Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray

Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra  sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe  “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne? [Why am i ready to defend Britain?]“

Maram dia manomboka ny filazàny amin'ny hoe:

كنتُ دائماً أعلن أنني أحب بريطانيا..فهنا أحلى ذكريات طفولتي، وهنا الوطن الثاني الذي عشت فيه (ولا أزال) ردحاً من عمري. ولم تكن لدّي مشكلة كبيرة مع كون بريطانيا دولة عدوانية بامتياز (تاريخياً وفي الحاضر أيضاً ) باعتبار مشاركتها في الحربين على أفغانستان والعراق، لأنني كنت هنا منذ البداية وأعرف بأن هناك فرق شاسع بين ما يقوم الساسة بتنفيذه وبين ما يريده الشعب حتى في دولة ديمقراطية مثل المملكة المتحدة. فأنا أدرك بأن أقوى المنظمات الشعبية المعارضة للحرب موجودة هنا، وأفضل الأفلام الوثائقية التي فضحت جرائمها أنتجت في هذا البلد. وأراقب يومياً الجدل الدائر في الصحافة والإعلام وأروقة السياسة حول رغبة الشعب في رؤية قواته تنسحب من هذين البلدين وأن يفتح باب المحاسبة والمحاكمة لكل من تسببوا بهذه الجرائم.
Nilaza mandrakariva aho fa tia an'i Grande Bretagne… Tany ireo fahatsiarovana tsara indrindran’ ny fotoam-pahazazako, tanindrazako faharoa, izay niainako betsaka ny androm-piainako nandritry ny fotoana maharitra (ary hatramin'izao). Tsy dia nanana olana goavana loatra aho momba izay maha-firenena mahery setra an'i Grande Bretagne  (na ara-tantara ary mandrak'izao aza) indrindra fa raha ny hoe nandraisany anjara tamin'ireo ady roa tany Afganistana sy Iraka, satria teto foana aho hatramin'ny nanombohany ary fantatro fa misy fahasamihafàna goavana eo amin'ny tian'ireo mpanao politika hapetraka sy izay tadiavin'ny vahoaka,  na dia anatina firenena demaokratika toa an'i Grande Bretagne aza. Noho izany no nahatsapako fa eto daholo ireo foibena fikambanana goavana manohitra ny ady, ary ireo horonantsary tsara indrindra maneho ny heloky ny firenena dia eto no vokarina. Ary hitako saika isan'andro amin'ireo resaka an-gazety sy media isan-karazany, hatrany an-dalantsàran'ny mpitondra àny ny hetahetan'ny vahoaka hanesorana ny tafik'izy ireo amin'ireo firenena roa ireo, sy ny hanokàfana fanadihadiana lalina ka hitondràna eo anatrehan'ny lalàna ireo rehetra tomponandraikitra tamin'ireny vono olona ireny.
ومع مقتي الذي لا أخجل من التصريح به علناً ورفضي للسياسات الخارجية لحكومات لندن المتعاقبة، إلا أنني كنت دائماً أكن احتراماً كبيراً لسياساتها الداخلية والتي تقوم على احترام حقوق الإنسان وعلى إنشاء مجتمع متعدد الثقافات.
Na eo aza ny fankahalàko, izay tsy asiako henatra fa abaribariko ho hitan'ny maro, ary ny tsy fankasitrahako ireo politika ivelan'ny governemantan'i Londres nifanesy, dia manàja mandrakariva ny politika anatin-dry zareo kosa aho, izay mifototra amin'ny fanajàna ny zon'olombelona sy ny fametrahana fiarahamonina isian'ny fifangaroana kolontsaina marolafy.
فأنت في بريطانيا ليس مطلوباً منك أن “تنصهر” أو ” تتبرطن” حتى يعتبرك الناس واحداً منها. تستطيع أن تكون مسلماً وبريطانياً، يهودياً وبريطانياً، وأسودأً وبريطانياً، وتستطيع أن تصل بالأمس أو تولد هنا ومع ذلك تقول بفخر بأنك بريطاني ولن ينكر عليك أحد ذلك. صديقاتي الفرنسيات والإسبانيات وغيرهن من الأوربيات المتحدرات من غير البلد ذاته الذي يحملون جنسيته (حتى لو كان بلداً أوربياً مجاوراً) يعلنون بصراحة بأن الوضع ليس كذلك في بلدانهن. فالجزائري يظل غريباً في فرنسا ولو كان جده هو من هاجر إلى باريس قبل مائة عام يوم أن كانت الجزائر بالأصل جزء من فرنسا.
Rehefa tonga aty Grande Bretagne ianao, tsy ilainao akory ny hoe  “hahafehy” na  “hiova ho Anglisy” vao handray anao ho isan'izy ireo ny olona. Azonao atao ny sady ho Silamo no Anglisy,  sady Jiosy no Anglisy, sady mainty  no Anglisy; mety ho vao omaly ianao no tonga teto na teto mihitsy no teraka, ary dia afaka sahady hitoetra amim-pireharehana fa Anglisy ianao  – tsy misy olona afaka handràra anao amin'izany. Ireo vehivavy namako teratany Frantsay,  Espaniôla, sy Erôpeana hafa koa izay manana fiaviana ivelan'ireo firenena ireo sy izakàn'izy ireo ny zom-pireneny (na dia ireo manam-piaviana avy amin'ireo firenena Erôpeana mpifanolo-bodirindrina aza) dia tsy mihambahamba miteny fa tsy mba toy izao ny tranga iainana any amin'ny firenen-dry zareo. Ny Algeriana iray dia mijanona ho vahiny foana any Frantsa, na dia mpifindra monina tany Parisy efa anjaton-taonany tany aloha tany  aza ny raibeny  fony Alzeria mbola teo ambany fiahian'i Frantsa.
حدثان في الأسبوع الماضي لفتا انتباهي بخصوص خصوصية بريطانيا.
Tamin'ny herinandro lasa dia tranga roa no nisarika manokana ny saiko momba ny lafy tsara mampiavaka sy ananan'i Grande Bretagne.

