Vehivavy Dalit any Nepal: Mitolona ho amin'ny Fahamendrehana

Ny rafitra tsimatimanota [Caste] any Nepal dia efa ela no nametraka fanavakavahana tamin'ny ampahany teo anivon'ny fiaraha-monina. Ireo olona izay antsoina hoe “tsy fikitika” [“untouchables”] na ireo dalits, izay raisin'ireo mpiara-belona ho sosona faharoa ao anaty fiaraha-monina. Ny lalampanorenana any Nepal dia miantoka fitoviana ho an'ireo dalits na ireo “tsy fikitika” saingy ny tena zava-misy eo amin'ny tontolo, ivelan'ireo fepetra lavabe sy misampantsampan'ny lalampanorenana sy ny lalàna, dia mbola entina toy ambany noho ny olona foana ny dalits.

Ny famerana ny fidirany amin'ny saha-pampianarana, ny fahafahana miditra amin'ny asa, ary amin'ny fanavakavahana azy ireo ao amin'ny seha-piaraha-monina dia tena nangeja mafy tokoa ny fivoaran'ireo Dalits ao Nepal. Ho an'ireo vehivavy Dalit, dia mbola ratsy noho izany ny zava-miseho.

Ny mpitoraka blaogy Kiran ao amin'ny Everest Uncensored dia miresaka momba ny vehivavy Dalit sy ny zava-mianjady aminy  :

“”Rehefa miresaka momba ireo vehivavy Dalit isika, mijaly noho ny fanavakavahana telo sosona toy ny terivozona ataon'ireo antsoina hoe olona tsimatimanota ry zareo (samy mijaly avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy Dalits), noho ny tsindry ateraky ny rafitra Hindu mifototra amin'ny fanjakan'ny lehilahy zokiolona sy ny ataon'ireo lehilahy Dalit. 90% -n'ny vehivavy any Nepal no eo ambanin'ny fetran'ny fahantrana ary 80% an'izy ireo no tsy mahay manoratra sy mamaky teny. Ireo vehivavy ireo koa dia marefo ara-pahasalamana, tratry ny fanerena hivaro-tena, herisetra an-tokantrano, ary jaly ara-tsosialy, politika, sy ekonomika.”

80%-n'ireo vehivavy dalits dia miady amin'ny tsy fahaizanana mamaky teny sy manoratra, tsy mbola voahozona tahaka ity izy ireo. Matetika koa ireo vehivavy Dalit no tratry ny herisetra noho ny fanavakavaham-bolon-koditra ataon'ireo avy amin'ny antsoina hoe caste “ambony” eo anivon'ny fiaraha-monina. Renu Kshetry ao amin'ny NewsBlaze dia manoratra momba ny vehivavy iray nisy nidaroka tany amin'ny tanàna iray akaikin'i Kathmandu renivohitra :

Vao tsy ela akory izay, B.K., vehivavy Dalit iray, no tratran'ny ankasomparana – nampijalina izy, nodarodarohana ary noterena hihinana dikin'olombelona. Ny olona fototr'ity zava-mahatsiravina ity moa dia vehivavy heverina ho nahita fianarana: Bimala Lama. Tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny sekoly ambaratonga voalohany ao Gadi Bhanjyang, nohendrikendrehan'i Lama ho “mpamosavy” i B.K.

Tamin'ny fiandohan'ity taona ity no nisehoan'izany tranga izany, izay indrisy, tsy tranga maningana akory. Isan-taona dia mitondra faisana foana ireto vehivavy Dalits ireto, ary ankavitsiana no mahazo rariny.

Na izany aza anefa, ny sasany tamin'ireo vehivavy Dalit ireo no miezaka manao izay noheverina tany aloha tany fa tsy hitranga mihitsy. Tempoly iray any Baneshwor,  Kathmandu amin'izao fotoana no manana vehivavy dalit ho pretra.

“Ity vehivavy 43 taona ity dia pretra ao amin'ny tempolin'ny Chhakkubakku Bhagwati any amin'ny tanàna maresak'i Baneshwor ao an-drenivohitra, voahodidina trano fivarotana sy magazay. Ankoatry ny maha-vehivavy azy, dia mbola Dalit ihany koa izy, vondrom-piarahamonina any amin'ny zana-tohatra farany ambany any Nepal izay mbola mifikitra mafy amin'ny nentin-drazana sy  ireo ‘tsy fikitika’ hatramin'izao.

Ity renin-jaza efatra ity dia avy amin'ny foko Sarki izay razamben'ny mpanao kiraro voatery niaina tamin'ireo fatin'omby vavy fony mbola fanjakana Hindu izay nandràra ny famonoana ireo omby vavy.”

Nandritra ny fifidianana faobe tamin'ny 10 Aprily 2008, dalit maro mpirotsaka hofidiana , ao anatin'izany ny vehivavy, no lany ary manantena ireo mpitarika ny dalit fa ny firotsahana antsehatra amin'ny politika dia hanampy amin'ny fanafoanana ny fanilikilihana misy.

Ity misy video amin'ny teny Nepaley avy amin'ny NepalNews.com izay mampiseho ireo lehiben'ny dalits miresaka izay tokony handrafetana ny lalampanorenana vaovaon'ny firenena mba hampiatoana tanteraka ny fanavakavahana ireo caste sasany.

Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ireo Dalits any Nepal, dia azonao tsidihana ny Nepal Dalit Info , izay ahitanao lahatsoratra fanazavana, fandalinana ary vaovao farany momba ny hetsik'ireo Dalit,  amin'ny teny Anglisy sy Nepaley.

Any Nepal, efa ela no tany anaty boky  ny lalàna mandràra ny fanavakavahana, saingy ny rafi-piaraha-monina caste dia mbola manohy  manilikilika vondrom-pirahamonina iray ihany. Mazava loatra fa raha mbola tsy afaka manovo fahalalàna ny Dalit, indrindra indrindra fa ny vehivavy, dia mbola hitohy hatrany ity fomba fanao ity ary dia hisy vaovao foana hitondra faisana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.