Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra

Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo  émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ny mpiasam-mpanjakana mpitsikilo dia nivadika ho tahotra ny ho voarohirohy ho mifandray tendro amin'ny mpandositra fitsarana, izay vao mainka  niharatsy kokoa noho ireo fepetra vaovao ifehezana ny vontoatin-javatra amin'ny aterineto [ru]:

Ny [forum Kazakhstani malaza] Center of Gravity izao dia mampitandrina ireo mpampiasa mba tsy hitendry ny teny  hoe “Aliev,” izay ovàny avy hatrany ho  ellipses. Mitranga koa io raha toa ny  “aliev” ka singa iray ao anatin'ny fanampin'anarana hafa.

Taorian'ny fifanakalozana mafana vay momba ilay fepetra vaovao, dia naàton'ny mpandrindra ilay forum ny fibahànana ny anarana ary nofafany ny dinidinika momba izany. “ Mba nanome sombim-pahalalàhana kely ho antsika ry zareo nony farany,” hoy i megakhuimyak manamarika [ru].

mnatali33 mitanisa fanambaràna iray nosoratan'ny mpanohitra mikasika ny fitsarana ilay mafana fo  Kazakhstani mpiaro ny zon'olombelona, Yevgenii Zhovtis, izay voaheloka hifonja 4 taona an-tranomaizina. Milaza ilay fanambarana fa ny sazy dia nobaikoin'ny tsikera nataony momba ny fomba fampiharana ny lalàna, ny rafitra ara-pitsarana sy ara-politika. Manampy ilay mpitoraka blaogy, ketraka [ru]:

Na rahoviana na rahoviana no mbola hitelemantsika ampahanginana azy ity ho toy ny sakafo maraina, antoandro sy hariva, tsy hanana mandrakizay isika – renareo ve aho e? – MANDRAKIZAY tsy hanan-jo, na olona mpiaro ny zon'olombelona, na fanjakana tan-dalàna.

Ho toy ny fanamafisana, dass dia mitanisa antontan'isa ofisialy momba ny fanodikodinam-bola niseho hatramin'ny niandohan'ity taona ity – manodidina ny sivy lavitrisa tenge (eo ho eo amin'ny 60 tapitrisa dolara eo) – ary ampiany amin'ny kajikajy matematika avy aminy manokana[ru]:

Ity famoahana ity dia mandrakotra fotsiny ny enim-bolana voalohany tao anatin'ny taona, ary miaty fotsiny koa ireo halatra voasazin'ny didim-pitsarana amin'ny fomba ofisialy. Raha raisina hoe ny ankamaroan'ny halatra dia mbola tsy tratra, ary misy ampahany mbola eo andalam-panadihadiana, dia heveriko fa ny hadiry mitambatry ny fanodinkodinana dia manodidina ny  200 lavitrisa tenge ho an'ity taona diavina ity.

Mantrovkz kosa miverina amin'ilay resaka Aliev, izay nilaza tsy ela akory izay ny fananganana hetsika fanoherana iray [ru]:

Ny fanoherana any Kazakhstan dia fivondronanan'ireo mpiasam-mpanjakana taloha, tratra noho ny fanodikondinana. Amin'izao fotoana ilay adala lahy Rakhat Aliev dia manandrana manorina vondrom-panoherana mitambatra antsoina hoe  “Ho amin'i Kazakhstan malalaka.” Raha izaho manokana, izaho dia momba ny Kazakhstan tsy misy an'i Aliev, Abliazov, Kazhegelgin sy ny namany, ao anatiny koa ireo mpanodikondina sy mpangalatra amin'izao fotoana tsy mbola nitonon-tena ho mpanohitra ireo.

Hita koa ao amin'ny neweurasia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.