ihany koa mba tsy hanjifa : tsy mandeha mihinana any amin'ny Mc Donald's, tsy miantsena sns. Amin'ny fahabangana no tiantsika hamantarana ny ilàna antsika. Amin'ny fikitihana ny fanainga ara-toe-karena no hanehoantsika fa harena isika amin'ny filaza mivantana na ankolaka, singa manetsika ny toe-karena sy ny fiaraha-monina.

Niely haingana tany amin'ny tontolon'ny politika ny fanohanana. Mpikatroka amin'ny antoko afovoany MIP tsy te-ho ivelany, ary dia nifampitantana amin'ny antoko ankavia Intox 007:

Alors, oui, si cette journée est l'occasion de montrer aux hypocrites que de nombreux jobs (et pas forcément ceux en bas de l'échelle) sont exercés par des immigrés, vocable réducteur et objet d'attaque ignobles. Et que ces citoyens là sont aussi dignes que le né-ici, mais qu'ils sont plus l'objet de mépris, et que cela doit être combattu.

Eny izany, raha ity no andro anararaotana amin'ny mpihatsaravelatsihy fa maro ny asa (ary tsy any amin'ny saranga ambany ihany) no sahanin'ny mpiavy, teny manao tsinain-kankana sy lasa fanaratsiana. Ary mendrika toy izay teraka aty ihany koa ireo olom-pirenena ireo, fa lasa ilanjalanjana orona manko izy ireo ka tsy maintsy resena izany.

Faly tokoa i Demain le nouveau Congo Brazzaville nampita ny hafatra, tahaka ny dinika ao amin'ny gazety Alzeriana city DZ.

Na izany aza dia misy ihany ny feo manivaka, ary mety ho tsy avy amin'ny anantenana izany aza.

Leon'izy ity – sy io Andro io i Merle moqueur (”Vorona Mpaneso”), ary amim-panesoana no ampitandremany amin'izay mety ho tsy fifankahazoan-kevitra amin'ilay tigetra “Tsy misy mpiavy” :

Ah, ça nous manquait, la journée sans immigrés. Voilà une idée de gauche qu'elle est bonne , fédératrice, porteuse de lien social, et pas du tout nunuche. Voilà une formulation qui plaira à certains. Eteins ton ordinateur, prends ton flingue, monte dans le bus et va jusqu'à la cité des Primevères. Il n'y a plus de bus ? Il a brûlé ? Arrête tes conneries réactionnaires, camarade, et marche un peu, ça te fera du bien. Va chez les Noirs et tire dans le tas, c'est la journée sans immigrés, t'as le droit.

Ah, mba tsy nanana izany indray isika, andro tsy misy mpiavy. Izany no hevitry ny avy amin'ny antoko ankavia, manambatra, miteraka fifandraisana ara-piarah-monina, ary tsy ratsy mihitsy. Izany ny fomba fiteny hahafaly ny sasany. Vonoy ny solosainanao, raiso ny basinao, mandraisa fiara fitaterana ary mankanesa aty amin'ny Felam-boninkazon'ny fandrosoana. Tsy misy basy intsony ? May ? Ajanony ny rediredinao mpiaroaro tena, kamarady, dia mba mandehana kely. Mandehana any amin'ny Mainty ary dia mitifitifira fahatany, ity ny andro tsy misy mpiavy, zonao izany.

Ary fa naninona no voalohan'ny volana marsa? Iverenentsika vakiana ny lazain'ny fanambarana :

Le 1er mars 2005 est entré en vigueur le «code de l'entrée et du séjour des étrangers et du droit d'asile» (CESEDA), plus communément appelé le code des étrangers. Cette loi symbolise une conception utilitariste de l’immigration, en d’autres termes, une immigration choisie sur critères économiques. Nous ne pouvions trouver de meilleur jour pour appeler à « une journée sans immigrés ».

Tamin'ny 1° marsa 2005 no nampiharana ny “lalànan'ny fidirana sy fiantranoan'ny vahiny ary ny zo hialokaloka”iza lazaina amin'ny ankapobeny hoe lalàna momba ny vahiny. Io lalàna io no nanome endrika ny fifindramonina ilaina, na raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe, fifindramonina ifantenana amin'ny mason-tsivana ara-toe-karena. Tsy mahita andro hafa tsaratsara kokoa noho io izahay hanaovana ny “Andro tsy misy mpiavy”.

Suzanne Lehn

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.