Honduras: Hanomboka hifarana ny krizy?

Manokatra ny varavaran'ny famahana ny krizy, nanomboka tamin'ny 28 jona 2009 tamin'ny nanonganana ny Filoha Manuel Zelaya ny nanasoniavana ny “Fifanarahana fifampidinihan'i Guaymuras ao San José/Tegucigalpa [es]”. Nanao ny sonia tamin'ny 29 oktobra teo ny ekipa nisolo tena an'i Zelaya sy ny an'ny filoha vonjimaika Roberto Micheletti, miaraka amin'ny faneken'i Etazonia, na raha tononina mazava dia ny sekreteram-panjakana lefitra misahana ny raharahan'ny hemisfera, Atoa Thomas Shannon.

Ny tena niompanan'ny fifanarahana izay niadian-kevitra indrindra sy nampandamoka ny fifanarahana hatramin'izay dia ny momba ny hierenan'i Zelaya na tsia eo amin'ny fitondrana indray. Mametraka fifampizaram- pahefana ity fifanarahana ity sy ny hanekan'ny andaniny sy ny ankilany ny valim-pifidianana izay hotanterahina amin'ny 29 Novembra ho avy izao. Eo ampelatanan'ny Kongresy Nasionaly moa amin'izao fotoana izao ity fifanarahana ity, izay tsy maintsy hanaiky nefa izy ireo ihany no nandrotsa-bato ny hanalana an'i Zelaya 120 andro mahery izay.

Photo by NewsHour and used under a Creative Commons licenseSaripikan'i NewsHour ary ambany fahazoan-dalan'ny Creative Commons license

Midera izao fifanarahana vita sonia izao ny Fiarahamonina Iraisampirenena. Manohana ny fifidianana hotontosaina amin'ny volana novambra ny Vondrom-pirenena Amerikana [kaontinanta], tahaka iany ihany koa ny Vondrona Eoropeana sy i Etazonia, izay efa mamoaka visa ho an'ny firenena indray, izay nandraisana fepetra nanerena ny fitondran'i Micheletti.

Mifangaroharo ny fanantenana sy ny fisalasalana any Honduras. Fanantenana fa hivaha araka izay haingana indrindra, farafaharatsiny ny toe- java- misy ankehitriny, ny krizy politika, ekonomika, ary sosialy izay niainan'ny firenena hatramin'ny volana jona. Fisalasalana satria mbola eo ampelatanan'ny Kongresy ny momba ny fiverenan'i Zelaya. Misy noho izany ny hevitra mivoaka avy amin'ny bolongana:

Ao amin'ny bolongana Nacer en Honduras [es], no anoratan'i Ardegas “Hiverina hitondra ve i Zelaya? Fanontaniana mampihazohazo,” ary dia nojereny ny sakantsakana mety hatrehiny mialoha ny hiverenany eo amin'ny fitondrana. Ohatra, nosoratan'i Ardegas fa tsy hanakery ny famerenana hitondra indray raha tsy ahanton'ny Fitsarana Tampony ny didy fampisamborana an'i Zelaya.

Mino i Juan Carlos Rivera ao amin'ny Mirada de Halcón [es] :

La crisis aún no ha terminado, el acuerdo es, a penas, la puerta hacia la resolución del conflicto. La inestabilidad, la convulsión social, continuará si no retorna Manuel Zelaya Rosales al poder. Esto no lo digo yo. Lo grita la gente que está en la calle. La mayoría de hondureños exige la reintegración del presidente que eligieron en noviembre de 2005.

Mbola tsy tapitra ny krizy, varavarana misokasoka ialana amin'ny fifanandrinana ny fifanarahana. Mbola hitohy ny fikorontanana raha tsy miverina mitondra i Manuel Zelaya Rosales. Tsy izaho no miteny izany. Fa izany no tabataba eny an-dalambe. Mitaky ny hamerenana amin'ny toerany ny filoha nofinidiny tamin'ny novambra 2005 ny ankamaroan'ny Hôndiorianina.

Ao amin'ny bolongana Hibueras [es], no ilazan'i Gustavo Zelaya ny fifanarahana voasonia ho “Lalana mankamin'ny Fankalazana?” ka nanambarany ny heviny mikasika ny fitsabahan'i Etazonia amin'ny raharaham-pirenena:

Esto era lo fundamental para muchos, en especial para los gringos encabezados por Shannon y para el resto de los candidatos presidenciales. Y aquí es donde se nota con toda claridad quiénes son los que mandan, ordenan, imponen y deciden en los asuntos nacionales. Ya no sólo les debemos la clasificación al mundial.

Fototra ity ho an'ny vahoaka maro, indrindra ho an'ny Amerikana tarihin'i Shannon sy izay rehetra mpirotsaka hofidiana ho filoha hafa. Mazava tsara eto hoe iza no manday ny andraikitra, iza no manome baiko, iza no mametraka sy manapa-kevitra amin'ny raharaham-pirenena. Noho izany tsy ny fahatafidiran'i Etazonia handray anjara amin'ny fiadiana ny ho tompondaka erantany ihany no adidintsika.

Farany, milaza ny bolongana Honduras en el Mundo [es] fa “mampiandry antsika ny Kongresy:”

Hay que estar vigilantes, y espectantes, la restitución está cerca, pero no hay que confiarse, esperamos que los diputados del Congreso sean consecuentes con el país, que reparen el delito que cometieron, y solucionen este problema, para que de una buena vez sea revertido este golpe de Estado.

Tsy maintsy mailo ny rehetra sy hijery tsara, manakaiky ny fiverenana, saingy tsy tokony hatoky tena be loatra ny tsirairay, antenaina [hijery ny tombotsoan'ny firenena] ny solombavambahoaka, ary hanonitra tamin'ny heloka nataony, ka hamaha ity olana ity, mba hitsimbadika indray mandeha tsy miverina ny fanonganam-panjakana.

Leonidas Mejia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.