Alzeria sy Ejipta: Efa tsy resaka baolina fandaka intsony

Iza moa no mba nino fa niteraka romoromo amina firenena roa tahaka izao ny lalao baolina fandaka iray? Saingy ny marina dia tafakatra hatrany amin'ny dingana tsy nampoizina ny fifanenjanana teo amin'i Ejipta sy Alzeria. Maro ny mpamaham-bolongana no mihevitra fa tsy misy ifandraisany ilay lalao sy ny gidragidra misy eny an-dalambe, ary maro ihany koa no tahaka ahy no tohina tanteraka fa misy ireo fampahalalam-baovao malaza no tsy mahatakatra akory ny fandehan'ny tantara iray manontolo – Mbola mino ihany ireo fampahalalam-baovao ireo fa fihetsiketsehana sy gidragidra eo amin'ny samy mpanohana ny ekipam-pireneny noho ny vokatry ny lalao no misy. Toy izao ary ny antsipirian'ny fivoaran'ny toe-draharaha – araka ny nosoratan'ny mpamaham-bolongana.
Taorian'ny lalao natao tany Ejipta dia nilaza ny gazety Alzeriana fa nisy ny Alzeriana no maty (saingy nolavin'ny ambasadera Alzeriana any Le Caire izany vaovao izany). Niteraka fanafihana ny fonenana sy toeram-piasana Ejipsiana tany Alzeria izany tsaho izany; Potika ny masoivohon'ny Egypt Air. Notaterina ihany koa fa mpiasa Ejipsiana mihoatra ny 1500 no voatafika sy voatakalon'aina tao anatin'ny rotaka; Voatery narovan'ny mpitandro ny filaminana Alzeriana ihany koa ny Ambasady Ejipsiana.

Manoratra ireny tsahotsaho ireny ao amin'ny bolongany El Journaljy i Ihab Omar:

ثم اتت الطامة الكبرى، حينما رأى الاعلام الجزائري ان الادعاء بوجود وفيات في المبارة سوف يدعم الموقف الجزائري بطلب اعادة المباراة، خاصة ان ملف المباراة تحت التحقيق بالفعل في الفيفا، و هكذا خرجت الصحف الجزائرية تتحدث عن نعوش جزائرية وصلت الي مطار الجزائر قادمة من مصر، جثث المشجعين الجزائريين المساكين الذين طاردهم المصريين الهمج في كل شوارع مصر

Tonga ny tsy nampoizina, rehefa nilaza ny fampahalalam-baovao Alzeriana fa nisy ny mpanohana ny ekipan-dry zareo no maty. Noheverin-dry zareo fa raha manao izany ry zareo dia afa-mangataka fanafoanana ny lalao, indrindra moa fa hoe eo ambany fiahian'ny FIFA io lalao io. Avy eo dia nanambara ireo gazety Alzeriana ireo fa nisy vatampaty avy any Ejipta tonga tany amin'ny seranam-piaramanidin'izy ireo. Mitondra ny vatamangatsiakan'ireo mpanohana Alzeriana notafihan'ny barbariana Ejipsiana nanerana ny lalamben'i Ejipta ireo vatapaty ireo araka ny filazany.

Taorian'izany dia nandà ny fisian'izany ny Ambasadera Alzeriana ka nilaza fa tsy nisy Alzeriana maty izany tany Ejipta. Saingy araka ny nosoratan'i Inferad ao amin'ny bolongany, dia tsy nahasakana ny fielezan'ny tsaho sy ny herisetra niaraka taminy io fanambarana io.

وأشار السفير حجار إلى أن ما أشاعته صحيفة “الشروق” الجزائرية يوم الأحد عن مصرع سبعة جزائريين بالقاهرة عقب المباراة عار تماما من الصحة، مؤكدا أن هذا الأمر لا يمكن أن يحدث دون علم السفارة، منوها في الوقت ذاته بوجود إصابات بين عدد من الجزائريين نتيجة للتدافع أثناء خروجهم من استاد القاهرة عقب المباراة
يأتي ذلك في الوقت الذي أكدت فيه الخارجية المصرية تعرض العاملين في عدة شركات مصرية بالجزائر لإصابات واعتداءات جماهير جزائرية تقدر بالآلاف، جراء الإشاعات التي روجت لها الصحف الجزائرية لها عقب المباراة

