Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Tamin'ny 25 Oktobra, nanambara ny ‘orinasa three Gorges’ any Sina fa tsy misy ifandraisany mihitsy ny haintany sy ny tetikasan'ny  Three Gorges :

Zheng Shouren,  Injeniera mpifehy ao amin'ny komity mitantana ireo Loharanon-dranon'ny renirano Yangtze, dia niteny fa ireo izay manilika ny andraikitra momba ny haintany any Hunan sy Jiangxi samirery amin'ny tetikasa Three Gorges dia mijery mitongilana. “Ny tena niteraka io haintany any Hunan sy Jiangxi io dia ny tsy fahampian'ny rotsak'orana any an-toerana ampian'ny fiakaran'ny maripàna tsy ankiato nanomboka tamin'ny Septambra,” hoy Zheng, izay mpikambana ao amin'ny Akademia Sinoa momba ny Injeniora.

Tamin'iny andro iny ihany, nasondrotra ny taham-pamatsian-drano mba hampalefaka ny haintany amin'ny faritra iva. Ny 28 Oktobra, nitatitra ny CCTV fa nisondrotra bebe kokoa ny famatsian-drano. Niaiky ireo tompon'andraikitra fa tsy ho tratra amin'ity taona ity ny tahiry mirefy 175 metatra nokendrena, nefa nanisika fa tsy misy fifandraisany amin'ny tetikasa Three Gorges mihitsy ny haintany.

Three Gorges

Nandray anjara tamin'ny adihevitra i Qian Gang (钱钢), mpanao gazety sinoa fanta-daza. Tanaty lahatsoratra ho an'ny 1bao (壹报) tamin'ny 2 Novambra dia niteny izy fa:

旱灾通常由气候变化引致。今年夏秋,包括广东在内的诸多省份少雨干旱。但长江流域广大地区今次大旱情,却与三峡有关。据报道,三峡水库水位由9月15日的近148米上升到10月24日的170米,截留之水形成前所未有的巨大人工湖。

Matetika ny haintany dia noho ny fiovaovan'ny toetr'andro. Faritany vitsivitsy, isan'izany Guangdong, dia nandalo haintany nandritra ity fahavaratra sy fararano ity. Nefa ny faritra midadasika tratran'ny haintany manodidina ny renirano Yangtze dia noho ny tetikasa Three Gorges. Araka ireo tatitra, niainga tamin'ny 148m ny hahavon'ny tahirin-dranon'ny Three Gorges ny 15 Septambra ka tonga 170m tamin'ny 24 Oktobra. Namorona renirano goavana sy tsy manam-paharoa vitan'olombelona izany.

而与此同时,湖南各条长江支流水位迅速下降,洞庭湖水位降至60年来同期最低值。渔民无鱼可捕,枯水影响航运,长沙等城市食水供应告急。江西境内的4条大河逼近或低于历史同期最低水位。鄱阳湖比正常年份提前40天进入枯水期。

Mandritra izay dia nihena haingana ny haavon'ny rano any amin'ireo loharano any amin'ny faritanin'i Hunan. Nahatratra ny ha-iva ambany indrindra tao anatin'ny 60 taona ny renirano Dongting . Voadona mafy tamin'izany ireo mpanjono sy ny fitaterana an-drenirano. Miatrika tsy fahampian-drano ireo tanàna toa an'i Changsha. Efa saika nahatratra ny ha-iva manan-tantara ireo renirano lehibe efatra any amin'ny faritanin'i Jiangxi. Ritra 40 andro mialoha noho ny mahazatra ny renirano Poyang.

Lasa nitsikera ireo tompon'andraikitra izy:

长江水利委员会的专家把华中干旱的原因归咎于天气,称三峡蓄水是为了抗旱,蓄至高水位,才能在来年苦水季给下游补水。

Manameloka ny toetr'andro ny komity mitantana ireo Loharanon-dranon'ny renirano Yangtze. Niteny ny komity fa mifototra amin'ny tanjona fisorohana ny haintany amin'ny taona ho avy ny tetikasa Three Gorges. Tsy misy afa-tsy ny fitahirizana rano be dia be no vahaolana hamatsiana rano mandritra ny vanim-potoana maina amin'ny herintaona.

这是对公众极不负责的态度,好比一个人先劫掠,再施舍,然后以扶困救难的善士自居。请不要再欺骗老百姓,请解释:明知夏秋之际中国中部、南部少雨干旱,为什么还启动风险如此巨大的三峡蓄水计划?

Tsy fihetsika mpandray andraikitra izany. Toy ny mandroba olona ary avy eo manampy azy indray amin'ny fihantsaram-belatsihy. Azafady, aza mandainga amin'ireo olom-pirenena intsony. Mba hazavao azafady: raha fantatra fa ho vanim-potoanan'ny haintany ny fahavaratra sy fararano ho an'ny Sina afovoany, maninona no mbola manao tetikasa mety hitera-bokatra ratsy goavana ihany?

为什么在今秋急急上马175米高程蓄水?有关部门宣称“将兼顾上、下游需求,正确处理防洪、发电、航运和供水之间的关系”,但一个月来长江中下游航运淤滞、供水告急的事实,证明这完全是一句假话。能源部门这个央企巨无霸,真正追求的东西只有一个——钱。

Fa maninona no nandray fanapahan-kevitra maimaika ny hanatratra ny hahavon'ny tahiry ho 175 metatra? Nanambara ireo tompon'andraikitra fa  “handamina ny fifandajana ao amin'ny resaka fisorohana tondra-drano, famokarana herinaratra, fifamoivoizana an-drenirano ary ny famatsian-drano. Nefa nandiso izany fanambaràna izany ny fitohanan'ny fifamoivoizana sy ny haintany tamin'ny volana lasa teo. Ny departemanta miandraikitra ny angovo, orinasam-panjakana goavam-be iray, dia tsy mitady afa-tsy zavatra iray ihany: vola.

Toa manako ao amina hevitra iray ao anatin'ny gazety mpivoaka isanandro ao Hong Kong izany:

區內雨量大幅減少確實是洞庭、鄱陽兩湖乾涸的主要原因。但兩湖水位急降,跟三峽工程也有關係。三峽水庫九月中啟動一百七十五米蓄水計劃後,長江中下游開始水位急降,本來儲存長江來水的洞庭及鄱陽,倒過來向長江輸水。

Tena anton'ny fidinan'ny hahavon'ireo renirano Dongting sy Poyang ny fihenan'ny rotsak'orana. Nefa misy idiran'ny tetikasa Three Gorges koa izany. Nanomboka tamin'ilay fampihàrana ilay tetikasa hitahiry tamin'ny Septambra, nidina haingana be ny hahavon'ny Yangtze amin'ireo faritra iva. Dongting sy Poyang, izay niasa ho toy ny tahirin-drano miditra tany am-boalohany, dia lasa loharanon-drano ho an'i Yangtze.

巨大的三峽水庫本可調節長江水量:雨季時截住洪水…枯水時增加排水量…可惜,這幅理想圖像與現實的利益存在衝突,很難實現,因為三峽工程已成為利益集團的禁臠和生財工具。

Azo ampiasaina handrindràna ny fizotry ny rano ilay tetik'asa goavan'ny Three Gorges: ny fanakanana ny rano mandritra ny fotoan'ny orana ary famatsiana rano rehefa fotoan'ny haintany… Indrisy, tsy ho tanteraka izany sary lafatra izany, satria zara lasa antontan'entan'ireo mahita tombontsoa aminy ilay tetikasa.

[sary : www.1bao.org]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.