Filipina: Tondra-drano an-tsarimihetsika nataon'ireo mpampiasa aterineto

Picture from Twitpic user reahguevarra

Sary avy amin'i reahguevarra mpampiasa Twitpic,

Faritra maromaro any Metro Manila sy ireo faritany manodidina no mbola tratry ny tondra-drano androany na dia efa nandao ny firenena aza ilay rivodoza tropikaly ‘Ondoy’ (Anarana iraisam-pirenena: Ketsana). Teo amin'ny 200 teo no maty ary an'hetsiny maro ireo nifindra monina tamin'ny nandalovan'ity rivodoza ity tao amin'ny renivohitra ny Sabotsy lasa teo.

Ny orana nivatravatra dia niteraka ny tondra-drano ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity. Nitondra orana betsaka lavitra noho i Hurricane Katrina aza ity rivodoza ity:

RT @wizkitabet: ZAV-MISY: rotsak'oran'i Hurricane Katrina =380 mm tany Louisiana. Rotsak'oran'ny rivodoza Ondoy = 410 mm tany Manila, Filipina.

Ireo vohikalana media ara-tsosialy dia nohamafisina mba hampahafantatra ireo mpamonjy voina momba ny toerana misy ireo tra-boina. Noforonina ny ‘situation map’-n'ny rivo-doza Ondoy mba hanangonana vaovao momba ny zavatra ilain'ireo tra-boina. Google dia namorona pejy manokana mba hanangonana fanampiana. Ondoy Relief Efforts dia manana lisitra mazava amin'ny antsipirian”ireo fifandraisana amin'ny mpamonjy voina eny an-kianja, toeram-panaovana fanampiana, ary ireo ekipa mpamonjy voinan'ny governemanta.

Picture by Ali Figueroa

Sarin'i Ali Figueroa

Nampiakarina tamin'ny aterineto ireo horonantsary nalain'ireo mponina, izay mampiseho ny fahavoazana mampitahotra vokatry ny tondra-drano. Ity misy horonantsary avy amin'ilay mpampiasa Youtube, didipusrex

Afaka naka horonantsarin'ny tondra-drano nateraky ny rivodoza Ondoy i Mamanay talohan'ny tsy maintsy nitsoahan-dry zareo tany amin'ny rihana faharoa noho ny fiakaran'ny rano. Tsy afa-nihetsika tao amin'ny rihana faharoa ry zareo, ny rano hatreny an-tratra, raha tsy nidina ny rano ny ampitson'iny.

Ity horonantsary ity dia mampiseho mpandalo tsy afa-nihetsika tao anatina fiara raha nahery ny tondra-drano teny ivelan'ny tobim-pitsaboan'i Manila

Ny tanànan'i Marikina, any atsinanan'i Manila, dia ravaravan'ny tondra-drano tanteraka

Ireo mpandeha an-tongotra, ary na ireo mpitondra moto any an-tanànan'i Paranaque, atsimon'i Manila, aza dia mampiasa bonezy [Fanamarihan'ny mpandika = ilay zavatra fotsifotsy hita rehefa mividy fitaovana vaovao toy ny vata fampangatsiahana, na fahitalavitra no lazaiana amian'io ‘styrofoam’ io ] mba hiampitàna ny arabe

Lasan'ny rano mahery ireo fiara

Ny faritanin'i Bulacan koa, avaratr'i Manila, dia voadona mafy noho ilay rivodoza

Techpinas dia misaotra ny toby fampielezampeo iray tamin'ny fanokanany ny fandaharany mba hanomezana fanampim-baovao amin'ny fotoanany ho an'ireo mpihaino momba ilay rivodoza. Maro amin'ireo mpihainony no niharan-doza tamin'ity rivodoza ity, izay miankina amin'ny fampielezampeo amin'ny findainy amin'ny fanampim-baovao momba ny vonjy voina:

Eo afovoan'ny tsy fahazoana antoka sy fijaliana entin'i Ondoy sy ny tsy fahampian'ny herinaratra any amin'ny faritra maro any Mega Manila, i DJ Gang, DJ Lambert ary DJ Steph dia nanolotra maimaim-poana ny fotoanan-dry zareo amin'ny fanomezana antoka fa ireo mpampiasa finday – indrindra indrindra ireo tafahitsoka any amin'ireo faritra niharan-doza, izay tsy manana fangalam-baovao afa-tsy ny fampielezampeo amin'ny findain-dry zareo efa ho faty– dia mahazo fanampim-baovao momba ny fizotry ny asa famonjena sy velonin'ny fanapariahan'ny Jam 88.3 fanantenana mafy orina sy matihanina. Novàn-dry zareo ho loharanom-baovao momba ny famonjena sy  fandaminana ny filatsahana an-tsitrapo ilay endrika toby fampielezampeo tsy mpivaky loha mahazatra teo.