Nanambara moa Atoa Hajjar, Ambasadera Alzeriana any Ejipta, fa tsy misy fahamarinany mihitsy ny navoakan'ny “El Chorouk” milaza ny fahafatesana mpanohana Alzeriana fito tany Le Caire. Nampiany moa fa tsy misy zavatra tahaka izany ka tsy fantatry ny masoivoho, na izany aza dia maromaro ny naratra noho ny firohotana nivoaka ny kianjan'i Le Caire.
Taorian'izany moa dia nanambara ny minisitry ny raharaham-bahiny Ejipsiana fa maro amin'ny Ejipsiana miasa any Alzeria no notafihan'ny Alzeriana anarivony notarihin'ireny tsahotsaho ireny, izay niely tamin'ny alalan'ny gazety Alzeriana.

Nandritra sy taorian'ny lalao tany Ejipta moa dia mbola nilamina ny tontolom-bolongana Ejipsiana. Nanoratra ny mpamaham-bolongana tahaka an'i Nile Wise fa lalao baolina fandaka fotsiny iny ka tsy tokony hanao zavatra mihoam-pampana ny olona:

مباراة كرة القدم بين الفريق المصرى والجزائرى تحولت وبشكل سخيف الى مايشبه اعلان الحرب بين الدولتين ,فالمباراة مهما كانت اهميتها للفريقين فانها فى النهاية مجرد مباراة نعلم جميعا أن مصر لم تتأهل لكأس العالم من 20 عام والجزائرلم تتأهل منذ 24 عام

Niofo ho fihantsiana ady teo amin'i Ejipta sy Alzeria ny lalao baolina fandaka nisy teo amin'ny roa tonta. Lalao baolina fandaka tsotra iny raha tsy jerena ny lanjany eo amin'ny ekipa tsirairay avy, indrindra moa rehefa fantatsika rehetra fa tsy tafita amin'ny dingan'ny famaranana eo amin'ny fiadiana ho tompondaka erantany i Ejipta tao anatin'ny 20 taona izay, raha 24 taona kosa izany ho an'i Alzeria.

Nanambara ny bolongana tahaka an'i Inferad fa ny fampahalalam- baovao eo amin'ny firenena roa tonta no mendrika hotreronina. Niangavy ny olona eo amin'ny firenena roa tonta izy tsy hinohino fahatany izay vakìny sy henony:

لا تصدق كل مايقال لك عن اعمال عنف ضد المصريين فى الجزائر ولا عن قتل الجزائريين فى شوارع القاهرة ..نعم هناك حالة احتقان يفتعلها الاعلام المتطرف بمساندة حكومات فاسدة وفاشلة هنا وهناك ..حكومات لا تعبر عن الشعوب بل استولت على السلطة بالقوة وتحاول الهاء الشعوب بمباريات الكرة والافلام العارية والصحافة الداعرة

Aza mino izay rehetra voasoratra amin'izany hoe Ejipsiana notafihina tany Alzeria na Alzeriana nisy namono tany Le Caire izany. Eny, misy ny faka mangidy (lonilony) foronin'ny fampahalalam-baovao ary ankasitrahan'ny governemanta mpanao kolikoly andaniny sy ankilany – governemanta nahazo fahefana tamin'ny alalan'ny hery, ary te-hisarika ny fifantohan'ny olona amin'ny baolina fandaka, fiboridanana, ary amin'ny gazety tia fanafintohinana (horikorika na journaux à scandales).

Misy ihany koa ny mpamaham-bolongana hafa tahaka an'i Al Journaljy, no manaiky ny fisian'ny herisetra nisy eo amin'ny firenena tsirairay natao tamin'ny mpankasitraka ny hafa:

في مباراة الذهاب التى اقيمت بين مصر و الجزائر هنالك في التصفيات الجارية حالياً، تم قذف اتوبيس المنتخب بالحجارة في شوارع الجزائر

Nandritra ny lalao natao tany Alzeria dia voatora-bato teny an-dalana ny fiara nitatitra ny ekipa ejipsiana.