Maram dia tonga hatrany amin'ny famaritana ny hetsika iray tao amin'ny Anjerimanontolon'i Oxford ho fandraisana mpiasa, nataon'ny Kaompanian-tsolika izay iasàny. Nandritra ilay hetsika dia maro ireo naneho tsy hafaliana nandrangaranga izay lazain-dry zareo fa nataon'ilay kaompania tany amina firenena maro maneran-tany, mitoroka azy ho nanao heloka bevava. Nanomboka nanàla ireo mpanao fanoherana ny mpitandro filaminana, saingy ny tomponandraikitry ny kaompania kosa nanaiky hamela azy ireo hilaza izay tiany hambara nandritry ny dimy minitra, tamin'ny nilazàny fa hajainy ny zon'izy ireo hànana fahalalàhana maneho hevitra. Kanefa, taorian'ny nahataperan'ny dimy minitra dia tsy navelan'ireo mpanao fihetsehana hanohy ilay tomponandraikitra, sady nanohy ny horakoraka ry zareo. Na teo aza anefa ny fanakorontanana, tohina ilay tomponandraikitry ny kaompania rehefa nahita iray tamin'ireo mpanao hetsika nentina an-keriny; nolazainy fa i Grande Bretagne dia firenen'ny fahalalàhana ary tsy misy olona tokony hofaizina satria hoe tsy mankasitraka ny fomba fiasan'ny kaompania.

Ny hetsika faharoa nisarika ny sain'i  Maram dia ampahany manokana tamin'ny fandaharana Fotoan'ny Fanontaniana [Question Time] fandefan'ny BBC isan-kerinandro, ka tanatin'izany no namalian'ireo mpanao politika sy olona maro hafa ny fanontanian'ny mpihaino momba ny olana sedraina ankehitriny. Tsy lanin'ny sain'ny maro, ny Question Time dia nahafahan'ny filohan'ny antoko ankavanana anglisy British National Party sady mpikambana ao amin'ny  EParlemanta Eropeana, Nick Griffin, nijoro ho isan'ireo mpandray anjara tamin'ilay fandaharana. Tany aloha tany i Nick Griffin dia efa voaheloka noho ny fizaràna fitaovana nihantsy  fifankahalàna ara-poko.

Taorian'ny fikarakarana ny seho an-tsehatra, Maram dia mamaritra ny zava-nitranga nandritra ilay fandaharana:

