Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza

Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena  ary ahitana tsikera 200 ao amin'ny YouTube, ka mbola mitohy mitombo hatrany.

Cinemascopian, Israelity Bites, One Jerusalem, sy ny Promised Land samy mampiseho ilay vidéo sy ny hafatra tiany ampitaina, fa tsy mitsikera.

Ao amin'ny blaogy Checkpoint Jerusalem, Dion Nissenbaum manome ny foto-dresaka sy ny mombamomba ilay sarimihetsika, manazava fa ny “Closed Zone” dia natao ho an'ny Gisha, ONG Israeliana tsy mpitady tombontsoa , izay miasa ho fiarovana ny fahalalaha-mihetsik'ireo mponina 1.4  tapitrisa ao amin'ny faritr'i Gaza.

Ao amin'ny fanambaràny momba ny fikatonan'ireo faritra fivezivezena any Gaza,  izay efa nampiharina nandritra ny 18 volana, dia manoratra i Gisha:

Raha ny hevitr'i Gisha dia tsy ara-dalàna ny fanakatonana satria manasazy ireo mponin'ny faritr'i Gaza amin'ny zavatra tsy nataony sy noho ny tranga ara-politika tsy miankina amin'izy ireo. Ity fikatonana ity dia misy fiantraikany eo amin'ireo mponina sivily sy ireo sampan-draharaha noho ny fandraràna ny fidiran'ny kojakoja ilaina amin'ny fahasalamana, amin'ny fiainana andavanandro, ary ny ara-toekarena.

Ny nanao ny “Closed Zone” dia i Yoni Goodman. I Goodman dia malaza manokana amin'ny naha Talen'ny Fanentanana azy tao amin'ny Waltz with Bashir,” nandresy tamin'ny Sarimihetsika Vahiny Tsara indrindra tamin'ny Golden Globes Award ary amin'ny fitsarana ankapobeny ihany koa dia mbola isan'ireo tsara toerana tamin'ny sokajy nisy azy tamin'ny  Academy Awards 2009. (Ilay sarimihetsika Zapone “Departures” no nibata ny fandresena.)

Tao amina resadresaka iray niarahana tamin'ny Jerusalem Post tamin'ny fotoana namoahana ny “Closed Zone” dia nanazava i Goodman:

“Halako Hamas. Mitady hamono anay izy ireo. Mazava ho azy fa fahavaloko izy ireo. Miala tsiny amin'ireo vahoaka  Palestiniana izay te hiaina ny fiainan'izy ireo aho… Ny olona tsy te-handre  hoe tena olona tokoa anie ireo Palestiniana. Aleon'ny olona mieritreritra azy ireo toy ny hoe devoly, sady Hamas daholo ry zareo. Mora ny miteny hoe:  ‘sazio ry zareo, na koa vonoy ry zareo.’  Sarotra be  ny mijery azy ireo ho toy ny olon-tsotra te-handry fahalemana.

Anaty video fanampiny “Closed Zones: Any ambadiky ny sehatra,” manindry mafy i Goodman:

Nahatonga ity tetikasa ity hanjary andraikitro manokana ny ady.  Ny mpandray anjara eto dia zazalahy kely, sady ankizy izy no olon-dehibe, sady arabo no Jiosy, zavatra iray azon'ny tsirairay hakàna taratra. Tsy tsara loatra ny hamadihana azy ity ho sarimihetsika stereotype [

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.