Ary dia nanohy izy:

سهر الجماهير محدثين أكبر قدر من الضجيج و العربدة اسفل نوافذ اللاعبيين المصريين حتى لا ينعمون بالراحة والنوم لمباراة اليوم التالى

Nandany ny alina hitabataba teny akaikin'ny trano natorian'ny mpilalao Ejipsiana ny mpanohana an'i Alzeria mba tsy hahafahan'ireo mpilalao ireo miala sasatra sy matory.

Nanaiky ihany koa izy fa tsy tsara tahaka ny mpanohana an'i Ejipta ny mpanohana an'i Alzeria, ary samy nanao ny hadalany ry zareo talohan'ny lalao natao tany Le Caire.

و لنصل الي المحطة الاخيرة، الي مباراة السبت الماضى، بالطبع كان هنالك تجاوزات جرت من الطرف المصرى

Ary nitranga izany nandritra ny lalaon'ny sabotsy, azo itokisana fa nisy ny fihoaram-pefy nataon'ny andaniny Ejipsiana.

Ary izao ihany koa no nanoratan'i Daily Barid avy hatrany:

هناك أمر مؤكد بشأن أعمال الشغب من الجانبين المصري و الجزائري فهم ليسوا ملائكة والكل يعلم هذا ,ولكن من يفصل في هذه الأعمال هي السلطات وليس أحد آخر و يجب أن تتحمل السلطات مسؤولياتها الكاملة إذا كان هناك وفيات كما أشيع ولا أتمنى ذلك فالوحيد المسئول عن هذا الأمر هو القضاء و التعامل يكون كالتعامل مع أي قضية إجرامية ودون التوسع إلى أمور أخرى يجب على السلطات في كلى البلدين محاسبة جميع الوسائل الإعلامية غير النزيهة و التي ساهمت بشكل فاضح و شرير في إلهاب مشاعر الحقد بين أفراد الشعب ين

Azo itokisana fa samy nanao herisetra na ny Ejipsiana na ny Alzeriana. Tsy olo-masina ireo, ary samy mahalala izany ny rehetra. Fa ny governemanta (roa tonta) no tompoon'andraikitra nifampiraharaha tamin'ireo nanao action fa tsy tamin'ny hafa. Raha nisy ny fifamonoana, manantena aho fa ny rafi-pitsarana no miditra an-tsehatra, ary tokony ho raharahan-keloka ihany. Tokony hanasazy ny fampahalalam-baovao tsy nanaja ny etikany niteraka savorovoro teo amin'ny vahoaka roa tonta ny governemanta roa tonta.

Raha ny marina ireo zava-nitranga notantaraina tetsy ambony ireo dia azo heverina ho fampidirana ny zava-nitranga tamin'ny alarobia teo tany Soudan. Toy ny manao famaranana na ny Ejipsiana na ny Alzeriana mba ahafahana mahafantatra izay hiakatra amin'ny dingana famaranana hotontosaina any Afrika Atsimo amin'ny herintaona.

Misy ny mpamaham-bolongana manahy fa hisy herisetra hihatra amin'ny mpijery baolina Ejipsiana any Soudan. Izany no nahatonga an'i Lokmet Eish miantso ny mpitandro ny filaminana hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana any:

بعد أخبار صحيفة الخبر الجزائرية المفبركة والكاذبة
مطلوب حماية أمنية خاصة للفريق القومى المصرى،وللجماهير المصرية المرافقة

Taorian'ny vaovao tsy marina navoakan'ny gazety Alzeriana, Al Khabar, dia nisy ny mpitandro ny filaminana manokana nangonina hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana.

Nanao izay ho afany ihany ny Sodaney hifehezana ny kianja tamin'ny nandefasana miaramila miisa 15 000. Saingy efa nivadika moa ny toe-draharaha ka na dia maro tahaka izany aza tsy mbola ampy hahafehy ny raharaha. Nosoratan'i Zeinobia ao amin'ny bolongany izay nitranga:

