Costa Rica: Filoha teo aloha migadra 5 taona noho ny kolikoly

calderonFOTO

Kostarikana mihoatra ny 14000 tsy afa-nijery fahitalavitra androany [alatsinainy] no afaka nanaraka mivantana ny fitsarana ny filohany teo aloha Rafael Ángel Calderón nanomboka tamin'ny telo ora tolakandro tamin'ny alalan'ny vohikala telo farafahakeliny no niara-nanapa-kevitra hitantara azy an-tserasera [streaming] , zavabita tsara indrindra [record] izany ho an'ny tambajotran-tserasera Kostarikana. Tsy vitan'ny hoe nampiasaina ny streaming, fa namoaka saripika tamin'ny alalan'ny twitpic hampiasain'ny twitter koa ny media. Vao haingana avokoa ireo fivoarana ireo rehefa nandray ny seraseran-tsosialy ho fitaovana ampiasaina amin'ny fanaovan-gazety ny haino aman-jery.

Tamin'ny alalan'ny famahanam-bolongana fohy notaovin'ny Twitter, nampiasana ny tag #sentencia, #cajafischel na #Calderon, no nilazan'ny mpanaraka ny fotoam-pitsarana ny heviny, rehefa nodidiana fa higadra 5 taona noho ny fanaovan-kolikoly ny filoham-pirenena teo aloha.

Efa nilaza ny heviny mikasika io didim-pitsarana io tamin'ny alalan'ny lahatsary YouTube sahady ny kandidà ho filoham-pirenena Ottón Solis.

Nisioka an-tserasera izay nitranga tao amin'ny fitsarana ny mpanao gazety Amelia Rueda. Namoaka rakipeo fohy ahenoana ny voampanga [ny filoha teo aloha] nanam-panantenana ihany momba ny didim-pitsarana, izay azonao henoina amin'ny fanindriana ny player eo amin'ny faran'ny lahatsoratra ihany koa izy.

Namoaka lahatsoratra tao amin'ny bolongany miompana amin'ny fihintsanan'ny filoha teo aloha tsy ho afa-mirotsaka hofidiana indray ny mpanao gazety Cristian Cambronero noho ny fiheverany fa tsy manankeloka izy. Hoy i Lucía tamin'ity lahatsoratra ity:

El jalón de orejas no es solo para para Calderón y compañía (pobrecito nada¡¡¡¡ si no quiere ir a la cárcel no sea corrupto, así de simple), es para la clase política en general, que aquí como en otros países creen que uno está para serviles y no ellos para servir …
Más valioso que el dinero que tienen devolver (no se cuanto es) es el haber recuperado cierta confianza en el sistema político, y como dice un conocido anuncio de tarjetas de crédito, eso no tiene precio…

Tsy ho an'i Calderon sy ny tariny ihany ity tehamaina ity (mampalahelo ilay rangahy!! Raha tsy te-higadra dia aza manao kolikoly, tsotra!), fa ho an'ny mpanao politika amin'ny ankapobeny, izay mino ny eto ho tahaka ny any amin'ny firenenkafa fa tokony hanompo azy ny rehetra fa tsy ry zareo no hanompo…Manandanja kokoa noho ny vola tsy maintsy averiny (Tsy fantatro io hoe ohatrinona) ankehitriny ny fahafantarantsika ny tsiambaratelo sasany momba ny rafitra politika, ary tahaka ny dokambarotry ny orinasa mampiasa carte de credit lazaina ho mora kokoa…

Azonao jerena ao amin'ny UStream ny lahatsarin'ny didim-pitsarana, navoakan'ny gazety AlDía, izay maneho ny fidiran'ny fampahalalam-baovao mahazatra any Costa Rica an-tsehatra mampiasa ny tambajotran- tseraseran- tsosialy sy ny fampahalalam-baovao an-tserasera: ny fizarana voalohany dia mialoha ny didim-pitsarana, voaramika tao anatin'ny 45 minitra. Ny fizarana faharoa kosa ny famakian'ny mpitsara ny fiampangana sy ny antonantony ambadika nahatonga ny fanamelohana izay voampanga rehetra, izay ny filoha teo aloha Calderon no be mpahalala indrindra.

Ary dia nofehezin'ny mpisioka an-tserasera Mauricio izany atao hoe manaraka ny didim-pitsarana amin'ny alalan'ny fitaovan-tserasera tahaka izao:

la sentencia de #calderon ha hecho que twitter + la tv se muevan juntos, como en los mejores tiempos de #qqsm

Nampiara-mizotra ny twitter sy ny fahitalavitra ny fotoam-pitsarana an'i #calderon, tahaka ny fotoana tsara indrindran'ny [ahoana ny hampanakarena?] #Whowantstobeamillionaire

Vao tsy ampy minitra vitsivitsy akory izay, no nandraisan'i marenoztro, ny hatsikana an-tserasera nampiseho an'i Kanye West ary dia nanao karazana fampitahana an'io tamin'ny filoha. Nanao karazan'ohatra ny sary maneho ny filoha teo aloha Jose Maria Figueres Olsen ny “Chema” izay raha vao nampangaina ho nandray 900,000 USD ny filoha nefa tsy nanao fanambarana na nandoa ny hetra mifanaraka amin'izany. Vao nipoaka anefa ny raharaha dia voaloa vetivety teo ny hetra ary dia nataony ho antontan-taratasy porofo iny ho tahaka ny vola niditra noho ny fanolorantsaina.

image mashup by @marenoztrosary mashup an'i @marenoztro

Podcast: Jereo amin'ny hoaka vaovao | Trohy

Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.