Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana

JustImage: Matthew Cassel

Nisonga ny hatezerana sy hetsi-panoherana ho valin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta Libaney hampiato  ny fanamboarana ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina, Nahr el Bared.

An-jatony no nanao fihetsiketsehana tany amin'ny tànana andrefan'i Tripoli tamin'ny herinandro lasa teo, noho io fampiatoana io, nefa raha ny fanazavan'ny mpanao gazety sady mpitoraka blaogy mipetraka any Libanona, Matthew Cassel, ao amin'ny JustImage, na ireo hetsika ireo aza sarotra vao vita:

JustImage: Matthew Cassel

Mpitsoa-ponenana an-jatony avy any amin'ny toby sy ireo mpomba azy no nihaona tany Tripoli, tanàna lehibe akaiky indrindra an'ny Nahr al-Bared. Taorian'ny nandavan'ny kaomisaria akaiky indrindra ny afovoan-tanana ny hanaovana fihetsiketsehina, dia nifindra toerana ireo mpanao fihetsiketsehana ka nisafidy toerana lavitra ireo tranom-panjakana sy ireo olona maneho ny fitondrana.

Ity toby ity dia ivon'ny fanoherana mihoson-drà tamin'ny 2007 izay nifandonan'ny mpiady Islamistan'ny Fatah al-Islam tamin'ny miaramila Libaney, namoizana ain'olona am-polony.

Maro tao amin'io toby io no voa mafy nandritra ireny fifandonana ireny, nanery azy ireo hitady toeram-ponenana tany amin'ireo tanàna mifanolo-bodirindrina na ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana hafa izay efa be mponina mihoatra noho ny tokony ho izy.
Ireo tetikasa fanamboarana izay efa nitarazoka ela,  dia vao mainka koa tojo sakana lehibe tamin'ny 13 Aogositra tamin'ity taona ity rehefa nanapa-kevitra ny Governemanta Libaney fa haato ny ezaka  fanamboarana noho ny antony fahitàna rakitry ny fahagola tao [archaeological purposes).

JustImage: Matthew Cassel

Ity hetsika ity dia notarihan'ny lehiben'ny Free Patriotic Movement (FPM), Michel Aoun, izay nanambara fa najanona noho ny fahitàna rakitry ny fahagola [archaeological artifacts] ao amin'ny toeran'ny Nahr el Bared. Ireo mpitsikera dia mihevitra baikon'ny resaka politika ny toerana raisin'i Aoun amin'izy ity.

Roa taona taorian'ny nitsaharan'ny ady tao  Nahr el Bared, an'arivony amin'ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina no mbola tsy manana toeram-ponenana, ary toy ireo Libaney maro, dia very hevitra amin'ity zava-mitranga ity.

Haingana be ny fandraisan'andraikitry ny tontolon'ny blaogy ka nanokafany blaogy iray vaovao ho fiarovana ny zon'ireo mpitsoa-ponenana Palestiniana any Nahr el Bared.

Ireo sarintany sy ny fizotran'ny fanamboarana dia hita ao amin'io blaogy vaovao Nahr Al Bared io. Izao no tenin'ny mpitoraka blaogy iray momba ny fampiatoana  ity fanamboarana ity:

Nitranga indrindra ity fepetra ity taorian'ny roa taona nanemorana ny resaka ara-pitantanana ho amina daty manaraka lava izao, ao anatin'izany ny fandaharan'asa sy ny fijerena ny pitsopitsony rehetra momba ny asa fanamboarana izay nankinina tamin'ny faneken'ny Governemanta, ny ministera ary ny politika. Izao vao misy fanapahan-kevitra mivaingana hampiatoana ny fanamboarana, izay mampitombo ny fotoana famindran-toerana ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina maherin'ny 20,000.

Ny mpitoraka blaogy Mlokheya Resistance ihany koa dia naneho ny tsy fahafaliany:

Roa taona taorian'ny  fahasimban'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana tao Nahr ElBared , ireo mponina dia faly fa ho tanteraka ihany ny fanamboarana ny toerana. Nefa, vao natomboka ilay izy, dia MBOLA najanon'ny governemanta Libaney indray ny fanamboarana an'i Nahr ElBared!!!

Ireo mpampiasa Twitter dia tsy ambaka an'izany, naverin'izy ireo nalefa ao amin'ny Twitter ireo fitarainana sy fijoroana vavolombelon'ny mpitsoa-ponenana ao Nahr El Bared ho fanentanana:

Tweeting Nahr el Bared

uruknet,  fampiatoana ny asa fanamboarana ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao  Nahr El-Bared [14 septembre 2009 01:18 ECT]: 13 septembre, 2009… http://twurl.nl/ly8efw

illdalal, RT@marcynewman blaogy vaovao milaza momba ny asa fanamboarana  (na ny marina kokoa dia ny tsy fisian'izay) ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Nahr El-Bared, http://albared.wordpress.com

marcynewman, laogy vaovao milaza momba ny asa fanamboarana  (na ny marina kokoa dia ny tsy fisian'izay) ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Nahr El-Bared, http://albared.wordpress.com

MXML, RT@nmoawad RT@tamaraqiblawi blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'i nahr el-bared albared.wordpress.com

nasawiya, RT@tamaraqiblawi blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'inahr el-bared albared.wordpress.com

tamaraqiblawi, blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'i nahr el-bared albared.wordpress.com

Mpitoraka blaogy maro hafa, isan'ireny ny Body on the Line sy ny  Green Resistance dia namoaka koa ny hetsi-panoheran'i  Tripoli.

*Ny sary rehetra dia an'i JustImage

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.