Brezila: famoizana ilay mpitari-dalan'ny resaka niomerika

Daniel Pádua were a well-known digital activist in Brazil. Photo by Cátia Kitahara from WordPress-BR.Malaza amin'ny resaka niomerika any Brezila i Daniel Pádua . Saripika nentin'i Cátia Kitahara ao amin'ny WordPress-BR.

Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao fizaham-pahasalamana i Daniel Pádua [pt] (fantatra amin'ny hoe @dpadua ao amin'ny Twitter) ka fantatra fa tratran'ny homamiadana ary dia lavo tao andrenivohitra Brasília androany (zoma) maraina. Tonga nanatrika matetika amin'ny resaka rindrambaiko manokatra loharano (open source) sy ny hetsika ara-kolontsaina afaka any Brezila ny lehilahy ka fitaratra ho an'ny mpamaham-bolongana maro amin'ny resaka fahavitrihana sy ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto.

Ao amin'ny bolongan'ny WordPress-Br, no anoratan'i [pt] Cátia Kitahara :

Hoje perdemos um amigo queridíssimo, aqui da comunidade, o Daniel Pádua. Sentiremos muito sua falta, não só pelo grande talento e inteligência que ele possuia, mas principalmente pelo seu caráter. Queremos manifestar nosso carinho para sua família e amigos.

Nandao antsika androany i Daniel Pádua ilay akama reven'ny tontolontsika indrindra. Hisy ny fahabangana lehibe avelany noho ny talentany sy ny fahaizany ambony, ary indrindra noho ny toetrany. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny namany izahay.

Rehefa niely nanerana ny vohikala moa ny vaovao dia niondri-panajana teo anatrehany sy nanao veloma farany azy ny mpampiasa Twitter nahalala ny asany sy ny ezaka nataony:

emerluis honors dpadua

Fahatsiarovana takariva @dpadua. 480N.

Ity no lahatsoratra natokan'ny Global Voices ho an'i Daniel Pádua. Mandria ampiadanana.

Diego Casaes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.