Nampiasaina ny SMS ho  fampahafantarana an'ireo tra-boina ny fomba hitazonana aina.

Ny tena nampihetsi-po dia ny fandraisan'ireo mpihaino anjara amin'ny ezaka ataon'ny Jam. Nisy ireo niantso ny fampielezampeo mba hanome fanampim-baovao momba ny toetoetry ny fivezivezena any amin'ny  metro. Ireo mpitsabo dia nandefa SMS ireo torohevitra momba ny fisorohana ny fihenan'ny maripàna anatin'ny vatana ho an'ireo tafahitsoka eny ambony tafon'ny tranon-dry zareo voatelin'ny rano, raha mizara ny fomba fikarakarana ‘iray sy valo’ [‘oral rehydration solution’] kosa ny mpilatsaka an-tsitrapo taloha ao amin'ny Vokovoko Mena

Photo by Celina Ann Natanauan Chan

Sarin'i Celina Ann Natanauan Chan

Twitter dia loharanom-baovao azo antoka momba ilay loza sy hanarahana ireo ezaka famonjena. Amin'ny alalan'ny Twitter, afaka mitatitra ny toe-draharaha any amin'ireo faritra lavitra ireo mpampiasa aterineto

ageofbrillig: RT: nandeha tany Payatas ny iray amin'ireo tompon'andraikitra ao aminay omaly. Dami na daw faty. Tsy misy firaharahian'ny media any. Ary tsy dia misy fanampiana.

Cocoy: RT @mlq3 @jeyaiy Ny hany mba fantatro dia ny toe-javatra any Candaba. Any anaty rano ny tanàna iray manontolo, ankoatran'ny fiangonana. Tsy afaka mandao ny tanàna akory..

jovefrancisco: Saika nandritra ny Sabotsy manontolo, nieritreritra aho fa ny fiaraha-moniko no tena voadona mafy indrindra, talohan'ny nahitako ireo sary tamin'ny fahitalavitra

Ireo tweets dia manome torohevitra ho an'ireo ekipa mpamonjy voina sy manampahefana amin'ny toerana hanaterana sakafo.

alexderossi: RT @momma_erin REPOST: Rosario Pasig & Cavite dia TSY nahazo fanampiana ara-tsakafo mihitsy. Raha afaka ianareo dia mba vahao izany olana izany! – salamat po!!

maxenemagalona: GRABE. RT @kitel_anne  Ilaina ny mpitandro filaminana  any an-tanànan'i Marikina. Feno mpangalatra miezaka ny mamaky trano eny rehetra eny.

Ireo tweets dia mampatsiahy ny vahoaka momba ny fizotry ny ezaka famonjena

ANDREWdecastro: Amin'ny fomba ahoana no handrahoan'ireo tra-boina ireo pâtes instantanées ireo? Na hanokafany ireo zavatra am-bifotsy ireo? Mba miteny fotsiny aho

philredcross: Sahirana amin'ny fanohanana ny tanora amin'ny Asa Fanavotana ataonay izahay. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo liana dia afaka manatona ny PNRC NHQ (akaikin'ny Anda Circle

cocoy: RT @dementia: Iee, mba manomeza sakafo tonga-dia-vonona sy rano azafady. Tsy manana n'inon'inona handrahoana pâtes ireo tra-boina

Ity tweet avy amina loholon'ny repoblika ity dia mampiseho fa tratr'ity tondra-drano ity daholo na ny manan-karena na ny mahantra:

SayChiz: Monina any sinco hermanos ireo rafozako. Ny tafon-dry zareo sisa no tsy difotry ny rano. Nitady fialofana tany amin'ny trano manana rihana roa mpiray vodirindrina aminy ry zareo

Photo by Diane Lorenzana

Sarin'i Diane Lorenzana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.