Sina: Ranomandry vita sinoa

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao an'iny fandrotsahana ranomandry iny.

snow3

Noho ny haintany iainan'i Beijing no anton'izany filatsahana noterena izany. Ny alina talohan'ny firotsahana ranomandry, nanapoaka ‘iodure d'argent’ tany an'habakabaka tany ny governemanta. Niteraka ny fisondrotan'ny habetsahan'ny ranomandry hatramin'ny 16 tapitrisa taonina izany.

“Hoararaotinay ny fotoana rehetra azo hanaovana rotsak'orana artifisialy raha toa i Beijing mbola ampijalian'ny haintany maharitra,” hoy Zhang Qiang, lehiben'ny birao mpanova toetr'andro, tamin'ny haino aman-jerim-panjakana.

Manan-tantara amin'ny fandrotsahana orana artifisialy i Sina, ampiasaina matetika hanakanana ny haintany. Indraindray kosa, mampihena ny rotsak'orana ny birao mpanova toetr'andro mba hampisava ny lanitra, ohatra hoe mandritra ny fetim-pirenena ny Oktobera na ny Lalao Olaimpikan'i Beijing.

Nizarazara ny hevitr'ireo mponin'ny aterineto momba iny ranomandry vitan'olombelona tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny. Ny sasany dia nanoratra am-pifaliana ny hatsaràny, toa ilay mpitoraka blaogy, 鱼干儿.

北京的天气,总是这么让人匪夷所思。毫无预兆的就下了场雪,而且还一发不可收拾。听说是人工催下来的,管他呢,我们就爱这样的天气。

Tsy takatry ny saina ny hatsaràn'ny toetr'andron'i Beijing. Tsy nisy fampafantarana fa tonga dia nanomboka nilatsaka ny ranomandry. Sady irony karazan-dranomandry saro-diovina sy alamina irony. Reko fa toa vitan'olombelona ilay ranomandry. Nefa tsy raharahako. Tianay izao karazana toetr'andro izao.

Ny sasany anefa sosotra. Nanoratra i 小米

回来才听说这是场人工降雪,是谁这么主观的断定这是下雪的好时机呢??到处都是措手不及的冷,电力、交通、供暖等都遇到很棘手的问题。

Taorian'ny nandrenesako fa vitan'olombelona iny, tsy maintsy nanontany tena aho hoe mba karazan'olona inona loatra no nieritrerira fa fotoana tsara hirotsahan'ny ranomandry izao? Na aiza na aiza ny olona dia tratran'ny hatsiaka sy ny olana mifandraika amin'ny herin'aratra, ny fifamoivoizana ary ny fanafanàna.

Tao amina forum iray amin'ny aterineto, nitaraina ny mpampiasa iray fa tokony nampiomana ny mponina mialoha ny governemanta, nanampy fa tsy maintsy nahemotra ny ankamaroan'ny sidina tao amin'ny seranam-piaramanidina.

要我说,这种人定胜天的精神是好的,虽然北 京人都“被冬天”了,如果真能解除北方旱情也算是功德一桩。就是没通知大家的气象局太不地道。

Raha ny fijeriko azy dia tsara ilay karazam-panahin’ ‘olombelona afaka mibaiko ny zava-boary’, na dia ‘nivaingana’ aza ireo mponin'i Beijing. Raha ohatra ka tena afaka mamaha ny olana ateraky ny haintany ry zareo dia tena mendrika tokoa. Nefa toa tsy dia rariny loatra ny tsy nampilazan'ny birao mpanova toetr'andro na iza na iza mialoha ny fotoana.

Nisy lahatsoratra vitsivitsy tamin'ny aterineto koa naneho tahotra noho ny mety ho vokatr'izany ranomandry tsy tena izy izany amin'ny tontolo iainana. Mpitoraka blaogy iray, 天边的云, nanontany tena raha misy olona manan-jo hanovaova ny toetr'andro.

但是,在我们还不能完全掌握天气变化的规律时,就盲目改变局部的天气,是否会对 整个环境造成更大的不利影响呢?比如,这次因为北京缺水,就让原本要下到山东(假设而已)的雪在北京下了,会不会造成山东更缺水呢?

Nefa raha manovaova am-jambany fotsiny ny toetr'andro isika nefa tsy mahafehy ny lalànany akory, tsy vao mainka ve izany hanimba be ny tontolo iainana? Ohatra, ny rotsa-dranomandry tamin'iny fotoana iny dia noho ny fijalian'i Beijing amin'ny haintany. Ahoana raha tokony tany Shandong iny ranomandry iny no nirotsaka tamin'ny voalohany (ndeha ataontsika hoe izany aloha), fa tsy tany Beijing. Hiteraka haintany bebe kokoa any Shandong ve izany?

Alex Pasternack, mpitoraka blaogy no sady mpanao gazety any Beijing, dia nanoratra lahatsoratra tao amin'ny Tree Hugger mamelabelatra ireo mety ho vokatry ny rotsak'orana vitan'olombelona.

Nahatratra 800 000 hektara ny saha tratry ny haintany tamin'ny faran'ny volana oktobra, araka ireo tombatombana ofisialy, ary voalaza fa tena nilain'ireo tantsaha teny an-toerana tokoa iny rahon-dranomandry iny.

Nefa tsy ireo tantsaha rehetra tany an-toerana no nahazo tombon-tsoa. Mety ho voka-dratsy iray amin'ny fanovàna toetr'andro ny fanosehany ny rotsak'orana amin'ireo faritra mila izany koa, mba hanaovana rahona lehibebe kokoa amina faritra voakendry.

Nanao hanihany tamin'ity ranomandry ity ireo mpampiasa aterineto hafa. Nanoratra i Elizabeth Kain tao amin'ny blaoginy:

Ny ranomandry nirotsaka omaly no nirotsaka aloha indrindra tao anatin'ny folo taona. Azoko antoka fa ny reniko, izay nipetraka tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Beijing nandritra ny adiny fito noho ny fikorontanana na fampiatoana ireo sidina rehetra mivoaka sy miditra ny tanàna, dia mety ho faly satria ho an'ny firenena no nisian'iny olany iny.

Nisy hevitra iray hafa momba ilay ranomandry koa nanao fanamarihana mahatsikaiky:

Martin M. November 2, 2009 3:30 pm

Vita sinoa daholo ny zava-drehetra, na ny ranomandry aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.