Georgia: Mampitabataba orthodoksa

Any amin'ny firenena mpivavaka indrindra ao atsimon'i Kaokazy izay ahitana Patriarka an'ny fiangonana Orthodoksa mbola mandrisika ny fiterahana maro, dia mbola fady izany mitsikera mpitondra fivavahana izany. Mbola ratsy kokoa noho izany sady mampidi-doza ny manivaia azy ireny, araka ny taterin'ny This is Tbilisi Calling [miantso ity i Tbilisi].

The Georgian police are reported to have tracked down the thought criminals responsible for “indecent and insulting” satirical videos which targeted the head of the Orthodox Church and caused a nationwide scandal in this fervently religious country. A statement from the Interior Ministry identified the culprits as a school pupil and a student. […]

Notaterina fa nahasarona ireo mpanao heloka tompon'antoka tamina lahatsary satirika[mampihomehy toa maneso] “tsy mahalala menatra sy manompa” ny lehiben'ny Fiangonana Orthodoksa ka nampitabataba nanerana ity firenena fatra-pivavaka ity ny polisy Georgiana. Ny fanambarana nataon'ny minisiteran'ny atitany no nahafantarana fa mpianatra madinika sy mpianatra any amin'ny anjerimanontolo ry zalahy ireo.[…]

Nasondrotr'i Evolutsia hivelatra kokoa ny adihevitra ka nosinganiny ny herin'ny Fiangonana sy ny fahalalahana hiteny. Tao amin'ny singan-dahatsoratra tao amin'ny vaovaon'ny bolongana vaovao mamoaka vaovao amin'ny teny anglisy i Inge Snip no nampaneno ny lakolosy fanairana.

One of the most fundamental freedoms is, I believe, the freedom of speech. Freedom of speech enables a country to show to every citizen that their opinion is allowed to be heard, no matter the content. In addition, a true democracy allows the mocking of important figures in society, and by doing so, it shows its maturity.

[…]

To conclude, there is no grounds for investigating this issue, nor should there be; however, the law enforcement agencies did the opposite, because there is some kind of popular demand. As a student of law, this is easily one of the most ridiculous grounds for any judicial investigation I have ever heard.

Araka ny fahafantarako azy, ny fototra lehibe iray manorina ny fahalalahana dia ny fahalalahana miteny. Avy amin'ny fahalalaham-pitenenana no ahafahan'ny firenena iray maneho amin'ny olom-pirenena tsirairay fa omena alalana hohenoina ny hevitr'izy ireo, tsy maninona izay votoatiny. Ankoatra izany ny tena demaokrasia dia mamela ny fanesoesoana ny tsongoin’ olom- bolo eo amin'ny fiaraha-monina handeha, fa avy amin'ny fanaovana izany no anehoany ny fahamatorany.

[…]

Raha fehezina dia tsy misy antony tokony hanaovana famotorana amin'ity raharaha ity, na tokony tsy hisy izany; saingy ny mifanohitra amin'izany moa no ataon'ny mpampihatra ny lalàna, satria misy ny karazana fitakiam- bahoaka amin'izany. Amin'ny maha-mpianatra ny lalàna, dia ity no iray amin'ny famotorana ataon'ny fitsarana kidaladala indrindra henoko.

Onnik Krikorian

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.