Natory tamin'alahelo ny ankamaroan'ny Ejipsiana halina taorian'ny faharesena teo anatrehan'i Alzeria, lalao io ary samy mahafantatra fa mety ho resy izahay ary tsy izay akory no farandro saingy mbola niari-tory ihany ny maro amin'ny Ejipsiana manerantany hatramin'ny maraimbe fa hazain'ny jiolahimboto Alzeriana romotra hoe, raha izay no ilazako azy, ny mpanohana antsika nandritra ny alina.
Ejipsiana anarivony no nandany ny alina tany ampiafenana na izany tany amin'ny trano fandriambahiny na trano fisakafoanana na tany amin'ny orinasa Ejipsiana HQ ao Khartoum ary misy aza miafina any an-tranon'ny Sodaney noho ny tahotra sao dia tratra ka voadaroky ny jiolahimboto Alzeriana entin'ny voromby Alzeriana.
Araka ny filazan'ny nanatri-maso tao amin'ny kianja Sodaney dia tsy ireo mpanohana Alzeriana mahazatra ireo tonga tany ireo, tsy nohirainy akory manko ny hira malaza ahafantarana azy ireo manao hoe “1,2,3 Algerie”. Jiolahy efa zatra ady namotsy ny tsenan'i Um Darman tao anatin'ny telo andro katroka tamin'ny alalan'ny kalaza, antsy, sabatra ry zalahy ireo. Mazava loatra fa efa nampitandremana izahay fa tsy noeritreretinay ho tahaka izany ny fandehany indrindra moa efa fantatra fa resy isika. Teny ampividianana tapakila aza dia efa maro ny Ejipsiana tsy nandeha tany noho ny tahotra hisian-javatra tahaka izao indrindra.
Nihaza ny fiarakodianay sy ny fiarabenay tamin'ny vato sy tavoahangy ireo jiolahy Alzeriana ireo, ary maro mihitsy ny Ejipsiana no naratra. Ny seranam-piaramanidin'i Khartoum moa dia tahaka ny tsy haiko ny milaza azy,mety hoe mahantra noho ny toe-karena fa tena hipoka, tena hipoka mihitsy.
Nandritra ny alina manontolo ny firenena no mahare antsom-pihorohoroana avy any Soudan ataon'ny olo-malaza, mpanao gazety, solombavambahoaka sy mpanohana mahazatra izay voafandrika any an-dalamben'i Khartoum any mandritra ny ora ary tsy mahafantatra izay lalan-kodiavina.

Nanoratra momba ny mpankasitraka Ejipsiana iray poa-maso noho ity raharaha ihany koa izy, ary mampitaha izay nitranga ihany koa 20 taona lasa izay raha nanapoaka masona mpankasitraka Ejipsiana iray ihany koa ny mpankasitraka Alzeriana iray:

Aoka ho fantatrao fa olo-pirenena Ejipsiana iray antsoina hoe Marwa Abdel Karim ihany koa no poa-maso, tahaka ny hoe misy fifandraisany fa nanao toy izany tamina olo-pirenena Ejipsiana hafa ihany koa 20 taona lasa izay i Baloumi tamin'ny 1989.

Eto ihany koa dia nanoratra izay nitranga tany Soudan i Bani Adam Maa Waqf El Tanfeez. Nosoratany ny lahatsary iray nivoaka an-tserasera nampitandrina ny Ejipsiana tsy hankany, ary misy ahitana ireo mpankasitraka Alzeriana mitondra antsy eny an-tanany:

أولا أعتذر عن سوء فهمي للموضوع و قيامي بمبادرة تعمل على نبذ التعصب و للأسف كتبت عنها الجرائد الجزائرية .. مما يجعلني أشعر بالعار الآن
لا أعرف كيف لم أصدق كلامهم .. فقد شاهدت بعيني فيديو أسمه ( تحذير لكل مصري ) يقول فيه كل ما سوف يحدث و أنهم سوف يرسلون بلطجيه و لصوص و مسجلين خطر للانتقام من المصريين
بعد فهمي للموضوع أري أن الحكومة الجزائرية و سفيرها في مصر مشارك في المجزرة التي حدثت

Tena miala tsiny indrindra aho, noho ny tsy fahazoako ny resaka iray manontolo ary niantso fandraisana andraikitra hampitsahatra ny herisetra misy eo amintsika sy ny gazety Alzeriana nanoratra momba an'io. Tena manao azafady indrindra noho izany aho ankehitriny.
Tsy fantatro hoe naninona no tsy ninoako izay nambaran-dry zareo. Nahita ny lahatsary iray navoakan'izy ireo aho [tao amin'ny YouTube] izay “Nampitandrina ny Ejipsiana rehetra”, izay efa nilazan-dry zareo ny hitranga ary efa nanampikasana ny handefa mpamono olona mitondra fitaovam-piadiana hamaly faty ny Ejipsiana.
Ankehitriny hitako fa nandray anajara tamin'ity famonoana ity ny governemanta Alzeriana sy ny ambasaderany.

