Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany

Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices.

ceasefire training1ceasefire training

Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009:

Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana I3C, dia nisy seminera fampiofanana momba ny ‘Fanaovan-gazety sy ny fitoraham-blaogy’ notontosaina tao amin'ny Tranoben'ny fanaovan-gazety tao Abidjan. Natrehana mpanao gazety folo avy amina fampahalalam-baovao Ivoriana isan-karazany izany fampiofanana izany.

Nanao fampidirana fahalalana ireo karazam-pitaovana fampiasan'olo-tsotra tamin'ny mpandray anjara sy nampianatra azy ireo hitoraka blaogy [edit: mmaham-bolongana]i Théophile Kouamouo (mpanao gazety mpitoraka blaogy) sy i Manasseh Dehé (injenieran'ny solosaina). Ankoatra ny fianarana an-tsoratra dia mandray anjara amin'ireo asa fampiharana koa ireo mpitoraka blaogy vaovao.

Manoratra [fr] momba ilay atrikasa i Théophile Kouamouo :

Fantatr'izy ireo – indrindra ireo tanora – fa mivoatra ny asan-dry zareo. Efa namorona blaogy roa ry zareo, ny iray an'i Roger sy Cynthia, manampy ny an'i Prosper, izay efa nisy. Kaonty Twitter maromaro koa no noforonina.

Tena singa mpanova tokoa fa lasa evanjelisitry fitoraham-blaogy ireo mpanao gazety izay nanatrika ny fiofanana. Navoaka tao amin'ny Le Nouveau Réveil, L'Expression, Fraternité-Matin, AIP, etc. … ireo lahatsoratr'izy ireo. Nahazo fotoana niresahana momba ny media an-tserasera sy ny blaogy izahay tao amin'ny Radio Côte d'Ivoire sy Radio Jam. (dika teny nataon'ny masinina)

roger kasse Nampahalala ny vaovao momba ilay raharaha fakom-poizina nararaka tamin'ny 2006 avy tamin'ilay sambo Probo Koala i Roger Kassé.

Nanoratra tatitra mahaliana momba ireo mpanambaka amin'ny aterineto, antsoina koa hoe “mpihinam-bilona” koa i Roger:

Matetika ry zareo no manao sarim-bavy na miray tsikombakomba amin'ireo vehivavy manam-pahaizana amin'ny fanaovam-pitaka amin'ny aterineto. Ny mipetraka any Eoropa no kendren'izy ireo hofitahina. Tao anatin'ny folo taona dia lasa ivotoeran'ny fanaovana heloka bevava an-tserasera i Abidjan noho ireny “mpihinam-bilona” ireny. Ao anatin'ilay tambajotra lehibe avy any Nizeria ireo mpamitaka amin'ny aterineto ireny. Tsotra ny fanaon-dry zareo. Akorontan-dry zareo ny tontolon'ny aterineto any Abidjan. Ireo tambajotra sosialy tahaka an-dry Facebook na vohikala fikarajiana [chat] no tena tian-dry zareo. (dika teny nataon'ny masinina)

Manazava i Cinthia R Aka fa mitady ny fomba rehetra ny mpanao haivarotra hisarihana mpanjifa:

Tsy lany hevitra mihitsy ireo mpivarotra akanjo, kojakoja fikarakaram-batana ary sakafo ao an-tsenantsika rehefa hisarika olona hividy ny entan'izy ireo.

Manasseh Deheer indray manoratra momba ny fivorian'ny mpandraharaha hiresaka momba “Ireo fitaovana vaovao any amin'ny aterineto ho enti-manatsara ny fahafantarana olona (identité) amin'ny fomba nomerika (manokana / arak'asa).”

cl nadine

Mampafantatra Yoro fa ny vadin'i Théophile, Nadine Kouamouo, mpikambana ao amin'ity tetik'asa ity no nahazo ny lokan'ny “vehivavy mitati-baovao momba ny TIC mendrika indrindra” tao amin'ny Highway Africa Conference.

Nanoratra momba ny habetsahan'ireo teny filamatra momba ny fanafotsiana hoditra ampiasaina hivarotana ireo vokatra fikarakaram-batana any Abidjan i Nadine.

Manantena izahay ny hahita zavatra hafa hovakiana avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny Abidjan Blog Camp.

Rezwan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.