عودة إلى غرفن فقد أعطي الفرصة ليحدثنا عن خزعبلاته ويشتم الجميع دون أن يؤذيه أحد! وإنما استطاع زملائه في البرنامج من الأحزاب الأخرى وعلى رأسهم الوزير جاك سترو وكذلك الجمهور الحاضر (من بيض وسود وآسيوين ومسلمين ويهود ومسيحيين وغيرهم) بأن يردوا على أفكاره المتخلفة بمنتهى الهدوء والتحضر ويعروه أمام الجمهور البريطاني، فبدا (خريج جامعة كامبريدج) وكأنه طفل يحاول إغاظة الكبار بقول كل الكلمات التي طلبوا منه سابقاً أن لا يقولها..ثم بدا كفأر في مصيدة لا يقوى على الخروج منها…وكان أجمل تعليق ذلك الذي قاله أحد الحضور من المسلمين إذ عرض عليه أن يشتري له تذكرة للقطب الشمالي ليستمتع بالحياة في بيئة بيضاء لا تعكرها الألوان المزعجة!
Ndao hiverenana any amin'i  Griffin, nomena fotoana izy nilazàny tamintsika ny hagaigeny àry tsy nisy mihitsy olona nanelingelina azy tamin'izany! Soa fa ireo mpandray anjara avy amin'ny antoko hafa tamin'ilay fandaharana, notarihan'ny minisitra Jack Straw, ary ireo mpanatrika teo (fotsy, mainty, aziatika, silamo, jiosy, kristiana sy hafa koa) dia samy afaka namaly ny hevitra maiziny tamim-pahatoniana sy tamin'ny fomban'olo-mandroso avokoa, ary nampihanjahanja azy nanoloana ny vahoaka Anglisy. Ity olona navoakan'ny Anjerimanontolon'i  Cambridge ity dia toa nanao fanahin-jaza niezaka nandranitra ireo zokiny tamin'ny famerenana ireo teny rehetra efa noraràna tsy holazainy tany aloha tany… Avy eo dia toy ny voalavo tratry ny fandrika izy, tsy nahita ny làlan-kivoahana…Ny fanamarihana tsara indrindra dia avy amin'ny iray tamin'ireo Silamo nanatrika; nanao tolotra  hividy tapakila ho azy mba hahafahany mandeha any amin'ny Tendron-tany Avaratra ilehio, mba hahafahany manaram-po amin'ny tontolo fotsy, tsy pentipentenin'ny loko hafa!
انتهت الحلقة منذ أربعة أيام … ولم يخسر أحد وظيفته، ولم تقم انتفاضات ولا نزلت قوات الشغب إلى الشوارع! وواصلنا جميعاً حياتنا بسلام.

بعد أن شاهدت الحلقة ليلتها أطفأت جهاز التلفاز، وذهبت لأنام وأنا أشعر بفخر خفي لأنني متواجدة في هذا البلد العظيم وبالتالي جزء منه، وأغمضت عيني وأنا أقول لنفسي بأن البلد الذي يمنح هذا القدر من الحرية للناس ليعيشوا ويتحدثوا دون خوف – مالم يخالفوا القوانين المعلنة المعروفة – لهو أجدر بقعة جغرافية بأن يتداعي الناس للدفاع عنها ولم لم ينتموا إليها عرقاً أو ولادة أو سكناً أو رحماً..فوطن الحرية هو واحة يستظل تحتها الجميع..في حين أن أوطان القمع هي سجون لأهلها..وشتان ما بين الواحة وزنزانة السجن الباردة..

Efatra andro lasa izay ilay ampaham-pandaharana… tsy nisy ny very asa, tsy nisy korontana nitranga, ary ny mpitandro filaminana mpandrava korontana dia tsy nirotsaka an-dalambe! Nanohy ny fiainanay tam-pilaminana izahay rehetra.
Taorian'ny nijerena ilay seho iny alina iny, nopihako ny fahitalavitra dia lasa aho natory niaraka tamina hadedahana tsy ambara havana fa hoe miaina eto amin'ity firenen-dehibe ity aho ary vokatr'izay dia vatana iray aminy. Nakipiko ny masoko no sady niteny irery aho hoe ny firenena afaka manome ny vahoakany ny fahalalàhana miaina sy miteny tsy amin-tahotra – raha mbola tsy mankitsakitsaka ny lalàna velona ry zareo – no tena toerana ara-jeografika ilain'ny olona hivondronana sy hahitàna fifanohanana, na dia tsy singa iray amin'izany noho ny fiaviana ara-poko, na noho ny fahaterahana, na noho ny fonenana teo aza izy … Toeram-pialàna sasatra an-tany efitra ho an'ny tsirairay ka ahafàhany misitraka  alokaloka  ny firenena iray itoeran'ny fahalalàhana, raha fonja ho an'ny vahoakany kosa ireo firenena anjakàn'ny famoretana… ary toy inona ny fahasamihafàn'ny toeram-pialantsasatra sy ny efitra famonjàna mamirifiry iray…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.