Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet

Muammar GaddafiTamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny.

Niteny avy ao amin’ny foiben'ny Firenena Mikambana any New York, ilay nitonon-tena ho Mpanjakan’ny mpanjaka, izay mitondra an'i Libya efa ho 40 taona izao, dia niresaka nandritra ny 100 minitra eo ho eo. Ireo lohahevitra noventesiny dia momba ny fitsikerana ny Firenena Mikambana tamin’ny ady tany Irak sy tany Afghanistan avy eo nankany amin’ny firesahana momba ny H1N1 hatrany amin’ny faniriana mba hijanona ho Filoham-pirenena foana i Barack Obama… Tsy adino koa ny fangatahana amin’ny fanohizana ny fanadihadihana momba ny famonoana an’I JFK.

Kadhafi, izay misarika media maro ny diany noho ny fombany hafa kely sy ny fihizingizinany hipetraka any anaty trano lay, ary niteraka hafatra marobe tao amin'ny Twitter. Any New York, natsatony teo amin'ny tanin'ny tycoon Donald Trump – asa voatery naato noho ny fitarainan'ireo manodidina. Ny fanehoan-kevitra nateraky ny fandraisam-pitenenany dia tonga hatrany amin'ny fiantsona an'io Lehilahy Matanjaka any Libya io ho ‘fruitcake’ (adala) ka hatrany amin'ny fanehoana fitoviam-pijery momba ny toerana raisiny manoloana ireo olana maro iraisan'izao tontolo izao.

Maro tamin'ny mpampiasa Twitter no nanome naoty an'i Gaddafi tamin'ny fanolorana fanalana andro.

ThomasRon miteny:

TRon

Kalimark mponina ao New York dia mananihany miaraka amin'ny fanasongadinana tati-baovao:

Kalimark

Mahmoud Ahmadinejad, Hugo Chavez, Kadhafi sy Mugabe nameno ny famoaham-baovao rehetra androany – Sa mankalaza ny andron'ny gaigy isika androany?

Laura Quinny nahita hoe kabary nanala hamohamo ilay izy:

Quinny

tena afa-diana tamin'ny kabarin'ny Kolonely tao aminny fihaonamben'ny Firenena Mikambana. Tena paiso

Bobonbusiness indray sahiran-tsaina amin'ny fomba fanoratana ny anarany ka manontany tena:

BobQadaffi-Kaddafi-Gadaffi ve e? Dia manana endrika maro sy anarana maro ka! Anaty taratsy moforiporitra ve lery no mamaky ny kabariny e? aooouu.

Ary Matt Cundill manampy hoe:

Cundill Hafahafa ilay Gadaffi ity. Nandalo fandidiana firy? Mampahatahotra ny lokon'ny volo saritakany. Ny kabary nandritry  ny 95 minitra. Ny tranolay natsangany. N°1 amin'ny fitafy mendrika ny Halloween amin'ity taona ity

Zuzf mila bebe kokoa:

zuzfSao misy any ho any ‘besf of ‘ amin'ny kabarin'i Gadaffi? Mba handre bebe kokoa  ny eritreriny momba ilay fihokoana momba ny gripan-kisoa.

Ary Chickyog kosa manantena ny solika Libiana:

chickyogOh , Gadaffi, tena marary saina ianao miaraka amin'ity volo saritaka sy kabary lavabenao! BTW, AZAFADY vidio ny fitaovam-piadianay dia amidio aminay ny solikareo. Bà mamy,  avy amin'i UK xxx

Na izany aza, @bigajm manamarika fa isika rehetra dia volavolain'ireo media ireo avokoa. Hoy izy:

Gadaffi Mariho ny fomba nisarihan'ny ‘fampahalalam-baovao’ antsika hitokelaka amin'ny kabarin'i Gadaffi re:”i Blair tokony hohenjehina amin'ny resaka heloka an'ady, tsy ilaina ny Firenena Mikambana.

Photo credit: Wikipedia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.