Japana: ravan'ny antontan'isa farany ny anganon'ny fandrosoana

Japoney iray amin'ny enina no miaina ao anatin'ny fahantrana araka ny tatitra [teny anglisy] navoakan'ny minisiteran'ny raharaha sosialy. Araka ny antontan'isa navoakan'ny OCDE [en], dia manana ny iray amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra amin'ny tany mandroso i Japana ka fahaefatra aorian'i Meksika, Torkia ary i Etazonia.

By Flickr id: Ushio ShugoTao amin'ny Flickr id: Ushio Shugo

Efa navoitran'ny sekretera jeneralin'ny sampan-draharahan'ny ady amin'ny fahantrana (反貧困 Han Hinkon) [ja] Makoto Yuasa ny olana mikasika ity fahantrana ity tamin'izao fomba fitenenana manaraka izao[en]:

Hatramin'ny iakaran'ny fiharian-karena niatomboka tamin'ny taompolo 1960 no nametrahan'i Japana ny angano fa sarangan'olona antenantenany avokoa ny Japoney rehetra. Ny fomba fiasan'ny Japoney, fototr'izany angano izany anefa dia niova noho ny fitomboan'ny asa tsy manara-penitra sy ny singa maro samihafa, ka dia nitombo isa ny Japoney niaina tao anaty fahantrana.

Tsy vaovao mihitsy anefa, raha jerena ny adihevitra any amin'ny bolongana, ny elanelana misy eo amin'ny lafiny fidiram-bola any Japana. Raha vao vaky ny balônina ekonomika tamin'ny fiandohan'ny taompolo 90 dia niseho ny fahalemen'ny rafitra Japoney ary hatramin'izay fotoana izay no nilazan'ny manampahaizana maro fa tsy mbola tafarina ry zareo hatramin'ny fitotongan'ny toe-karena.
Ysaki nanoso-kevitra fa efa nisy hatramin'ny ela ity olana ity saingy maro ny Japoney no nieritreritra azy ho olan'ny hafa.

この記事を最初に見た時に、私は部落問題に近いな、と感じたんです。それは、私たちの隣に確実にその問題があるのに、知らないふりをする。見ない振りをし、無関係を装ってきた。

Rehefa namaky ny vaovao aho, nahatsapa ny olana ho mifanahaka tanteraka amin'ny an'ireo vondrona voavakavaka eto Japana aho.
Nefa tena misy mihitsy ny olana sady efa tena manakaiky dia akaiky antsika na dia odian-tsy hita aza, mandresy lahatra ao anaty ao isika fa tsy misy idirantsika izany.

Miyabi-tale mihevitra fa manana tantara lava ity lohahevitra ity ary tsy maintsy misy ifandraisany amin'ny tsy fihontsonan'ny politika.

驚くべきは、この数字が今年ではなくて数年前のデータでさえすでに7人に1人いるという事実で、リーマンショック以降の世 界恐慌の不景気のあとでは今現在では少なく見ても5人に1人はそれくらいの値になっていると考えられることである。自民政権下では、公式発表的に「日本に 貧困はない」「一億総中流家庭」なんていうキャッチコピーもあったわけだが、現実はまったくそうでないということが改めて浮き彫りにされたわけである。

Ny manaitra dia ny filazan'ny antontan'isa roa taona lasa izay fa olona iray amin'ny fito no miaina ao anaty fahantrana. Dia mbola misy ny sasany mihevitra izany ho mbola tsara ihany satria nisy ny fitotongana lalina nianjady tamin'izao tontolo izao noho ny fintraikan'ny nahabankirompotra ny Lehman Brothers, mba ny iray amin'ny olona dimy ihany aza no mahantra.
Nandritra ny fitondran'ny LPD, no nampisaina ny fomba fiteny toy ny ‘Tsy misy fahantrana eto Japana’ sy ny ‘mitotaly zato tapitrisa ny ankohonana ao amin'ny saranga antenantenany’ saingy miharihary indray fa lavitry ny marina izany.
By Flickr id: caribb Flickr id: caribb

Misy kosa ireo misafidy ny hijery amin'ny lafiny hafa.
Ukkii ohatra manantena fa hamerina any amin'ny fahatanjahan'ny fanahy nampalaza ny mponina Japoney indray izao fotoana maizina andalovana eo amin'ny tantaran'i Japana eo amin'ny lafiny sosialy sy toe-karena izao.

し・か・し
国の景気が良くなるまでこのままでいいのだろうか
貧しかった戦後の日本国民は、みな必死で頑張ってここまでよくなってきています
あの時代のハングリー精神があればきっと国を変えれなくとも企業の生き残りは可能だと思います
私は一社員でありますが社長のような視点で物事を考えていくことを目標としています
視野を広げればいろんなことに発見や改善が見えてくるからです
ハングリー精神なんて言葉、現代では死語なのかもしれませんが
僕はこの言葉を提唱していきたいと思います

SAINGY
Avela handeha tahaka izao fotsiny ve izy ity mandrapahazoan'ny toe-karen'ny firenena aina indray?
Fony nahantra ny Japoney taorian'ny ady, dia niezaka nanao ny tsara indrindra araka izay tratry ny ainy tsy nisy fisalasalana mba hanatsara ny toe-draharaha tahaka ny iainantsika amin'izao fotoana izao.
Raha mba manana ny HETAHETAM-PANAHY tahaka ny tamin'izany fotoana izany isika dia matoky aho fa na dia tsy mahaova ny firenena ao anatin'ny indray mipi-maso aza, dia mbola azo heverina hatrany ny hampatanjaka ny orinasantsika sy haha-tsy mena-mitaha azy anaty fifaninanana.
mpiasa tsotra aho saingy miezaka ny hanana fomba fijerina PDG satria raha mitsinjo lavitra isika, maro ny zava-karohina sy ezaka mbola tratrarina, izay azo ampiharina amin'ny zavatra maro.
Efa adino angamba izany andian-teny hoe ‘hetahetam-panahy’ izany saingy mbola tiako apetraka indray.

Scilla Alecci

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.