Singapaoro: Mampiady hevitra ny faripahaizan'ilay Oliravina

Voahosotra ho Oliravina manerantany Singapaoro 2009 ao Singapaoro ny mpianatra 19 taona Ris Low, mpianatra, 19 taona tamin'ny zoma 31 jolay 2009.

Ris Low, Winner of Miss World Singapore 2009

Fotoana fohy tato aoriana, nalaina sary sy feo izy ary rehefa nivoaka tamin'ny aterineto izany rakitsary sy feo izany dia azo nitarafana ny fifehezany teny anglisy. Niteraka adihevitra, na tany amin'ny vavahadin- tsarimihetsika, na tany amin'ny bilaogy, na tamin'ny fampahalalam-baovao, eny fa na dia teny an-dalam-be rehetra teny aza ny valinteniny.

Misy amin'izy ireny no manakiana :

Mihevitra i Sometimesjean fa tokony hahatafavoaka zavatra tsaratsara kokoa ankoatra ny hatsaran-tarehiny izy:

Satria fisoloan-tena an'i Singapaoro ny Oliravina Manerantany Singapaoro dia heveriko fa ankoatra ny hatsaran-tarehy dia tokony homena izay olona mahay miteny tsara sady manam-pahaizana ny voninahitra, izany hoe tokony mba farafaharatsiny manana fahaizana antonony raha tsy efa hoe mpianatra amin'ny ambaratonga ambony mihitsy aza. Voninahi-pirenena no arovana ka tokony ho mailo tsara.

Tanat kosa mitsipaka ny fifidianana izay ho mpandresy:

Raha araka ny hevitro manokana dia tsy tokony ho Ris Low no voafidy ho Miss Singapore World 2009 (Oliravina Manerantany Singapaoro 2009). Inona moa no miova raha hoe vao sitrana tamin'ny tazo izy andro vitsivitsy nialoha ny fifidianana! Heveriko fa noho ny fahaizany namitaka ny mpitsara nihevitra fa mety ny namaliany ny fanontaniana hoe “Mahavidy fahefana ny vola” no antom-pandreseny.

Na izany aza dia misy ireo midera an'i Miss Low noho ny nanànany herin-tsaina hiditra ao amin'ny fifaninanana.

Singkengloon dia mihevitra fa tsy misy ny lavorary:

Ny marina dia iharan'ny fitenenana hoe ny teny maro tsy ilaozan'ota maro amintsika. Tsy misy afaka milaza isika na dia iray aza fa tonga lafatra ny fahaizantsika teny anglisy. Ary mitovy hevitra amin'ny mpifaninana taminy aho fa mbola tanora izy ary mbola afaka manatsara zavatra betsaka.

Raha mila ny fanohanantsika ny Oliravintsika dia eso no avalintsika azy. Dia ahoana àry no hananan'ny tovovavintsika herin-tsaina hampamirapiratra an'i Singapaoro?

Mihevitra i Sam fa mariky ny tsy fahatokisan-tena mihevitra ny fanakianana be loatra:

Ohatry ny menatra amina Singapaoriana karazany hafa isika. Te hanadio ny tsy fahaizantsika miteny anglisy any ambany karipetra isika. Tiantsika ho tovovavy metisy sinoa, na metisy maley, na metisy karana, na metisy vazaha no hisolo tena antsika, fa tsy ny milaza azy ho “Ah Lian”. Nahoana? Satria tsy mahazo aina isika amin'ny fahitantsika ny “tsy fetezana” eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika – “Ah Lian” hita be eo amin'ny lafiny kolontsaina sy fahatsarana, ny tsy fahaizana miteny anglisy sy ny hafa koa.

Na izany na tsy izany dia niteraka adihevitra indrindra noho ny tamin'ny fifaninanana taloha ity fifaninanana Oliravina Manerantany Singapaoro ity avy amin'ny fankasitrahana na ny fitsikerana azy ka nanjary nahabe mpanaraka ny fandaharana.

Marina Noordin

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.