Aceh, Indonezia: Hovonoina amin'ny tora-bato ireo mpijangajanga

Vaovao ratsy ho an'ireo manambady nefa  mijangajanga : ny Antenimieran'ny Tanàna ao Aceh  dia namoaka lalàna fanamelohana ho faty ho an'ireo manambady nefa  mijangajanga. Hovonoina amin'ny alalan'ny tora-bato ireo meloka.

Vaovao ratsy koa ho an'ireo tokan-tena mpijangajanga  sy ireo manambady ny mitovy aminy [homosexuals]: ny lalàna vaovaon'i Aceh koa dia manomana vely kobay in-jato ary fandoavana onitra volamena 100 grama ho an'ireo mpandika io lalàna io.

Aceh dia faritra iray mahaleotena ao Indonezia izay mampihatra ny lalànan'ny Sharia. Indonezia no firenena silamo be mponina indrindra eran-tany.

Mandinika ilay lalàna vaovao mahabe adihevitra ny The RAB Experience ary mitanisa ireo andininy azo ampiharina avy aminy:

Ny tora-bato no sazy ho an'ireo minia mijangajanga. Na izany aza, tsy mihatra afa-tsy amin'ireo efa manambady ary minia manao ity heloka ity. Ho an'ireo izay tsy manambady, tonga hatramin'ny vely hazo in-jato ny sazy. Iray amin'ireo endrika porofo ekena amin'ny fijangajangana ny fianianana ataon'ilay voaheloka fa hoe raha mandainga izy dia ho voaozona amin'ity fiainana ity sy any an-koatra.

Ny somary mampihomehy, tsy hoe akory ny momba ity Qanun (Lalànam-paritra) ity no misy mampihomehy , dia ny vehivavy mitondra vohoka azo ivelan'ny fanambadiana dia tsy ho azo melohina ho nijangajanga raha tsy ananana porofo ampy momba izany helony izany.

Mihatra amin'ny fanolanana koa ny Qanun. Tafiditra amin'izany na ny firaisana ara-nofo any amin'ny vody na ny any am-bava. Na izany aza, somary manelingelina ihany ny fanoritana hoe tsy misy ny fanolanana eo amin'ny mpivady.

Ny endrika iray hafa mahaliana amin'ity Qanun ity dia ny fandoavana ny lamady amin'ny grama-na volamena tsy mifangaro. Ohatra, raha tratra nanao Liwath [firaisana ara-nofo amin'ny vody]na Musahaqah [vehivavy miray amina vehivavy]ianao, ny sazy dia vely hazo in-jato sy volamena tsy mifangaro 1000 grama na 100 volana am-ponja.

binsar pakpahan dia mino fa tsy mifandraika amin'i Indonezia io lalàna “tsy misy fotony” io:

Hitako ho manelingelina be io vaovao io. Amiko, ity fampiharana lalàna miavaka ity dia tafiditra amina stratejia pôlitikan'ny olona izay te-hiavaka noho ity toerana fanaovan-dalàna ity mba halaza bebe kokoa ho fitsinjovana ny hoaviny ao amin'ny antoko politika misy azy manokana. Lasa tantara ratsy ho an'ny ankamaroan'ny silamo tony fihetsika any Indonezia koa izy ity. Fantatro fa maro amin'ireo namako silamo , raha tsy izy rehetra, no hahita ity lalàna ity ho lalàna vendrana, tsy misy fotony, misy ambadika ratsy, ary tsy mety mihitsy ho an'i Indonezia .

Fanehoan-kevitra tamin'ny Twitter avy any Jakarta, Indonezia:

tobybudiartono: Ts mbol radem alou  a  no  hande an Aceh!

tommysiahaan: Fa manin tsik no miemtr??

dHeeLicious: Amiko dia mifanipaka amin'ny zon'olombelona io

ohhvi: tora-bato sy vely kobain'i Aceh: Raha tsy diso aho dia ao amin'ny testamenta taloha-ko ihany no misy an'io. Lety e, fa 2009 sa 2000 taona  alohan'i Jesosy Kristy ve no misy ahy izany e?

yogibeau: BOOOOO! miniana amin'Andriamanitra aho fa tsy ho any mandrak'izay

erdina: Dia lasa mampatahotra hatrany ny toe-javatra any Aceh

erdina: Mihivingivina mihitsy ny lohako ary tsy mino  isaky ny mamaky momba ny fampandaniana ity lalànan'ny tora-bato any Aceh ity. Ahoana no hamelantsika ny hitrangan'izany?

Ireo vondrona mpiaro ny zo koa dia nitsikera ilay lalàna vaovao ho “loza be sy mampitotongana ny maha-olona.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.