Georgia: misongadina ny tontolom-bolongana

4 na 5 taona lasa izay no nipoitra tany Georgia ny bolongana voalohany. Zava-baovao izany tany ampiandohana, fa ankehitriny kosa dia ny bolongana no iray amin'ny endrika vaovaon'ny fampitàna ny maresaka tahaka ny gazety sy ny gazetiboky ho an'ny maresaka mahazatra. Ao amin'ny tontolo maoderina moa dia mihamiadana kokoa ny fampielezam-baovao mahazatra noho ny fampielezana azy amin'ny alalan'ny aterineto.

Mbola sarotra aloha ny manombana ny toetran'ny aterineto ao Georgia, saingy efa hivoaka tsy ho ela ny Lisitry ny bolongana Georgiana. Ho tafiditra ao anatin'ny Lisitra avokoa ny bolongana rehetra ary halahatra araka ny lohahevitra izy ireo hahatsotra ny fampahafantarana. Izany no natao dia hahamora ihany koa ny fitadiavana ny mpanoratra na ny bolongana ao amin'ny aterineto.

Heverina hampahafantarina amin'ity volana oktobra 2009 ity moa io lisitry ny bolongana io, ao anatin'ny New Media Forum Geogiana amin'ny herinandro ambony. Hiresaka momba ny media vaovao amin'ny ankapobeny, ny bolongana, ny fanaovan-gazety sy ny zavatra hafa ihany koa io forum io. Mialoha ny famoahana izany katalôgin'ny bolongana izany anefa dia efa misy ny lisitry ny bolongana Georgiana hita ao amin'ny http://blogroll.design.ge.

Hatramin'izao, rehefa nohadihadiana ny toe-draharaha, dia tahaka izao ny mombamomba an'i Georgia: mihoatra ny 1500 ny bolongana miteny amin'ny teny Georgiana, miasa tsara ny ampahatelon'izy ireo ary mamoaka lahatsoratra iray isan'andro farafahakeliny. Misy ihany koa ny bolongan'ny vahiny mamangy ny tanindrazana, fa tsy dia maro loatra izy ireo ka tsy ho ampidirina ao anatin'ny lisitra.

Eo amin'ny lafiny hafa, ny bolongana Georgiana tena mazoto, sady misy mpitsidika 200-300 ao anatin'ny indray andro dia ahitana an'i:

http://dodka.ge/

http://sweet.ge/

http://tomushka.blogspot.com/

http://linguistuss.wordpress.com/

http://tiny.ge/

Araka ny hitanao dia misahana lohahevitra isankarazany ny bolongana Georgiana ary mitantara ny fiainany andavanandro ny ankamaroany. Fa misy dia misy ny milaza haingana dia haingana ny heviny eo amin'ny fioarana politika, toe-karena, teathraly, hira, saripika na haiendrika. Saingy vitsy dia vitsy kosa ny bolongana miresaka lohahevitra iray manokana

Misy ihany anefa ny bolongana miresaka momba ny fikarakarana sakafo, divay, raharaha miaramila sy ny sisa. Ohatra, ბლოგი ღვინისა და გემოვნების შესახებ [GE] dia miresaka momba ny divay raha miresaka momba ny teorian'ny tafika ny Military Thoughts [GE] ary tahaka ny mahaliana ihany. Na dia tsy maro loatra aza ny bolongana tahaka itony dia azonay atao ihany ny milaza ny bolongan'i Gogi Gvakharia, Niko Nergadze ary ny mpanao gazety hafa ao amin'ny Radio Liberty.

Misy koa ny bolongana tahaka ny თავისუფალი სიტყვის ბლოგი [GE], izay mpanao gazety tsy matihanina ny mpanoratra ao aminy. Amin'ny manaraka ny zoro havoakanay dia hamintina ireo bolongana malaza mba hahaliana ny mpamaky sy hampahafantatra ny mpanoratra sy ny famahanam-bolongana amin'ny ankapobeny.

Nivoaka tamin'ny teny Georgiana, Rosiana ary Anglisy tao amin'ny Media.ge ny lahatsoratra fototra momba ity ny tontolom-bolongana Georgiana ity.

Giga Paitchadze

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.