Ary dia notohizany ny resaka:

أرسلت مصر خير أبنائها لمشاهدة المباراة لإضفاء نوعا من السلام و الحب ..
فمن في الوطن العربي كله ؟ لا يسمع محمد فؤاد ؟؟ من في الوطن العربي كله لا يحترم الفنانة فردوس عبد الحميد . من الوطن العربي كله لم يضحك على كوميديا الفنان احمد بدير ؟؟ و غيرهم و غيرهم
أنهم رموز مصر و رموز الوطن العربي كله
بينما أرسلت الجزائر أبنائها من قاطعين الطرق و مسجلين الخطر و غيرهم و نقلتهم على قواتها الحربية ؟؟ كما أكدت وسائل الإعلام أمس أن الجزائر كانت تستخدم الطائرات الحربية ؟؟؟
أذن الجزائر تكره مصر ؟؟
نعم
الجزائر تكره مصر …. الجزائر أعلنت الحرب و نحن كنا نقول وردة لكل جزائري
هل رأيتم شعب يتصرف بساذجة مثلا !! بالطبع

Nandefa ny vato nasondrotry ny tany avy amin'ny fiaraha-moniny tany i Ejipta hijery ny lalao, mba ho mariky ny fitiavana sy ny fandriampahalemana.
Iza tamin'ny tontolo arabo moa no tsy efa nihaino an'i Muhammad Fouad [mpihira ejipsiana], na efa nanaja an'i Fardous Abdel Hameed [mpanao tantara tsangana Ejipsiana], na efa nihomehy tamin'ny hatsikan'i Ahmed Bedeir. Ary ireo hafa ihany koa.
Olomangan'ny Arabo ireo.
Nefa etsy ankilan'izany kosa i Alzeria dia ireo mpisetrasetra sy mpamono olona no notaterin'ny voromby maro an'ny miaramila.
Koa mazava ankehitriny fa mankahala an'i Ejipta i Alzeria. Eny, halan'i Alzeria i Egypt, ary efa nihantsy ady tamintsika, raha mbola teo ampiresahana raozy ho an'i Alzeriana tsirairay isika.
Efa nahita vendrana tahaka antsika tahaka izao ve isika taloha? Tena tsia mihitsy.

Ary dia hita ampahibemaso izany ankehitriny, vonton'alahelo (adala) noho izay nitranga tany Soudan na ny fampahalalam-baovao, na ny vahoaka eny an-dalambe, na ny fitondrana Ejipsiana.

Manoratra ato izay nolazain'ny manam-pahefana Ejipsiana i Zeinobia:

Nampiantso ny Ambasadera Ejipsiana (hody) i Ejipta tao anatin'ny fotoana efa naharatsy ny fifandraisantsika ka vao maika nanampy trotraka ny faharisarisam- pifandraisana tamin'i Alzeria izany
Efa tsy hita eto Ejipta intsony ny Ambasadera Alzeriana, mino aho fa mangoron'entana izy izay.
Efa mifaninana amin'ny fepetram-piarovana ny ambasadin'i Etazonia, i Isiraely ary i Danemarka ny fiarovana any ambasady alzeriana ao amin'ny lalana Brezila any Zamalek.
Nisy fifampiantsoana hanafika ny ambasady manko hatramin'ny maraimbe tany amin'ny takelaka facebook
Nanao fanambarana ofisialy mitsipaka sy manameloka ny fanafihana ny mpanohana antsika ny federasiona Ejipsiana , antenaina fa hotaterintsika any amin'ny FIFA izany
Niala tao amin'ny federasiona baolina fandaka Afrika avaratra ny federasiona Ejipsiana
Nanambara ny orinasa mpamokatra lahatsary tantara (tantara an-tsarimihetsika) Ejipsiana “ orinasa Arabo mpamokatra sy mpampiely lahatsary tantara” fa hanao ankivy ny hetsika Alzeriana.

Tarek Amr

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.