Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso

13abanNanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity.

Araka ny efa nantenaina, dia nandrakitra ny Iranian citizen media recorded “tantara” tamin'ny finday ny olo-tsotra nitati-baovao.

Manitsaka ny sarin'ny Mpitarika Faratampon'ny firenena, Ayatollah Ali Khamenei, ny mpanao fihetsiketseha-panoherana tao Teheran, fihetsika izay tsy azo nosainina akory volana vitsy lasa izay.

Hafatra ho an'i Obama: Na ianao miaraka aminay na amindry zareo.

Mehdi Karoubi, mpitarika mpanohitra, miaraka amin'ny vahoaka.

Manafika ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.