Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”

Vao haiana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vavahadin-tserasera, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Nametraka azy teo amin'ny laharana faha-11 amin'ny sokajy “fiaraha-monina” amin'ny aterineto Poloney ireo salan'isa farany teo.

odsiebie-pl

Nipoitra tany amin'ny fitoraham-blaogy kiritika toy ny Blip.pl ireo tsaho voalohany. Nanoratra ity (POL) ny iray tamin'ireo mpampiasa azy – shunkiano – tamin'ny 11 Novambra:

1

Diso ve aho, sa foana ny OdSiebie?

Avy eo dia hoe nihidy ny OdSiebie.com, ary nipoitra tany amin'ireo blaogy maro ny  fanamafisana farany. Nanoratra i Paolo (POL):

[…] Mandeha ny tsaho fa natsahatra ny fampiantranoana “fichiers” maimaim-poana OdSiebie.com. Renay  fa nosamborin'ny mpitandro filaminana ny tompony sy mpamorona azy [Łukasz Ć.], ary nogiazan'izy ireo koa ireo CD 200 [nahitàna fitaovana tsy manana “copyright”  ara-dalàna] sy “disques durs” efatra. Efa azon'izy ireo ihany koa ny fidiran'ireo mpampiasa [userlogs]. […]

Nanomboka natahotra ireo mpampiasa satria niteny ireo manampahefàna fa afaka miditra amin'ny kaontin'ireo mpampiasa ny OdSiebie.com koa ry zareo, dia nipoitra indray ny tsaho hafa – tamin'ity indray dia hoe mety ho voasambotra koa hono ireo mpampiasa. Ao amin'ny Blip.pl, Nanoratra i frk (POL), mpampiasa:

Voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Afaka miditra amin'ny kaontin'ny mpampiasa ny manampahefana. Samia mitandrina.

Maro ny akon'ireny fihetsika ireny teo amin'ny tontolon'ny blaogy sy manerana ny aterineto tao Polona. Voalohany indrindra, nitondra tany amin'ny fanoherana nokarakarain'ireo mpampiasa hafa izany, izay tena nalaza be tao amin'ny Wykop.pl (tolotra mitovitovy amin'ny Digg):

protest

Ary ity misy hevitra iray (POL) avy amin'i Piotr Vagla, mpitoraka blaogy manoratra momba ny resaka ara-dalàna sy ny aterineto:

Tsy mbola nosamborina mihitsy ireo mpamorona ny YouTube, nefa reko fa voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Nanolotra dinidinika ho an'ny daholobe i Łukasz Ć., tamin'ny filazany fa milay ny vohikalany, ary eo am-panomanana tetikasa ho an'ny hoavy izy. Nanambara koa izy fa ny raharaha manontolo momba ilay vohikala Swedish [The Pirate Bay] dia tsy inona fa vokatry ny tsy fiarahan-dry zareo miasa amina vondrona manohatra ny fanaovana piraty. Tsy fantatro raha niara-niasa tamina vondrona toy izany izy fa raha eny no valiny, dia tsy dia nanampy azy loatra izany. […]

Amin'izao fotoana izao, tsy dia mazava loatra raha hisambotra ireo mpampiasa ny OdSerbie.com ny manampahefana, na dia misy olona sasantsasany aza miteny izany. Tsy mbola nisy voasambotra aloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.