Iran: Hetsi-panoherana an'i Ahmadinejad any New York

mailMiandry ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad izay nandeha nankany New York, hanatrika ny fivoriam-ben'ny Firenena Mikambana ny hetsi-panoherana ny governemanta Iraniana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mitranga any Iran. Manentana ny olona handray anjara amin'ity fihetsiketseham-panoherana ity ny fampitam-baovaon'olo-tsotra.

liberty Mandra-piandry aloha dia nofoanan'ny New York Helmsley Hotel ny lanonana saiky notontosaina tamin'iny herinandro iny rehefa tsikaritra fa voalahatra hanatrika sy handray fitenenana Atoa Ahmadinejad.

Nikahang Kowsar, mpanao sariitatra sady mpamaham-bolongana koa dia nampiseho tamin'ny sariitatra iray nataony an'i Ahmadinejad katry-rami (fa tsy ataoko hoe Quat'mi) ao New York, manontany ny Tsangambaton'ny Fahafahana trano azo onenana. Toy izao ny vakin'ny soratra ao amin'ny sariitatra:

“Sao dia manan-trano tsy misy mipetraka ianao ranabavy, na lava-totozy, azo hofaina mandritra ny herinandro?”

Amin'ity lahatsary manaraka ity kosa no anasana ny olona hanohitra an'i Ahmadinejad amin'ny anaran'ny maritiora. Angon'afisy sy sary ampiasaina any amin'ny fihetsiketsehana Iraniana no asehon'ny lahatsary.

Ao amin'ny United4Iran, serasera tsy manohana olona fa mitolona ho amin'ny fampanajana ny zon'olombelona sy maha-olona ao Iran no hamakiantsika fa:

Where Is My Vote NY, along with other grassroots organizations, invite you to participate in the September 23rd & 24th demonstrations at the UN Headquarters in New York City. They are protesting Ahmadinejad’s presence due to violations to the human and civil rights of the Iranian people, as guaranteed by the UN’s Universal Declaration of Human Rights and International Covenant on Civil and Political Rights, ratified by Iran.

Aiza ny safidiko ry New York, sy ny fikambanana fototra hafa, dia manasa anao handray anjara amin'ny fihetsiketsehana izay tontosaina eo amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana eto New York mandritra ny 23 sy 24 septambra. Manohitra ny fahatongavan'i Ahmadinejad izy ireo noho ny fanitsakitsahana ny maha-olona sy ny zon'olombelona mihatra amin'ny vahoaka Iraniana, nefa iantohan'ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana fampanajana ny zon'olombelona sy ny fifanarahana iraisam-pirenena eo amin'ny fahalalahana (zo) politika, nosoniavin'i Iran.

Kaaveh Aahangar ao amin'ny Iranian.com no manazava fa tsy fandaniam-potoana tsy akory ny fanoherana an'i Ahmadinejad ao New York :

The media notices when and where a protest is held. Bystanders and passers-by notice when a protest event happens. Politicians notice when there is a protest. And if the protest is staged well, it will invariably make somebody look at the cause with new attitude. Protest events are not persuasive in and of themselves, but they invite persuasion. They invite change. They invite a second look at the issues and the cause. Protests make the public, the politicians, and policymakers aware that people care strongly about that particular cause.

Tsikaritry ny haino aman-jery hoe aiza no misy hetsika. Tsikaritry ny mpandalo sy ny manodidina ny fotoana isian'ny fanoherana. Ho hitan'ny mpanao politika fa misy hetsi-panoherana. Ary raha mizotra tsara ny hetsika dia hijery amin'ny maso vaovao ny anton'ny fanoherana izy ireo. Tsy hoe mandresy lahatra ho azy amin'izao ireny hetsi-panoherana ireny. Fa manasa ny hisian'ny fanovàna. Manasa fijery vaovao amin'ny lohahevitra sy ny tolona. Mahatonga ny olona, ny mpanao politika sy ny mpanapa-kevitra politika hahafantatra tsara izay tandrovan'ny olona fatratra amin'io foto-kevitra iray io ireny hetsi-panoherana ireny.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.